- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: oram-baratra tany Riyad nitarika lozam-pifamoivoizana 712

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
Riyadh Rain [1]

oram-baratra any Riyadh izay mampatsiahy toetrandro any Parisy. Saripika nozarain'i @mohammed919 [1] tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera (na twitter)


Oram-baratra ny tany Riyadh renivohitry Arabia Saodita omaly [29 Novambra 2012]. Atoa Mohamed AlJuaid no nipika sary sady nizara azy tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera (na twitter) [ar]:

أجواء الرياض باريسيه …. #أمطار_الرياض #الرياض

@mohammed919 [1]: toetrandro toy ny any Parisy ny aty Riyadh androany.

Taty aoriana amin'ny hafatra matromatroka kosa i @amasq no nampita fa [ar]:

#أمطار_الرياض : فقد شخصين ودهس ثلاثة آخرين، وإصابة ثماني حالات، ووقوع 712 حادثة مرورية هذي حرب عالميه ماصارت امطار

@amasq [2]: Olona roa no tsy mbola hita izay nalehany; telo ireo voahitsaky ny fiarakodia; valo naratra ary miisa 712 ireo lozam-pifamoivoizana. Tsy oram-baratra intsony ity fa tena efa ady lehibe mihintsy (na “guerre mondial”).