Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Arabia Saodita: oram-baratra tany Riyad nitarika lozam-pifamoivoizana 712

Riyadh Rain

oram-baratra any Riyadh izay mampatsiahy toetrandro any Parisy. Saripika nozarain'i @mohammed919 tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera (na twitter)


Oram-baratra ny tany Riyadh renivohitry Arabia Saodita omaly [29 Novambra 2012]. Atoa Mohamed AlJuaid no nipika sary sady nizara azy tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera (na twitter) [ar]:

أجواء الرياض باريسيه …. #أمطار_الرياض #الرياض

@mohammed919: toetrandro toy ny any Parisy ny aty Riyadh androany.

Taty aoriana amin'ny hafatra matromatroka kosa i @amasq no nampita fa [ar]:

#أمطار_الرياض : فقد شخصين ودهس ثلاثة آخرين، وإصابة ثماني حالات، ووقوع 712 حادثة مرورية هذي حرب عالميه ماصارت امطار

@amasq: Olona roa no tsy mbola hita izay nalehany; telo ireo voahitsaky ny fiarakodia; valo naratra ary miisa 712 ireo lozam-pifamoivoizana. Tsy oram-baratra intsony ity fa tena efa ady lehibe mihintsy (na “guerre mondial”).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.