Manelingelina Ny Fahazotoana Politika An-tserasera Ny Lalam-Pifidianana

Raha mianoka tanteraka ny fahalalahana amin'ny aterineto ny Japoney, dia miova kely izany toe-draharaha izany amin'ny fotoam-pifidianana. Ny Lalam-pifidianam-panjakana ao amin'ny firenena no mandrara ny ny kandidà ara-politika tsy hamoaka tahirin-kevitra na sary sy mandrara ny olo-tsotra hanohana olo-malaza ara-politika – izany hoe raha ampiharina ny lalàna dia mihatra amin'ny famahanam-bilaogy, fisiahana ary hatramin'ny fanavaozana sata ao amin'ny Facebook aza.

Filazan'ny Ameba
Namoaka fanambarana ofisialy ny Ameba, iray amin'ny mpanome tolotra bilaogy malaza indrindra ao Japana, tamin'ny fampahatsiahivana amin'ny bilaogera ao aminy tsy hamoaka lahatsoratra na hafatra mety hampisy fifandroritana amin'ny Lalam-pifidianam-panjakana.

Toy izao ny torolalana[ja] notsongaina tao amin'ny Ameba,

ガイドライン内禁止行為抜粋
「(3)    社会倫理や法令に反するもの
⑤    選挙の事前運動、選挙運動又はこれらに類似する行為、及び公職選挙法に抵触する行為」

Raràn'ny Torolalan'ny Ameba ny

(3) [lahatsoratra bilaogy] manohitra ny etika sosialy sy ny lalàna
⑤ Fanaovana fanentanana mialoha ny fotoam-pifidianana, fanentanana mandritra ny ffifidianana na fanao mitovitovy amin'izany ka mampisy fifandroritana amin'ny Lalàm-pifidianam-panjakana

Araka ny voalazan'ny lahatsoratra, voarara ohatra ny:

・街頭演説をアップロードする行為
・政見放送をアップロードする行為
・特定の候補者、政党への投票を促す行為

  • mampakatra kabary ataon'ny kandidà eny an'arabe
  • mampakatra ny hevitry ny kandidà ara-politika efa nandeha fandaharana
  • manandratra kandidà na antoko sy mandrisika ny olona hifidy ilay kandidà

Tsy ny torolalan'ny Ameba fa ny lalàn'ny tany mihitsy no mandrara ny fanaovana ireo zavatra ireo. Maneho ny heviny amin'ilay lahatsoratra [ja] ny mpisera ny Ameba:

この時期は、かなり神経質に成るからなぁ。。。褒めれば、投票促進に取られかねないし、酷評をすれば、ネガティブ・キャンペーンによる投票拒絶に取られかねない。。。選挙が終わるまでは、静観するのが無難なのかもね。。。
くろにゃー 2012-12-06 14:13:07

Lasa be ahiahy ny olona mandritra ny fifidianana. Raha midera antoko iray na kandidà iray ianao dia azo adika fa mampifidy izany antoko/kandidà izany. Etsy ankilany, raha mitsikera olona iray, mety holazaina fa fanaratsiana mety mitarika ny fanakiviana ny olona  tsy hifidy. Angamba tokony hangina sy hitazatazana isika mandra-pahatapitry ny fifidianana.

「アメーバでは」選挙に関する事を言わない方がいいって事か^^;
後でめんどくさい事にでもなったら困るからな;;
エリュ 2012-12-06 14:55:54

Izany hoe ny dikan'izany dia tsy tokony hiteny na inona na inona momba ny fifidianana aho ao amin'ny bilaogy atolotry ny Ameba.  Angamba ny hevitra tena mety mba tsy ho sahirana rehefa any aoriana any.

Miroborobo ny dokambarotra politika

Raha voarara amin'ny famoahana tahirin-kevitra sy sary amin'ny aterineto ny kandidà sy ny mpifidy, miroborobo kosa ny dokambarotra politika, indraindray aza tonga hatramin'ny fifanakaikezana tsy ampoizina tahaka ny pikantsary etsy ambany:

Twilog Toru Hashimoto

Pikantsarin'ny Twilog-n'ny mpitarika ny Antokon'ny Fanavaozana an'i Japana Toru Hashimoto, izay ahitana ny dokambarotry ny antoko mifaninana aminy eo ankavanana.

Tsara ihany koa raha jerena ny dokambarotry ny Antokon'ny Fanavaozana an'i Japana JRP [ja] mialoha ny ijerena lahatsary ao amin'ny Youtube. Ny dokambarotry ny Antoko Komonista Japana samy hita ao amin'ny Hatena [ja] sy ao amin'ny Twitter, ary misy doka hafa avy amin'ny Antoko Demokraty Liberaly [LDP] sy ny Antoko Demokratin'i Japana hita any amin'ny bilaogy sy habaka samihafa amin'ny alalan'ny tolotra dokambarotr'i Google.

[Fanamarihana: Mety hiseho noho ny toerana misy anao, ny web cache, ary miankina amin'ny dokambarotry ny orinasa mpampiserasera ny dokambarotra.]

Sahotaka ao amin'ny Twitter

Raha mihataka tsy mamoaka votoaty ao amin'ny Facebook sy Twitter ny olona isorohana amin'ny fandikan-dalàna, misy kosa ny mpanao politika sasany mbola misera hatrany ny Twitter. Manohy misera Twitter i Tōru Hashimoto, Ben'ny tanànan'i Osaka izay mitarika ny Antokon'ny Fanavaozana an'i Japana (tsy kandidà amin'ny fifidianana ankapobeny izy). Nataony ho ren-tany aman-danitra ao amin'ny Twitter ny heviny tamin'ny fitsikerana ny Lalam-pifidianam-panjakana. Araka ny twilogn'i Hashimoto, tolotra mitahiry ny sioka, in'60 izy no nisioka tamin'ny 9 Desambra 2012. Ny amin'ny hoe mifanaraka amin'ny lalàna ve ny sioka navoakany sa tsia dia anjaran'ny polisy ny manapa-kevitra amin'izay, hoy Osamu Fujimura, Lehiben'ny Sekretariàm-panjakana.

Mihatra amin'ny olo-tsotra ihany koa ny lalàna. Misy ny mpisera Twitter sasany no nanmpitandrina ity siokan'ilay mpiantsehatra malaza Kenji Tamura, izay tsy kandidà, izay mety ho mandika ny Lalam-pifidianam-panjakana ity, satria heverina ho mampiroborobo antoko manokana izy ity:

@tamukenchaaaaa
自民党が単独過半数の勢い⁈ 自民がダメで民主、ほんで民主がダメで自民⁈はぁ? この国の大人はどうかしてますね。こうなったら若者の皆さん僕たちの子供、孫たちのために立ち上がって選挙に行こう!狂った大人達に日本任せてたらもうダメ、若者の皆さん選挙に行こう

Ankehitriny miteny ry zareo fa ny hany antoko mitarika dia ny LDP?! Nifidy  DPJ ry zareo satria tsy nahomby ny LDP ary ankehitriny te-hifidy LDP ry zareo satria tsy nahomby ny DPJ? Tsy misy dikany izany teny izany. Adala mihitsy angamba ny olon-dehiben'ity firenena ity. Miangavy ry tanora! Mitsangàna ary fidio ny ho avin'ny zanatsika sy ny zafikelintsika. Tsy avelantsika hifehy ny firenentsika ireo olon-dehibe adala ireo. Mifidiàna ry tanora.

Raha misy ny mitsikera io fanehoan-kevitra io, maro ihany koa ny naneho fanohanana an'i Kenji Tamura. Io fanehoan-kevitra io izao nahazo Fampitan-tsioka [ReTweet] in-3175 ary mpisera 429 no nanamarika azy ho sioka ankafizina.

Naneho hevitra araka izao manaraka izao ny mpisera Twitter juusou13 raha nahita ny vaovao fa tsy namoaka vaovao tamin'ny aterineto [an-tserasera] intsony ny ankamaroan'ny kandidà:

@juusou13
公職選挙法の見直しが必要だろう。情報発信のために、実態にあわせるべき。 RT@itmedia_news: 衆院選が公示され、ネットで候補者は一斉に沈黙。ニコ動は一部でコメント投稿機能を自粛など^編 http://bit.ly/UD1rSR

Mieritreritra aho fa mila manana fijery hafa momba ny Lalam-pifidianam-panjakana. Tokony ho ankotrihina hahazoana vaovao bebe kokoa izy io ary tokony hifanaraka amin'ny zavamisy ankehitriny. RT@itmedia_news: Koa satria moa manomboka ny fampielezan-kevitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena, nangina tampoka an-tserasera ny kandidà. Nanivana ny fanehoan-keviny tamin'ny ampahany i Nico Nico Douga. http://bit.ly/UD1rSR

Miresaka momba ny fifanoherana hita amin'ny fahanginana ato amin'ny aterineto sy ny tabataban'ny fiara manao dokambarotra eny an'arabe ny mpahay hozatatitra Kenichi Mogi.

@kenichiromogi
今、選挙カーが一瞬とおりすぎていった。聞こえたのは、「比例代表は、○○党、○○党へ」という一言だけ。これが公職選挙法上オッケーで、政策を細かく議論できるインターネットがダメ、というのはどう考えても非科学的。いつまで石器時代にいるつもりなんだ、この国は。

Vao nandalo akaiky ahy ny fiaran'ny antoko politika teo. Ny hany reko dia ny anaran'ny antoko dia izay ihany. Tsy ara-tsiantifika ny fiseraserana ny aterineto iadian-kevitra momba ny politika amin'ny antsipirihany nefa raràna ny fanaovana izan mandritra ny fampielezan-kevitra ary ireo fiara ireo ihany no eken'ny Lalam-Pifidianam-Panjakana. Fa miaina amin'ny vanim-potoanan'ny vato ve ity firenena ity sa ahoana e?

Novain'i Keiko Tanaka ny hajian-tsarin'ity lahatsoratra ity, izay avy amin'i Dick Thomas Johnson teo ambany lisansa Creative Commons (CC-By-2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.