Espaina: Saina Sahisahy Eo Amin'ireo Tanora Mpifindra-monina

Andro vitsy lasa izay, anisan'ireo lohahevitra malaza indrindra tao amin'ny Twitter i « Marina del Corral ». Del Corral, tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Ministeran'ny Asa sy Ny Fiahiana Ara-tsosialy, na ny marimarina kokoa, Sekretera Jeneralin'ny Fifindram-ponenana sy ny Fifindra-monina, nanjary malaza izy noho ilay fanambarany niteraka fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy.

Nanambara ity Sekretera Jeneraly ity fa tsy noho ny krizy mamely ny firenena ihany no antony mahatonga ireo tanora Espaniola mifindra monina fa “raha lazaina, dia noho ny saina sahisahy amin'ny fahatanorana” ihany koa.

Jóvenes españoles, ¿emigrantes o aventureros?

Tanora Espaniola: mpifindra-monina ve sa sahisahy? Sary tao amin'ny bilaogin'ny Lo que no pasa.

Niteraka resabe izany fanambarana izany, indrindra fa fanambarana avy amin'ny tompon'andraikitra ambony eo amin'ny governemanta izay te hiavaka amin'ny fehezanteniny mahasosotra. Ampatsiahivina ny “fanevatevana” ireo tsy an'asa nataon'i Andrea Fabra, sy ny fanambaran'i Pilar Sol izay miampanga ireo tsy an'asa sasany ho mandanilany fotsiny ny vola fanampiana avy amin'ny fanjakana amin'ny “fahilavitra plasma” ary koa ireo teniteny foana tsy tambo isaina vao haingana nataon'ny mpitondra tenin'ny governemanta Cristina Cifuentes sy ny Minisitry ny Fampianarana, José Ignacio Wert [fr].

Tsy niandry fotoana ela araka ny efa nampoizina ny mpiserasera ka naharay fanehoan-kevitra an-jatony ny tenifototra toy ny hoe #espírituaventurero (saina sahisahy) sy ny #NoNosVamosNosEchan (Tsy isika no niala, fa ry zareo no nandroaka antsika) taorian'ny fahafantarana izany fanambarana izany. Tahaka ny sioka nataon'i @Hans, @08181 sy Alvaro Velasco (@alvaro_velasco) :

@Haannnssss: Nahare aho fa eo am-panoratana planina amin'ny “Indiana Jones” andiany manaraka i Marina del Corral: “Mitady Asa very” #NoNosVamosNosEchan

Marina del Corral, secretaria general de emigración. Foto de la página web cartadeespaña.es.

Marina del Corral, Sekretera Jeneraly ny Fifindra-monina. Sary tao amin'ny habaka http://www.xn--cartadeespaa-khb.es/.

08181@: Misy olona afaka manazava amin'i  Marina del Corral ve fa mijanona ao Espaina ny fahasahisahiana

@alvaro_velasco: Marina del Corral… Ny saina sahisahy dia ny fandehanana any Pyrénées mba hanao fanatanjahatena mahery vaika. Tsy mila miasa any amin'ny “fast-food” ao Berlin.

 

Nampatsiahy i Nolesvotes fa efa niteraka famonoan-tena marobe ny fandroahana vao haingana niseho:

@Nolesvotes: Nanambara i Marina del Corral fa mifindra monina ireo Espaniola ary ireo olona izay niharan'ny fandroahana sy nitsambikina teny ambonin'ny rihana dia nanao “balconing” [mitsoraka ao amin'ny dobo avy eny an-davarangana][en].

 

Nanamarika i César fa toa tsy miraharaha ny zava-misy iainan'ny mponina isan'andro isan'andro ny governemanta:

@CatoMad: Mividy fahitalavitra plasma ireo tsy an'asa ary miala ao Espaina ireo tanora noho ny saina sahisahy. Ianareo, mpikambana ao amin'ny Governemanta espaniola, jereo ny zava-misy!

 

Mpisera twitter (@whoanrubi), Яubén Sánchez (@rubensancheztw), Ciudadano Libre (@SuperTTuitero) sy SorriSorrilla (@SorriSorrilla) nandray izany tamim-pivazivaziana:

Pancarta: «si acabas una carrera en España tienes 3 salidas: por tierra, mar o aire». Foto de la web kaosenlared.net

Sora-baventy: «Raha vita ny fianaranao ao Espaina, safidy telo no azo ataonao: an-tanety, an-dranomasina na an'habakabaka ». Sary tao amin'ny habaka kaosenlared.net

@whoanrubi: Araka ny filazan'ny Sekretera Jeneraly ny Fifindra-monina, “isika, Espaniola, mifindra monina noho ny saina tia kisendrasendra isika”. Eny! Ary atao fandidiana kambotsinay (appendicite) isika mba hahalana izay zava-misy ao anatin'ny kibontsika!

@rubensancheztw : Avy amin'ny mpamorona ny: “Tsy fanapahana ny fanampiana ara-bola, fa fanovana” no nahatongavan'ny : “Tsy noho ny krizy no nahatonga ny fifindra-monina fa noho ny saina sahisahy”

‏@SuperTTuitero: Ny nerônina tokana mba ananan'i  Marina del Corral dia ny  #espírituaventurero saina sahisahy ihany koa

‏@SorriSorrilla: “Nanivatsiva ny helodrano tamin'ny sambo [misokatra] “tsizarizary” ny Afrikanina Atsimon'i Sahara satria mankafy ny mandeha zara fa zahatra izy ireo “, Marina del Corral!

Mapa de la emigración española del siglo XXI. Imagen del blog «Periodismo con Gafas»

Saritanin'ny fifindra-monina espaniola tamin'ny taonjato faha-21. Sary tao amin'ny bilaogin'ny «Periodismo con Gafas»

Namoaka taratasy misokatra ho an'i Marina del Corral ny vondrona mpifindra-monina any Soisa izay nanazavany ny fepetra sarotra tsy maintsy hatrehin'ireo mpifindra monina matetika rehefa miala ao Espaina izy ireo :

[…] Amin'ny lafy tsaran'ny tantaran'ireo izay mahita asa no miampy ihany koa ny famelan'ireo ray sy reny ny zanany irery ao an-trano, ao koa ireo Olom-pirenena espaniola izay lasa matory ao anaty fiara na amin'ny trano fiantranoana satria tsy nahita asa izy ireo ary mivelona amin'ny tahiry sisa izay nentin'izy ireo, izay tsy mahay fiteny vahiny saingy, na eo aza izany rehetra izany, tsy manan-tsafidy hafa ankoatra ny mandao ny toerana izy ireo, tantaran-tsy fahombiazana sy fiverenana any an-tanindrazana hitanty ny toe-javatra ratsy kokoa noho ny tamin'ny fiaingana. […]

[…] Nahenan'ny Governemanta misy anareo ho 60% ny fanampiana ara-toekarena ho an'ireo fikambanana tsotra sy fikambanana mpanao asa soa izay manome fiahiana ara-tsosialy sy fitsaboana ho an'ireo mpifindra-monina espaniola any am-pitan-dranomasina izay tsy manam-pivelomana, ary nahenany ho 14,5% ny tetibolan'ny Fitantanana Ankapoben'ny fifindra-monina ary miatrika fanalam-baraka noho ny fanambaran'ny Filohan'ny Fitantanana Ankapoben'ny Olom-pirenena espaniola any ampitan-dranomasina izy ireo: “Tahaka ny Vehivavy ny lalàna. Natao hitsakitsahana“.

[…] Ny zavatra takianay aminao dia ny fanajana bitika anay Espaniola lahy sy vavy mendri-kaja an'arivony, izay tsy nandao ny firenenay hijery ny fitsokan'ny rivotra any ivelany, na hiaina toe-javatra mampandroso ary hody an-tanindrazana rehefa reraka avy eo. Hiala ny firenenay izahay noho ny faneriterena sy noho ny fo torotoro, eny fa na dia manam-pahaizana aza, satria tsy manana foto-pivelomana.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.