Arabia Saodita : Fitokonan'ny Daholobe Tsy Hihinan-kanina Ho Fanohanana Mpikatroka Mafàna Fo Mifonja

Nahasarika betsaka ny saina teo amin'ny tontolon'ny bitsika Saodiana i  Mohammad al-Bajady, Saodiana mpikatroka mafàna afo amin'ny resaka Zo'olombelona tato anatin'ny herinandro vitsy lasa. Al-Bajady dia iray isan'ny niara-nanorina ny Saudi Civil and Political Rights Association (ACPRA) Fikambanana Saodiana Sivily sy Politika Miaro  ny Zo ary voatàna izy hatramin'ny  21 Martsa 2011, taorian'ny nandraisany anjara taminà hetsi-panoherana iray nitakana ny hampitsaharana ny fisambontsamborana tsy an-drarinyteo anoloan'ny tranoben'ny Ministeran'ny Atitany ao Ryiadh. Notsaraina tamin'ny fomba miafina izy ary nohelohina hifonja efatra taona tamin'ny Aprily lasa teo.

Ny 14 Novambra, namoaka ity fanambaràna manaraka ity [ar] ny ACPRA:

في آخر اتصال هاتفي للناشط الحقوقي محمد بن صالح البجادي على زوجته، في تاريخ 3 ذو القعدة 1433هـ، الموافق 19 سبتمبر 2012م، أخبرها أنه سيضرب عن الطعام فور انهاءه للمكالمة احتجاجا على سوء معاملته، ثم وردت أنباء عن نقله بعد ذلك إلى زنزانة انفرادية وعزله عن العالم الخارجي، ومنذ تاريخ اعلانه للإضراب عن الطعام لم يرد منه أي اتصال هاتفي

Tao anatin'ny antso an-telefôna farany avy amin'ilay mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona Mohammad al-Bajady, tamin'ny 19 Septambra 2012, dia niteny tamin'ny vadiny izy fa mety hanomboka fitokonana tsy hihinan-kanina avy hatrany taorian'ilay antsony, mba ho fanoherany ny fomba fitondra tsy zarizary atao azy. Ny loharanom-baovaonany no nilata taminay fa nafindra ho aminà toerana mitoka izy. Hatramin'ny nanambaràny ny hitokonany tsy hihinan-kanina, tsy nisy intsony antso an-telefôna voaray avy aminy.

Omaly 9 Desambra, @freealbjadi nilaza ny fitokonana faoben'ny olona tsy hihinan-kanina  ho fanohanana an'i al-Bajady ny andron'ny 10 Desambra, izay manamarika ny Andro Iraisampirenena Ho an'ny Zon'Olombelona:

عش تجربة البجادي في السجن وأعلن اضرابك غدا عن الطعام…

@freealbjadi: Iaino izay atrehan'i al-Bajady any am-ponja ary ambarao ny fitokonana tsy hihinan-kanina rahampitso (10 Des).

Fangon'ny fanentanana “Vonjeo i al-Bajady”

Endrika am-polony tamin'ireo mpandàla fiovàna no nananmbara fa handray anjara amin'ilay fitokonana faobe tsy hihinan-kanina ary hampiasa ny tenifototra#سأشارك_غدا_بالإضراب_عن_الطعام_تضامنا_مع_إضراب_البجادي (Handray anjara amin'ny fitokonana faobe tsy hihinan-kanina aho ho fanohanana an'i  al-Bajady), isan'izany ilay mpikatroka mafàna fo Mohammad al-QahtaniMatrook al-Faleh, gadra politika fahiny ary ilay bilaogera malaza Fouad al-Farhan ankoatra ireo olona hafa maherin'ny 200, raha toa ilay fitokonana faobe tsy hihinan-kanina natoa hanohanana an'i  al-Bajady tamin'ny volana Martsa, tsy nahazo afa-tsy mpandray anjara 38 monja.  Nahatonga ireo mpikatroka mafàna fo hanambara fahombiaza io.

Amin'ny fandraràna hentitra ny fihetsiketsehana rehetra, manentana ny vahoaka haneho amin'y fomba vaovao ny tsy hafaliany i Arabia Saodita, izay matetika  no ny tanora no miketrika azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.