- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana: Nakatona ny Twitter

Sokajy: Pakistana, Fitsipika, Mediam-bahoaka, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

Nakatona ny Twitter tao Pakistana indray alahady. Nilaza ny manampahefana ambony misahana ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena fa nakatona izany satria mandà hanaisotra ireo sioka sokajiana ho manaraby ny Islamo [1] ny Twitter.

Nampiroborobo fifaninanana tamin'ny Facebook ireo sioka mba handefa ny sarin'ilay Mpaminany Islamo Muhammad, hoy i Mohammad Yaseen, filohan'ny Fitantanana ny Fifandraisan-davitra ao Pakistana [2]. Maro ireo Miozolomana no nanasokajy ny fanehoana an-tsarin'ny mpampinany ho toy ny fanevatevana, eny fa dia na ireo manohana ny fifaninanana aza.

Nampiroborobo fifaninanana tamin'ny Facebook ireo sioka mba handefa ny sarin'ilay Mpaminany Islamo Muhammad, hoy i Mohammad Yaseen, filohan'ny Fitantanana ny Fifandraisan-davitra ao Pakistana [2]. Maro ireo Miozolomana no nanasokajy ny fanehoana an-tsarin'ny mpampinany ho toy ny fanevatevana, eny fa dia na ireo manohana ny fifaninanana aza

Antsoina hoe andron'ny sarin'i Muhammad ilay fifaninana, araka ny sioka nalefan’ [3] ilay mpakasary  Galoizy-Pakistaney, Sufian Ahmed

Maro ireo nanao zavatra momba ny #DrawMuhammadDay [4] RT @fursid [5]: Nahoana no nakatona ny #twiter [6] avy amin'ireo mpanome tolotra aterineto ao #Pakistan [7]?

— sufian ahmed (@paktographer) 20 Mey 2012 [8]

Nilatsaka ny vaovao ora fohy taorian'ny sioka nalefan'ny Minisitry ny Atitany Pakistaney, Rehman Malik:

Miarahaba ny rehetra, mampanantena anao aho fa hitohy foana ny Twitter sy ny FB ato amin'ny firenentsika ary tsy ho voakatona izany. Aza matoky ireo tsaho.

— Rehman Malik (@SenRehmanMalik) 19 Mey 2012 [9]

Araka ny filazan'ny manampahefana Pakistaney, “Voakasika avokoa ny Facebook sy ny Twitter. Nifampiraharaha tamin'ireo roa tonta ireo izahay. Nanaiky nanaisotra ireo sary ny Facebook saingy tsy namaly anay kosa ny Twitter”. Matih Abbas naneho hevitra momba izany:
Voasokajy ho tsy dia manevateva kokoa ny Facebook noho ny twitter ? TPT #Twitterban [10]

— Matih Abbas (@mat1h) 20 Mey 2012 [11]
Voasokajy ho tsy dia manevateva kokoa ny Facebook noho ny twitter ? TPT #Twitterban [10]

— Matih Abbas (@mat1h) 20 Mey 2012 [11]

Raha ny marina, efa nakatona nandritra ny fotoana naharitra [12] koa ny Facebook tao Pakistana, roa taona lasa izay.

Faizan Lakhani nanontany hoe:

Tsy vitan'izy ireo ny manafoana ny kolikoly, tsy vitan'izy ireo ny manafoana ny fampihorohoroana, tsy mahavita mandràra ny mpamono olona izy ireo, kanefa mahavitra mandràra ny Twitter. #Pakistan [7]

— Faizan Lakhani (@faizanlakhani) 20 Mey 2012 [13]

Farany, tsara ny manamarika fa volana vitsy lasa izay, tamin'ny  Martsa 2012, namoaka fangatahana sosokevitra momba ny fametrahana sy fampiasana ny fanivanana ny URL ao an-toerana sy ny Fomba Fanakanana “deployment and operation of a national level URL Filtering and Blocking System” [14] ny manampahefana misahana ny fifandraisan-davitra ao Pakistana. Toa mbola tsy nahomby tamin'izany anefa ny ezaky ny governemanta hatramin'izao, satria mbola mahita irika hidirana amin'ny twitter [15] ny Pakistaney na dia taorian'ny fanakatonana aza. Aaqil Mahmood namoaka torohevitra vitsivitsy handravana ny sakana [16] tao amin'ny bilaoginy. Ary i Yannis Koutsomitis ‏nisioka [17] fa mbola mandeha tsara ny TweetDeck sy ny fampiasa twitter hafa.

Vaovao farany: Sivy ora taorian'ny fandràrana, nilaza ny tati-baovao fa efa noesorina ny fandràrana [18].