16 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 16 Desambra 2012

Espaina: Bilaogera Iray Notorian'ny Fahitalavitra Telecinco Tany Amin'ny Fitsarana

  16 Desambra 2012

*Vaovao farany: nanambara ny fahitalavitra Telecinco tamin'ny 27 Novambra, fa nosintoniny ny fitoriany an'ilay bilaogera Pablo Herreros. Nivory ny tale mpitantana ny Telecinco/Mediaset sy i Herreros ary nahita marimaritra iraisana. Azo vakiana ato amin'ny bilaogin'ilay bilaogera [es] ny fifanekena nataon'ny roa tonta sy ny fanehoan-kevitr'ilay bilaogera. Mety efa nandre ny anarana hoe Pablo...

Andron'ny Zon'Olombelona Ao Emirà Arabo Mitambatra

GV Mpisolovava  16 Desambra 2012

Olona an-tapitrisany no mankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona ka mitaky ny fanafoanana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona misy ankehitriny manerana ny toerana marobe, tsy mba afaka mizaka ny zony momba ny fahalalaham-pitenenana sy ny famoriam-bahoaka ireo mpikatroka ao Emirà Arabo Mitambatra (eny fa na dia mikarakara fihetsiketsehana aza na manoratra...

Tiako i Brunei Satria….

  16 Desambra 2012

Delwin Keasberry, fantatry ny be sy ny maro kokoa amin'ny hoe @BruneiTweet eny anatin'ny vondrom-piarahamonina aterineto Brunei, dia nangataka tamin'ireo mpanjohy azy ao an-toerana mba hibitsika ny fitiavan'izy ireo ny fireneny. Ity lahatsoratra ity dia manasongadina ny sasany amin'ireo bitsika nalefan'ireo Brunei mpampiasa twitter, izay namoaka zavatra maro mikasika ny fiarahamonina Brunei sy ny vahoakany.

Pakistana: Nakatona ny Twitter

GV Mpisolovava  16 Desambra 2012

Nakatona ny Twitter tao Pakistana indray alahady. Nilaza ny manampahefana ambony misahana ny fifandraisan-davitra ao amin'ny firenena fa nakatona izany satria mandà hanaisotra ireo sioka sokajiana ho manaraby ny Islamo ny Twitter. Nampiroborobo fifaninanana tamin'ny Facebook ireo sioka mba handefa ny sarin'ilay Mpaminany Islamo Muhammad, hoy i Mohammad Yaseen, filohan'ny Fitantanana ny Fifandraisan-davitra...

Nofoanana Noho ny Fanafihana ny Lanonam-Panombohan'ny “Kosovo 2.0 Talks Sex”

  16 Desambra 2012

Nikasa ny hamoaka pirinty ny votoaty iray hafa ny Kosovo 2.0 ka Kosovo 2.0 Talks Sex no anarany ary nokasainy ny havoaka 14 Desambra teo izy io. Saingy indrisy moa fa fotoana fohy monja taorian'ny lanona-panombohana, dia nisy andian-dehilahy eo ho eo amin'ny 20 eo niditra tao amin'ny nanatontosana ny lanonana tao Pristina, nandrava ny sehtra ary nidaroka ny iray amin'ireo mpiasa. Nofoanana ny lanonana. Mitatitra i Elena Ignatova.

Mpitsara Saodiana: Bashar al-Assad Dia Vokatra Nateraky Ny Demaokrasia

Natao androany [15 Des 2012] ny fotoam-pitsaràna fanintsiviny an'ireo roalahy mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona Mohammad Al-Qahtani sy Abdullah Al-Hamid, ny iray amin'ireo raharaham-pitsaràna azon'ny rehetra atrehana ao Arabia Saodita natao tao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava ao Riyadh. Tamin'ny fifanatrehana farany, nanolotra ny fiarovantenany ireo voampanga, ary androany, nitondra fanazavana fanampiny misimisy kokoa ireo voampanga no sady nanontanian'ny mpitsara ihany koa

Ny Perla Avy Amin'ny Media Momba an'i Afrika

  16 Desambra 2012

Nisy ny fanatsotsorana momba an'i Afrika nifandrohy tamin'ny fanentanana #Kony2012 nataon'ilay ONG Invisible Children [Ankizy Tsy Hita]. Nisy fanentanana hafa natao avy eo ho fanitsiana ny kinendry. Efa tsy ampahafantarina intsony [en] ny fanombatombanan'ny fampahalalam-baovao momba an'i Afrika na dia efa nihena dia nihena aza ny fahadisoana tao anatin'ny taona vitsivitsy farany. Tsy mandehandeha fotsiny amin'izao...

Hatrany Ivelany Ny Fanoherana Ny Ampihimamban'ny Media ao Taiwan

  16 Desambra 2012

Rehefa nahazo ny 60%n'ny petrabolan'ny fantsom-pahitalavitra andoavam-bola faharoa lehibe indrindra ao amin'ny firenena tamin'ny volana jolay teo ilay orinasa fanaovan-gazety ao Taiwan Want Want China Times Group, dia mbola niitatra izany izy tamin'ny volana Novambra teo, raha nahazo ny 32%n'ny petrabolan'ny gazety be mpividy indrindra Apple Daily [zh], izay an'ny orinasa miorina...