Any Ejipta, Mbola Mangina ny Maro An'isa Mangina

Nandeha namonjy biraom-pifidianana hifidy ny lalampanorenana vaovao ny Ejipsiana, lalampanorenana natolotra sy notohanan'ny filoha Mohamed Morsi sy ny Antokon'ny Firahalahiana [mpirahalahy] Miozolomana Fahalalahana sy Rariny. Nasehon'ny fihodinana voalohany fa manohana ny lalampanorenana vaovao ny 57 isan-jaton'ny mpifidy eo ho eo, na dia eo aza ny ahiahin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fanoherana fa ity lalampanorenana vaovao ity, novolavolain'ny Islamista, dia mikendry ny hametra ny ny karazam-pahalalahana, manamafy ny anjara toeran'ny miaramila, ary ny mety isian'ny Fanasilamoana an'i Ejipta. Hotontosaina amin'ny Asabotsy moa ny referandaoma indroa mihodina ity.

Natao noho ny fifandonana sy ny sit-in naharitra telo herinandro manerana an'i Ejipta moa ity fandatsaham-bato mampiady hevitra ity, izay nahitana olona 10 maty, an-jatony nosamborina ary farafahakeliny 1000 no naratra.

Maro ny manahy isian'ny hala-bato. Nanamarika i Bassem Sabry:

@Bassem_Sabry: I know many of the electoral violation reports are often hyperbolic, but I'm genuinely worried this time. #Egypt

Fantatro fa matetika no tafahoatra (itarina be) ny tatitra hala-bato, saingy tena manahy tokoa aho tamin'ity indray mitoraka ity.

Rasha namoaka ity sary heverina fa mampiseho tanora [tsy ampy taona] manisa vato:

A photograph allegedly showing a child counting votes

Sary heverina ho mampiseho zaza manisa vato. Saripika nozarain'i @Rasha_Jan25 hita Twitter

Nisioka izy:

#امسك_تزوير طفل يجلس ويفرز الاصوات من داخل لجنة 43 مدرسة النهضة الابتدائية بعين شمس pic.twitter.com/23KMhUCn

@Rasha_25Jan: Tratraro amin'ny fangalarana ataony! Zaza manisa vato ao anatin'ny komity laharana 43 ao amin'ny Sekoly Fanabeazana Fototra Al Nahdha ao Ain Shams

Ary nilaza i Amr Salah fa maro ny fanakanana tsy hifidy tany amin'ny biraom-pifidianana. Hoy ny fanazavany:

اغلب الدواير التي لها سجل تصويتي قوي لصالح القوي المدنية هناك تعمد لتعطيل التصويت بها..الناس بالالاف من الصبح ممنوعين عمليا من التصويت بلا

@AmrSalah: Misy ny fikasana hanakana tsy hifidy any amin'ny fari-pifidianana izay nampahery ny fiarahamonim-pirenena .. Olona an'arivony no nosakanana ara-teknika tsy handrotsaka ny vato Tsia

Tarek Amr misioka ny antony handavany ny lalampanorenana:

وماله لما الصحة تتخصخص، مش ده سبب أرفض عشانه الدستور، أنا رافض الدستور عشان دستور شرم برم كاتبينه شوية عاهات

@gr33ndata: Ahoana izany omena ny tsy miankina ny fitsaboana izany? Tsy izany no antony handavako ny lalampanorenana. Tsipahiko io satria lalampanorenana malemy, nosoratan'olona mangozohozo ara-toe-tsaina

Namoaka ity lahatsary ity ao amin'ny YouTube ny Ejipsiana mpampandihy kibo iray Sama El Masry, izay ampandihizany kibo ny fihetseha-pony amin'izay voaboasany ho “miketrika lalampanorenana”:

http://www.youtube.com/watch?v=miMV6SPSC0A

Taorian'ny nanambarana ny voka-pifidianana fihodinana voalohany, naneho hevitra ny bilaogera Alaa Abdelfattah:

الأغلبية الصامتة لسه صامتة

@alaa: Mbola mangina ny maro an'isa mangina

Nanampy i Wael Ghonim:

نتيجة المرحلة الأولى: من كل 100 مصري له حق التصويت: 69 لم يشارك في الاستفتاء، 18 موافق على الدستور، 13 غير موافق على الدستور

@Ghonim: Vokatry ny fihodinana voalohany: Tamin'ny Ejipsiana 100 afa-nifidy, 69 no tsy nandray anjara tamin'ny referandaoma, 18 no nandrotsaka ny Eny tamin'izany ary 13 nandrotsaka ny Tsia

Hasehon'i Omar Hagrass ny fomba nitateran'ny media ny vokatra:

لو عايز النتيجة “نعم” افتح قناة مصر ٢٥ و لو عايزها “لا” افتح أون تي في و لو عايز تريح دماغك افتح باب الأودة و ناااااااااااااااام.

@OHagrass: Raha tianao ho Eny ny voka-pifidianana, sokafy ny fantsona Egypt 25 [ao amin'ny TV]; raha tianao ho Tsia ny voka-pifidianana, sokafy ny ONTV; raha te-hiala sasatra kely ianao, sokafy ny varavaran'ny efiitranonao dia mandehana matory.

Nanamarika i Karim Shafei:

إللى فرحان بنعم وإللى فرحان بلا.. فرحانين على إيه؟ على دستور ما تنشرش رسميا وبيصوت عليه ناس ما لحقوش يقروه ولو قروه ما فهموهوش؟؟

@KarShaf: Ho an'ireo izay faly amin'ny Eny sy izay faly amin'ny Tsia … inona no mahafaly anareo? Lalapanorenana mbola tsy nivoaka tamin'ny fomba ofisialy ary vao androtsahan'olona mbola tsy afa-namaky azy, na ireo nahavaky azy fa tsy nahazo izay nambarany??

Nanao fehinteny i Ahmed Atia Aboshosha:

هذا الاستفتاء جرى فى جو ملئ بأكبر قدر من الشائعات والانقسامات ولم يكن هناك وقت لتنظيمه جيدا..والحقيقة كان من الأفضل تأجيله

@AD_Shosha: Notontosaina tao anatin'ny toe-draharaha feno tsahotsaho sy fisarahan-kevitra ity referandaomy ity. Tsy nisy fotoana nanomanana azy madio. Raha ny marina, tsaratsara kokoa raha nahemotra izy io

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.