GlobalVoices anaty

Ejipta: Graffiti Mameno ny Tambohon'ny Lapam-Panjakana iasan'ny Filoha

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Español · Egipto: Graffiti en los muros del palacio presidencial
বাংলা · মিশর: রাষ্ট্রপতির প্রাসাদ প্রাচীরে দেওয়াল লিখন
Ελληνικά · Αίγυπτος: Γκράφιτι στους τοίχους του προεδρικού παλατιού
عربي · مصر: جرافيتي على جدران القصر الجمهوري
русский · Египет: граффити на стенах президентского дворца
polski · Egipt: graffiti na murach pałacu prezydenckiego
Français · Egypte : Les graffitis du palais présidentiel
Aymara · Egipto: palacio presidencialan uyuchrantatar Graffiti qillqkatata
македонски · Египет: Графити на ѕидовите на претседателската палата
English · Egypt: Graffiti Over Presidential Palace Walls

Tahaka ny tsara kosoka indray ny fisainana revolisionera ao Ejipta, noho ny fandrobaham-pahefana nataon'ny filoha Mohammed Morsy - ilay fanapaha-keviny vao haingana manitatra ny fahefany. Niteraka hetsi-panoherana nanerana ny firenena ny fanapaha-kevitra, ary ny nalaza indrindra dia ny sit-in natao manodidina ny Lapam-Panjakana.

Ny mpaka sary Jonathan Rashad, izay navitrika tamin'ny fampiasana ny fakan-tsariny hanangonam-baovao tamin'ny hetsika lehibe hatry ny fanombohan'ny revolisiona ejipsiana, no nizare ireo sarina graffiti manaraka ireto izany milaza ny tantara ao amin'ny kaonty Flickr.

Indreto nofantenana:

Graffiti mampiseho ny filoha Morsi ho orita milomanao anaty ranomasin-drà. (CC BY-NC-SA 2.0)

‘miala, ondry’ manondro ny Filoha Morsi, milaza an-kolaka ny rebik'ondry fihetsiky ny Mpirahalahy Miozolomana. (CC BY-NC-SA 2.0)

graffiti over Egypt presidential palace walls

‘Mialà ry adala’
‘Tsy ara-drariny’ (CC BY-NC-SA 2.0)

Depiction of military police, accused of committing grave human rights violations against protesters during transition period in Egypt

Famotsipotserana ny polisy miaramila, voampanga ho manao fandikana goavana ny zon'olombelona tamin'ny fidarohana ny mpanao fihetsiketsehana nandritra ny vanim-potoanan'ny tetezamita ao Ejipta (CC BY-NC-SA 2.0)

Nisy nanafika ny sit-in teo anoloan'ny lapam-panjakana tamin'ny 5 desambra, izay niafara tamin'ny fahafatesana 6 sy ireo maro maratra. Nivoaka taty aoriana ny fijoroana vavolombelona nataon'ny  mpanao fihetsiketsehana anti-Morsi nampijaliana teo am-pelatanan'ny mpanohana an'i Morsi. Maro ny tamboho natsangana manodidiina ny lapam-panjakana hisorohana ny fanatonan'ny mpanao fihetsiketsehana. Tratran'ny graffiti an'ny artista koa ireny mazava ho azy.

'Your walls won't protect you from the revolutionaries'

‘Tsy maharo anao amin'ny revolisionera ny rindrinao’ (CC BY-NC-SA 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny