Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Ny Perla Avy Amin'ny Media Momba an'i Afrika

Nisy ny fanatsotsorana momba an'i Afrika nifandrohy tamin'ny fanentanana #Kony2012 nataon'ilay ONG Invisible Children [Ankizy Tsy Hita]. Nisy fanentanana hafa natao avy eo ho fanitsiana ny kinendry.

poster for Kony 2012.

Afisin'ny Le poster de la campagne Kony 2012. Domaine public

Efa tsy ampahafantarina intsony [en] ny fanombatombanan'ny fampahalalam-baovao momba an'i Afrika na dia efa nihena dia nihena aza ny fahadisoana tao anatin'ny taona vitsivitsy farany. Tsy mandehandeha fotsiny amin'izao ny filazalazana ny kaontinanta any amin'ny fampitam-baovao, araka ny fanavazavan'ny profesora Charles Moumouni:

La mauvaise représentation de l’Afrique dans les médias occidentaux n’est ni un
phénomène nouveau, ni un phénomène exceptionnel. Elle fait l’objet de préoccupations depuis les années 1970, notamment dans le cadre des discussions sur le Nouvel ordre mondial de l’information et de la communication (NOMIC). Mais l’image que propagent les médias occidentaux de l'Afrique est d’autant plus préoccupante qu’elle influe négativement sur les efforts de développement de l'Afrique

Tsy zava-baovao sady tsy zava-maningana ny fanehoana ratsy an'i Afrika. Efa niteraka fahasahiranan-tsaina hatramin'ny taona 1970, indrindra tao anatin'ny adi-hevitra momba ny Rafi-baovao manerantanin'ny fampahalalam-baovao sy ny serasera. Fa mbola manahirantsaina kokoa ny sary aelin'ny fampahalalam-baovao tandrefana ka mampisy fiantraikany ratsy eo amin'ny ezaka fampandrosoana an'i Afrika.

Nefa tsy afa-tsiny amin'izany mihitsy ihany koa ny fampahalalam-baovao Afrikana. Maro ny fandraisana an-tanana niseho masoandro taona vitsivitsy izay mba hanatsarana ny fahamarinan'ny zavatra lazain'ny fampahalalam-baovao ao Afrika. Ny African Media Initiative na ny Media Monitoring Africa no ohatra roa amin'izany.

Indreto ny fehin'ny perla, fahadisoana na tsy fahamarinan'ny fampitam-baovao momba an'i Afrika sy nataon'ny mpampita vaovao Afrikana :

Hoy ny fampitam-baovao momba an'i Afrika

Canada – “Miditra ny ivon'ny aizin'i Afrika i Stephen Harper”

Izany no lohatenin'ny CBC news tamin'ny fahatongavan'ny praiminisitra Kanadiana tany RDC nandritra ny vovonan'ny Francophonie. Na dia nanondro ny bokin'i Joseph Conrad, Heart of Darkness (An'ivon'ny aizina) ny lohateny, dia mampahatsiahy ihany koa ny fijery lany andro sy manivaisa an'i Afrika mainty, izay mbola raisina ho tany haolo sy mampidi-doza. Nampiany:

It's the most wretched country on the face of the earth.

Io no Firenena voaozona indrindra misy eto an-tany.

Amin'n fandrenesana izany, dia tahaka ny hanome medaly ny praiminisitra Harper noho ny fahasahiany nandeha tany RDC.

Israëly – “Tsy mpanolana ny Afrikanina atsimon'i Sahara”

Slate Afrique manazava fa hafakely ny zavamisy mifandraika amin'io lohateny io :

Les noirs ne sont pas des violeurs. Tel est le message que veulent faire passer des demandeurs d'asile Africains subsahariens en Israël. Ces derniers sont pointés du doigt par l'opinion publique israélienne à la suite d'un cas de viol très médiatisé, ayant impliqué quatre demandeurs d'asile érythréens en Israël. Pour contrer une stigmatisation des noirs, un centre d'aide aux travailleurs étrangers a aidé des Africains à rédiger des «lettres ouvertes au peuple israélien», rapporte le quotidien israélien Haaretz le 20 mai.

Tsy mpanolana ny mainty. Izany ny hafatra tian'ny Afrikana atsimon'i Sahara mitady fialokalofana any Isiraely ampitaina. Ry zareo manko no tondroin'ny vahoaka Isiraelianina taorian'ny fanolanana nalaza an-gazety, izay nahavoampanga mpitady fialokalofana Eritreana efatra tany Isiraely? Mba hanoherana ny fanilikilihana ny mainty dia nisy ivon-toerana manampy ireo mpiasa vahiny nanampy Afrikana vitsivitsy hanoratra “taratasy misokata ho an'ny vahoaka Isiraelianina”, hoy ny tatitra nataon'ny gazety mivoaka isan'andro Isiraelianina Haaretz tamin'ny 20 mey

France – Fifangaroan'i Guadeloupe sy Madagasikara tao amin'ny I-télé 

Niara-nipoaka tamin'ny vanim-potoana nampafana indrindra ny krizy politika teto Madagasikara ny fifanandrinana tany Guadeloupe teo amin'ny LKP sy ny mpitandro ny filaminana. Nifanakaiky tokoa ka nahatonga ny  i-télé nanafangaro ny sary tamin'ity sary fanadihadiana manaraka ity:

Etazonia momba an'i RDC: “Kamboty, voaolana sy tsy noraharahiana”

Izany no lohatenin'ny lahatsoratra [en] avy amin'ny mpanao gazety Nicholas Kristof momba ilay zaza 9 taona tratran'ny fanolanana itambarambe tany RDC. Araka ny nanazavan'i Laura Seay tamin'ny dika an-tsoratra ao amin'ny Slate Afrique, niteraka olana eo amin'ny fomba fiasa ity lahatsoratra ity :

Après de violentes polémiques, Kristof posta une réponse sur son blog dans laquelle il promettait de ne pas le refaire, tout en réfutant les critiques affirmant qu’il mettait l’enfant en danger en l’identifiant. Il reconnut cependant qu’imprimer son nom violait la politique du Times, même s’il avait reçu l’autorisation d’une femme qui jouait le rôle de tutrice de l’enfant. Difficile d’imaginer un rédacteur en chef, quel qu’il soit, laisser une telle «bavure» se produire dans un article concernant une victime occidentale de pédophilie.

Taorian'ny adihevitra maherihery, namoaka setriny tao amin'ny bilaoginy i Kristof nampanantenany fa ts hanao izany intsony, sady nitsipaka ny tsikera milaza fa mampidi-doza ny zaza izy tamin'ny filazana ny anarany. Nekeny anef fa mandika ny politikan'i Times ny nanaovany pirinty ny anarany, na dia nahazo alalana avy amin'ny vehivavy iray miantoka ny zaza aza izy. Sarotra ny hieritreritra tonian'ny fanoratana, na iza izy na iza, hamela izao romborombo izao maina raha tandrefana no lasibatry ny mpametaveta zazakely

Ny gazety Afrikana  

Afrika Atsimo – niharan'ny fanolanana voatonona ankolaka nandritra ny tatitra tamin'ny oktobra 2012  

Musa Rikhotso nitatitra fa [en]:

A story sourced from Sapa entitled, “Sentence Slashed over rape of Stepdaughter” (The Star, 10/10/2012, p.7). The article names a Limpopo man, whose sentence was reduced from life imprisonment to 15- years for raping his 15-year-old stepdaughter; in so doing, failing to protect the identity of the rape victim.

Nisy lahatsoratra tao amin'ny Sapa nitondra ny lohateny hoe ” Naheny ny sazin'ilay nanolana ny zana-badiny” (The Star, 10/10/2012, pajy 7). Nanonona lehilahy avy any Limpopo izay nanena ny gadra mandrapahafaty ho 15 taona noho ny fanolanany ny zana-badiny 15 taona ny lahatsoratra; tamin'ny fanaovana izany anefa dia tsy voaaron-dry zareo ny momba ilay niharan'ny fanolanana.

Sénégal – “Des Sénégalais rapatriés de Côte d'Ivoire se défoulent sur Wade” – Nanamparan'ny senegaley maromaro nampodiana avy any Côte d'Ivoire ny heriny i Wade

Nandritra ny nahamafy indrindra ny krizy tany Côte d'Ivoire, hoy ny lohatenin-gazety Walfadjiri- Mangiran'andro Fiposahan'ny Masoandro “Nanamparan'ny Senegaley nampodiana avy any Côte d'Ivoire ny heriny i Wade”:

wade sénégal côte d'ivoire

Pejy 2 an'ny gazety any sénégal miresaka ny krizin'i Côte d'Ivoire- Valam-bahoaka

Nilaza ny Le Post fa fahadisoana io satria :

justement ces hommes et femmes reprochent au gouvernement de n'avoir pas été “rapatriés” mais bel et bien d'avoir du rentrer par leurs propres moyens.

Satria mitsikera ny fitondrana ho tsy “nampodiana” ireo lehilahy sy vehivavy ireo fa nody avy tamin'ny ezaky ry zareo ihany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny