Inona No Nitranga Nandritra Ny WCIT-12: Resadresaka Niarahana Tamin'i Beatriz Busaniche

Vao avy nifarana tao Dubai, ao Emirà Arabo Mitambatra ny Kaonferansa Momba Ny Fifandraisan-davitra Iraisam-pirenena (WCIT), fivoriana notohanan'ny Firenena Mikambana. Taorian'ny fifampiraharahana henjana nandritra ny roa herinandro, tsy nisy nipika ny ankamaroan'ny resaka tamin'izany, tsy nahita marimaritra iraisana ireo solontena tamin'ny volavolam-pifanarahana UIT (Firaisambe Iraisampirenena misahana ny Fifandraisan-davitra) , izay tohanan'i Rosia sy Shina, ka hanome vahana ny governemanta isan-toerana hifehy bebe kokoa ny aterineto.

Ny UIT, sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana no misahana ny fametrahana lasitra iombonana eo amin'ny arofenitry ny fifandraisan-davitra manerantany.

Niteraka adihevitra marobe ny kaonferansa teo amin'ireo mpiaro ny fahalalaham-pitenena amin'ny aterineto izay nanao antso ny amin'ny tokony handraisan'ny mpisehatra marobe anjara, ary niampanga ny UIT ho nanao fanahy iniana nanilikilika ny vondrom-piarahamonim-pirenena izy ireo.

Nahoana no nahaliana tanteraka tahaka izany ny kaonferansa? Inona no maha-zava-dehibe izany amin'ny hoavin'ny fikirakirana Aterineto?

Niresaka tamin'i Beatriz Busaniche, mpikambana ao amin'ny Fundacion Via Libre sy mpikambana mpanorina ny Wikimedia Arzantina izahay. Nanazava izay tena niadian-kevitra nandritra ny WCIT sy ny antony tokony hiambenan'ireo mpiserasera izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.