13 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 13 Desambra 2012

Manampahefana Shinoa Tratra An-Tsary Nanao Firaisana Ara-Nofo Sy Ny Ady Amin'ny Kolikoly

  13 Desambra 2012

Ny ady amin'ny kolikoly no lasa fandaharan'asa fototra ho an'ny Antoko Komonista Shinoa hatramin'ny nanatanterahana ny Kongresy Nasionaly faha-18. Nampitandrina [zh] ny mpikambana kongresin'ny antoko komonista [CCP] shinoa rehetra nandritra ny fivoriana voalohan'ny Komity Foibe ny Sekretera Voalohan'ny CCP voafidy Xi Jinping fa raha mbola mitohy ny olana momba ny kolikoly...

Mandrehitra Ny Resaka Momba Ny Fanavakavahana Ny Raharaha “Kuku” Any Portiogaly

  13 Desambra 2012

Nandrehitra ny resaka fanavakavahana sy ireo vondrom-piarahamonina atao an-jorom-bala any Portiogaly ny fanambaràna famotsorana ho anà polisy portiogey iray namono nahafaty an'i Kuku, ankizilahy kely, 14 taona, tao amin'ny tànana iray be mponina ao Grand Lisbonne tamin'ny 2009, niteraka fanehoankevitra maro samihafa nanakiana ny fitsaràna portiogey tety anaty tambajotr sosialy.

Fiarovana Ireo Anaovana Tsongo Dia Ao Japana

  13 Desambra 2012

Nivory ireo vondrona miiasa sivy ambi-efapolo izay manao fanentanana hanafoanana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ary nanao fanambarana miaraka [ja] izy ireo tamin'ny 19 Novambra 2012, miantso ny amin'ny tokony handraisana fepetra hentitra hanampiana ireo iharan'ny herisetra sy hisorohana ny famonoan-tena ataon'ny mpitsongo dia [na mpitsongo dia]. Natao ny fanambarana taorian'ny loza niseho tamin'ny...

Mitatra Any Amin'ny Fanorenana Tranobe Raitra Ho An'ny Governemanta Ny ‘Aretin'ny Figalabonana’ Ao Shina

  13 Desambra 2012

Tsy zava-baovao ao Shina ny tranobe mirentirentin'ny governemanta, kanefa kosa, tsy misy azo ampitahaina amin'ny tranobe vaovaon'ny governemanta ao Jinan, renivohitry ny fairtany atsinanan'i Shina, Shandong. Araka ireo tatitry ny mpilaza vaovao [zh], ny "Long Ao building" dia mitentina 4 lavitrisa RMB (640 tapitrisa dola amerikana), ary ny lehibe indrindra sy lafovidy indrindra amin'ireo tranon'ny governemant any Shina, faharoa amin'ny habeny erantany, faharoa manaraka ny Pentagon amin'ny habe