GlobalVoices anaty

14/12/2012

Tahiry isan'andro · 6 Lahatsoratra

Tantara tamin'ny 14/12/2012

Fanentanana #Nimeregister Hampiroboroboana Ny fisoratana Anarana Hifidy Ao Kenya

Tohin'ny lahatsoratra

Mampiasa ny tenifahatra #nimeregister ny keniana ao amin'ny Twitter handrisihana ny hafa hifidy sy hizara ny fampahafantarana ny fisoratana anarana, zava-niainana ary ny sary. Nimeregister dia fitambaran'ny teny Swahili sy anglisy (Sheng) izay midika hoe "nisoratra anarana aho."

Thailand: Nahoana No Nandamoaka Ny Hetsi-panoheran'ny Pitak Siam

Tohin'ny lahatsoratra

Ny Pitak Siam (Arovy i Thailand), vondrona manohitra ny governemanta, dia nivoady ny hanetsika olona iray tapitrisa ho eny an-dalamben'i Bangkok tamin'ny 24 Novambra teo, saingy tsy nahavita namory afa-tsy 20.000. Samy nanoratra momba ilay tsy fahombiazan'ny Pitak Siam daholo ireo bilaogera, mpanao gazety sy ny eny amin'ny anjerimanontolo, ary ny fiantraka ara-politikan'ilay hetsi-panoherana.

Global Voices Sy Ny Herin'ny Isika

Tohin'ny lahatsoratra

Efa mba voaeritreritrao ve ianao hoe ahoana ny ataonay ato amin'ny Global Voices? Ity ary aseho anao ny ambadiky ny sehatra amin'ny fomba fanangonan'ny mpikambana maherin'ny 700 tantara ao amin'ity fikambanana...

Video Lahatsoratra
Ndeha Hitafa Amin'i Janet Gunter – Mpandray Anjara Amin'ny Global Voices

Tohin'ny lahatsoratra

Nitafatafa tamin'i Janet Gunter mpandray anjara ato amin'ny GV sady mpitety izao tontolo izao i Juan Arellano, mpamoaka lahatroratry ny Global Voices amin'ny teny Espaniôla, mikasika ny asany ato anatin'ny vondrompiarahamoninay sy ireo tetikasany samihafa.

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Feon'ny Fahamendrehana – Vehivavy Nieren-doza Tamin'ny Ady Mitam-piadiana Tao Kolombia

Tohin'ny lahatsoratra

Feon'ny Fahamendrehana, tetikasa marolafy karakarain'ny Ivon-toerana Iraisam-pirenena Ho Amin'ny Fitsarana Tetezamita (ICTJ), mizara ny tantaran'i Yoladis Zúñiga sy Petronila Mendoza, vehivavy Kolombiana roa nitsoaka ny trano fonenany taorian'ny famonoan'ireo milisy mitam-piadiana ny...

Sary Lahatsoratra
Ejipta: Graffiti Mameno ny Tambohon'ny Lapam-Panjakana iasan'ny Filoha

Tohin'ny lahatsoratra

Tahaka ny tsara kosoka indray ny fisainana revolisionera ao Ejipta, noho ny fandrobaham-pahefana nataon'ny filoha Mohammed Morsy - ilay fanapaha-keviny vao haingana manitatra ny fahefany. Niteraka hetsi-panoherana nanerana ny firenena ny fanapaha-kevitra, ary...

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny