GlobalVoices anaty

Feon'ny Fahamendrehana – Vehivavy Nieren-doza Tamin'ny Ady Mitam-piadiana Tao Kolombia

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Magyar · Méltóság Hangjai - A kolumbiai fegyveres konfliktusok női túlélői
Español · Voces de Dignidad - Mujeres sobrevivientes del conflicto armado en Colombia
русский · "Голоса достоинства" о женщинах, пострадавших от военного конфликта в Колумбии
Italiano · Colombia: dare voce alle sopravvisute dei conflitti armati
Dansk · Voices of Dignity – Kvinder, der har overlevet Colombias væbnede konflikt
Aymara · Voces de Dignidad - Colombia markan jan walt’äwipan jan jiwir warminaka
বাংলা · মর্যাদার কণ্ঠ - কলম্বিয়ার সশস্ত্র সংঘাতে বেঁচে থাকা নারীরা
Français · "Des voix pour la dignité" : des femmes qui ont survécu aux conflits armés en Colombie témoignent
繁體中文 · 「為尊嚴發聲」:哥倫比亞內戰下女性生還者的故事
简体中文 · “为尊严发声”:哥伦比亚内战下女性生还者的故事
English · Voices of Dignity - Women Survivors of Colombia's Armed Conflict

Feon'ny Fahamendrehana, tetikasa marolafy karakarain'ny Ivon-toerana Iraisam-pirenena Ho Amin'ny Fitsarana Tetezamita (ICTJ), mizara ny tantaran'i Yoladis Zúñiga sy Petronila Mendoza, vehivavy Kolombiana roa nitsoaka ny trano fonenany taorian'ny famonoan'ireo milisy mitam-piadiana ny vadin'izy ireo sy ny fanafihana ny tanànany.

Tamin'ny faran'ny volana Novambra 2012 no navoaka ny tetikasa, ahitana raki-tsary telo sy lahatsary maharitra 22 minitra izay azo jerena manontolo amin'ny aterineto.

Marta Martinez, mpamokatra ny Feon'ny Fahamendrehana, namoaka lahatsoratra vahiny momba nyr Fijoroana Vavolombelona izay ao anatin'ny hetsika 16 Andro Hanoherana Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy, hoy izy nanazava

Nieren-doza tamin'ny fanafihana nataon'ireo milisy mitam-piadiana avy ao amin'ny antoko ankavanana tao amin'ny tanànany i Yoladis Zúñiga and Petronila Mendoza, naolan'izy ireo tamin'izany ny vehivavy sy ny tovovavy, nodoran'izy ireo ny trano fonenana ary maro ireo olona namoy ny ainy, anisan'izany ny vadin'izy ireo. Nandositra tany Baranquilla niaraka tamin'ny zanany ireto vehivavy, tanàna ao amin'ny morotsiraka Atlantika ao Kolombia, ka nanatevin-daharana ireo olona eo amin'ny efatra an-tapitrasany nifindra monina noho ny ady an-trano.

Yoladis Zúñiga

Yoladis Zúñiga. Sary avy amin'i Camilo Aldana ao amin'ny ICTJ, nahazoan-dalana.

Nanipika ny hafatra tian'ny Feon'ny Fahamendrehana hasongadina ihany koa i Marta:

Satria ao anatin'ny fanatanterahana dinika vaovao momba ny fandriampahalemana ny governemantan'i Kolombia miaraka amin'ireo Tafika avy amin'ny ankavia  Fuerzas Armadas Revolucionarias de Colombia (FARC), maro ny soso-kevitra mikasika ny vinavina ho amin'ny fandriampahalemana maharitra. Mampiseho mazava ny fikarohan'ny ICTJ sy ny zava-misy azo ampitahana fa tsy ho tratra ny fandriampahalemana maharitra raha tsy misy ny fiantohana ny fahamarinana, ny fandraisana andraikitra sy ny zon'ireo niharam-boina.

Tamin'ny fanambaran'i Maria Camila Moreno, lehiben'ny biraon'ny ICTJ ao Kolombia, “Tsy antontan'isa ireo niharam-boina. Olona nofo aman-drà izy ireo, manana fahamendrehana lehibe, ary manana ny fijeriny mazava amin'ireo dingana tokony horaisin'i Kolombia mba hamaliana ny zon'izy ireo hahazo onitra. ”

Petronila Mendoza

Petronila Mendoza. Sary avy amin'i Camilo Aldana tao amin'ny ICTJ, nahazoan-dalana.

Tamin'ny alalan'ny fijoroana vavolombelona manan-danja avy amin'i of Yoladis sy Petronila, manome jery todika momba ny fiainan'ireo niharam-boina tamin'ny ady mitam-piadiana tao Kolombia ny Feon'ny Fahamandrehana. Hoy ny lahatsoratra navoakan'ny ICT tamin'ny Feon'ny Fahamendrehana nanampy:

Amin'ny fitantarana ny nanjo an'i Yoladis sy Petronila, nandrava ny fitsarana an-tendrony mahazo ireo vehivavy niharam-boina tamin'ny ady izay lazaina fa mpiantsehatra nandalo fotsiny tao amin'ny fiarahamonina ny Feon'ny Fahamendrehana. Ho solon'izany, nampiseho azy ireo ho toy ny mpandray anjara sy mpitarika mavitrika ho an'ireo fianakaviany sy ny fiarahamoniny izany, tsy niharam-boina izy ireo fa mahery fo.

Nanambara i Marta fa ny tanjona amin'ity tetikasa marolafy ity dia ny “hanamafy ny zo fototr'ireo niharam-boina tao Kolombia sy ny sisa hafa: zo ho amin'ny marina, ny fahalalana ary hiarina [onitra].”

Misy amin'ny teny Espaniola [es] ihany koa ny Feon'ny Fahamendrehana ary amin'ny teny Arabika atsy ho atsy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny