- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tiako i Brunei Satria….

Sokajy: Azia Atsinanana, Broney, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tsidika
[1]

Golden Mosque, na Maoske Volamena  ao Brunei. Sary avy amin'ny pejy Flickr an'i Mr Syaf

Delwin Keasberry, fantatry ny be sy ny maro kokoa amin'ny hoe @BruneiTweet [2] eny anatin'ny vondrom-piarahamonina aterineto Brunei, dia nangataka tamin'ireo mpanjohy azy ao an-toerana mba hibitsika ny fitiavan'izy ireo ny fireneny :

@BruneiTweet Tweeps, fenoy ity fehezanteny ity : “Tiako i #Brunei satria…” 8)

Ary dia ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo valinteny nomen'ireo Brunei mpampiasa Twitter izay namoaka zavatra maro mikasika ny fiarahamonina Brunei sy ny vahoakany:

@suzaneeena [3]: Tiako i #Brunei satria milamina, tsy voaloto, ary tsy adino ny milaza… ireo karazan-tsakafo mora vidy $1 azontsika vidiana!!

@AlHudaaRose [4] ry mpibitsika, fenoy ity fehezanteny ity: “Tiako i #Brunei satria firenena milamina, ahafahantsika mihinana sakafo halal marobe 🙂

@MiQy98 [5] tiako i#Brunei satria isika no manana ny nahandro & vahoaka milay izay miha-milay foana isan'andro vaky izao.

@ninactor [6] Tiako i #brunei satria toeram-ponenana sady ny kolontsaina – indrindra fa ny sakafo, dia mahafinaritra tsotra izao, ny vahoaka toy izany ihany koa.

@Gold_Book_BN [7]: Tiako i #Brunei satria Brunei manana ny fahafahana mampivoatra ny vahoakany & ny fireneny. Noho izany, TIAKO isika..

@AzemahARRR [8] Fenoy ity fehezanteny ity: “Tiako i #Brunei satria…”” Raha misy zavatra mitranga, ny erireritry ny firenena iray manontolo no miaraka aminao.

@debbietoo [9] Tiako i Brunei satria ny vahoaka eto dia isan'ireo mahay mandray vahiny sy sariaka eto amin'izao tontolo izao.

@anakbrunei [10] Tiako i #Brunei satria firenena iray be fandeferana izay tsy manery ny vahoaka hanaraka izay tiany hatao na inona na inona fiaviana sy finoana misy azy.

@Ajul_mna@ [11] Tsy misy toerana hafa toy ny TANINDRAZANA

@ashfarizi [12] Fenoy ity fehezanteny ity : “Tiako i #Brunei noho…”” ireo olona ao sy ny fandriampahalemana! tsisy nasi katok.

@sazikalman [13] Tsy misy toerana hafa toy ny tanindrazana. Tsy tonga lafatra saingy marina! RT @BruneiTweet Fenoy ity fehezanteny ity: “Tiako i #Brunei satria…

@HqahAmin [14] io no fo maitson'i Borneo 🙂 “@BruneiTweet: Fenoy ity fehezanteny ity: “Tiako i #Brunei satria…”

@DiyyDiyana [15] Tiako i #Brunei satria milamina. Vokatr'io, “toeran'ny fandriampahalemana”

@sarahwaffles [16] @BruneiTweet Tiako i #Brunei satria toerana iray ‘exotique’. Ireo namana rehetra avy any ampitan-dranomasina vao mandre kely monja momba azy & te-ho avy hitsidika.

Farany, @trylobyte [17] mampahatsiahy ny rehetra mba hitahiry an'i Brunei ho firenena miavaka :

@trylobyte Tiako i #Brunei noho ireo antony rehetra efa voalaza. Ankehitriny ndeha isika hiasa mafy hitazonana an'izany mba hitohizan'ny fitiavantsika azy.

Mandritra izany, pejy Pinterest iray “Love Brunei [18]” no napetraka mba hanapaingorana ireo sary maneho ny hakanton'i Brunei.