15 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 15 Desambra 2012

Inona No Nitranga Nandritra Ny WCIT-12: Resadresaka Niarahana Tamin'i Beatriz Busaniche

GV Mpisolovava  15 Desambra 2012

Vao avy nifarana tao Dubai, ao Emirà Arabo Mitambatra ny Kaonferansa Momba Ny Fifandraisan-davitra Iraisam-pirenena (WCIT), fivoriana notohanan'ny Firenena Mikambana. Taorian'ny fifampiraharahana henjana nandritra ny roa herinandro, tsy nisy nipika ny ankamaroan'ny resaka tamin'izany, tsy nahita marimaritra iraisana ireo solontena tamin'ny volavolam-pifanarahana UIT (Firaisambe Iraisampirenena misahana ny Fifandraisan-davitra) , izay tohanan'i Rosia sy Shina, ka hanome...

Lasan'i Afganistana Ny Amboaran'ny Firenena Mpanao Kolikoly Indrindra

  15 Desambra 2012

Afghanistan no heverina ho ny firenena faran'izay mpanao kolikoly indrindra eto an-tany tao anatin'ny fanadihadiana isan-taona nataon'ny mpanaramaso ny kolikoly eran-tany. Niteraka andianà famoriam-bahoaka hanoherana ny kolikoly nanerana ity firenena rotiky ny ady ity ny famoahana ilay fanadihadiana. Tao Bamyan, ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny fiarahamonina sivily ao amin'ny faritanin'i Bamyan (aka Bamiyan) dia nanolotra sary famantarana iray maneho ny filoha Afgana Hamid Karzai miaraka amin'ny 'Amboaran'ny Firenena Mpanao Kolikoly Indrindra'.

Andron'ny Zon'olombelona: Miaro Ny Fahalalam-pitenenana, Amin'ny Aterineto Sy Ivelan'ny Aterineto

GV Mpisolovava  15 Desambra 2012

Mankalaza ny Ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona (UDHR), izay nankatoavina tamin'ny 10 Desambra 1948 ny Andron'ny Zon'Olombelona [Human Rights Day]. Nanatontosa horonantsary momba ny zon'ny olona rehetra mba “hahatonga ny feon'izy ireo ho heno eny amin'ny fiainam-bahoaka sy ho tafiditra amin'ny fanapaha-kevitra ara-politika “ ny firenena Mikambana tamin'ity taona ity,” lohahevitra mifandraika...

Jackie Chan: “Lasa Tanànan'ny Fanoherana i Hong Kong”

  15 Desambra 2012

Niteraka hatezerana tao Hong Kong ilay mpilalao sarimihetsika sy kintan'ny haiady Kung Fu , Jackie Chan, taorian'ny nitenenany tanaty tafatafa iray hoe : “Lasa tanànan'ny fanoherana i Hong Kong, mibedibedy an'i Shina sy ireo mpitarika azy isika, mibedibedy mikasika izao zavatra rehetra izao isika ary te-hanohitra amin'izao zavatra rehetra izao."