Mankatò Ny Fampiasa Facebook Kostarikana Ny Loka Access Innovation 2012

Nanambara ireo nandresy tamin'ny fifaninanana ahazoana ny lokam-panavaozana ny teknolojia hotontosaina isan-taona voalohany, tamin'ny 10 Desambra 2012 lasa teo, ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Access.org. Ny fifaninanana dia natao hamoriana fandraisana an-tanana mampiasa ny serasera sy ny teknolojia fifandraisan-davitra entina hamahavahana ny olan-dehibe any amin'ny fiaraha-monina misy azy.

Nozaraina ho sokajy dimy ny fifaninanana, ary ankoatra ny fandraisana loka vola dia tafiditra ho anisan'ny mpiara-miasa amin'ny Access ihany koa ny nahazo ny loka.

Nahazo fampiasa an-jatony avy amin'ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ny fifaninanana, araka ny azavain'ny mpikarakara:

Across the five categories, we received over 300 applications from 66 countries, and finalist projects stood out for their impact, likelihood, innovation, and measurability.

Access Innovation Prize 2012

Ao anatin'ny sokajy dimy, naharay fampiasa mihoatra ny 300 avy amin'ny firenena 66 izahay, ary nosafidiana ireo tafita any amin'ny dingana famaranana noho ny fiantraikany, ny mampiavaka azy, fanavaozana nentiny ary ny fahafaha-mandrefy ny vitany .   

Nambara ho anisan'ny nandresy avy amin'ny fananany ny sehatra an-tserasera FueraJustoOrozco.com [es] (“ivelan'ny Justo Orozco“) ny sampan-draharaham-panaovana dokambarotra nomerika KostaRikana BigWebNoise, loka iarahany mizara amin'ny telo hafa tafita tamin'ny dingana famaranana ao amin'ny sokajy ‘Access/Facebook’.

Milazalaza ny momba ilay fampiasa ao amin'ny  blaogin'ny Access ny BigWebNoise:

In June 2012, an ultraconservative congressman in Costa Rica became president of an internal entity created to defend Human Rights. His votes subsequently vetoed draft bills that were key for the establishment of civil rights. At BigWebNoise, a digital advertising agency, we developed an online Facebook-integrated app- FueraJustoOrozco.com- in order to channel the population´s widespread backlash against the congressman. In only two weeks, fifteen thousand people “put their faces” to demand his resignation… nearly the same amount of votes that put him in Congress in the first place. We intend to turn FueraJustoOrozco.com into an easily customizable and intuitive open-source application; one that can be replicated, used freely and for free by organizations and social movements in support of causes that require mobilization, peaceful protesting and visibility anywhere in the world.

Tamin'ny jona 2012, lasa filohan'ny vondrona najoro hiaro ny zon'olombelona ny depiote iray fatra-panaja ny mahazatra ao Costa Rica. Ny latsabato nataony no tahaka ny tsy azo nivalozana tamin'ny fanakanana ny volavolan-dalàna fametrahana ny zon'olom-pirenena. Nandrafitra fampiasa hiseraserana Facebook (amin'ny finday) – FueraJustoOrozco.com- izahay ato amin'ny BigWebNoise, sampan-draharaha misahana ny doka nomerika, mba amoahana ny valy fingika fingakan'ny olona hanoherana ilay mpikambana ao amin'ny kongresy. T1ao anatin'ny tapa-bolana monja dia olona 15000 no “nametraka ny sarintavany” hitaky ny fialany… manakaiky ny isam-bato nametraka azy ho laharana voalohany tao amin'ny kongresy.  Tianay ny hamadika ny FueraJustoOrozco.com ho fampiasa open-source mora kirakiraina; azo hamaroina, ampiasain'ny fikambanana sy fikambanana sosialy maimaipoana sy malalaka ho fanohanana fitakiana mila fanetsiketsehana fanoherana milamina hitan'ny rehetra mnerana izao tontolo izao.    

Nanaraka ny fizotry ny lanonana fanomezan-doka tamin'ny alalan'ny Twitter ny mpiserasera manerantany. Tahaka izany ohatra i Andrew Rasiej (@Rasiej), izay nisioka avy ao New York:

@Rasiej: At the #techprize12 [event] organized by @accessnow I am struck by how many great new faces are joining battle for #HumanRights online

Tao amin'ny [lanonan'ny] #techprize12 nokarakarain'ny @accessnow tena zendana tamin'ny endrika vaovao maro miditra hitolona ho amin'ny zon'olombelona an-tserasera aho

Nilaza ny fihetseham-pony tamin'ny alalan'ity sioka ity ihany koa Neal Ungerleider (@nealunger):

@nealunger: Just stopped by @accessnow #TechPrize12. So many good tech-4-human-rights projects being worked on

Nokitihan'i @accessnow #TechPrize12 hijanona. Maro dia maro tokoa ny laminasa tsaran'ny teknolojia hiaro ny zon'olombelona ho ampiasaina

Azonao jerena ny sioka hafa momba ny lanonam-panomezan-doka sy ireo mpandresy isan-karazany isan-tsokajy amin'ny fampiasana ny tenifahatra #TechPrize12 sy ao amin'ny kaonty Twitter @accessnow.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.