Tiako i Brunei Satria….

Golden Mosque, na Maoske Volamena  ao Brunei. Sary avy amin'ny pejy Flickr an'i Mr Syaf

Delwin Keasberry, fantatry ny be sy ny maro kokoa amin'ny hoe @BruneiTweet eny anatin'ny vondrom-piarahamonina aterineto Brunei, dia nangataka tamin'ireo mpanjohy azy ao an-toerana mba hibitsika ny fitiavan'izy ireo ny fireneny :

@BruneiTweet Tweeps, fenoy ity fehezanteny ity : “Tiako i #Brunei satria…” 8)

Ary dia ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo valinteny nomen'ireo Brunei mpampiasa Twitter izay namoaka zavatra maro mikasika ny fiarahamonina Brunei sy ny vahoakany:

@suzaneeena: Tiako i #Brunei satria milamina, tsy voaloto, ary tsy adino ny milaza… ireo karazan-tsakafo mora vidy $1 azontsika vidiana!!

@AlHudaaRose ry mpibitsika, fenoy ity fehezanteny ity: “Tiako i #Brunei satria firenena milamina, ahafahantsika mihinana sakafo halal marobe 🙂

@MiQy98 tiako i#Brunei satria isika no manana ny nahandro & vahoaka milay izay miha-milay foana isan'andro vaky izao.

@ninactor Tiako i #brunei satria toeram-ponenana sady ny kolontsaina – indrindra fa ny sakafo, dia mahafinaritra tsotra izao, ny vahoaka toy izany ihany koa.

@Gold_Book_BN: Tiako i #Brunei satria Brunei manana ny fahafahana mampivoatra ny vahoakany & ny fireneny. Noho izany, TIAKO isika..

@AzemahARRR Fenoy ity fehezanteny ity: “Tiako i #Brunei satria…”” Raha misy zavatra mitranga, ny erireritry ny firenena iray manontolo no miaraka aminao.

@debbietoo Tiako i Brunei satria ny vahoaka eto dia isan'ireo mahay mandray vahiny sy sariaka eto amin'izao tontolo izao.

@anakbrunei Tiako i #Brunei satria firenena iray be fandeferana izay tsy manery ny vahoaka hanaraka izay tiany hatao na inona na inona fiaviana sy finoana misy azy.

@Ajul_mna@ Tsy misy toerana hafa toy ny TANINDRAZANA

@ashfarizi Fenoy ity fehezanteny ity : “Tiako i #Brunei noho…”” ireo olona ao sy ny fandriampahalemana! tsisy nasi katok.

@sazikalman Tsy misy toerana hafa toy ny tanindrazana. Tsy tonga lafatra saingy marina! RT @BruneiTweet Fenoy ity fehezanteny ity: “Tiako i #Brunei satria…

@HqahAmin io no fo maitson'i Borneo 🙂 “@BruneiTweet: Fenoy ity fehezanteny ity: “Tiako i #Brunei satria…”

@DiyyDiyana Tiako i #Brunei satria milamina. Vokatr'io, “toeran'ny fandriampahalemana”

@sarahwaffles @BruneiTweet Tiako i #Brunei satria toerana iray ‘exotique’. Ireo namana rehetra avy any ampitan-dranomasina vao mandre kely monja momba azy & te-ho avy hitsidika.

Farany, @trylobyte mampahatsiahy ny rehetra mba hitahiry an'i Brunei ho firenena miavaka :

@trylobyte Tiako i #Brunei noho ireo antony rehetra efa voalaza. Ankehitriny ndeha isika hiasa mafy hitazonana an'izany mba hitohizan'ny fitiavantsika azy.

Mandritra izany, pejy Pinterest iray “Love Brunei” no napetraka mba hanapaingorana ireo sary maneho ny hakanton'i Brunei.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.