Mamy Manaikitra Ny Sioka Ho an'ny Depiote Kyrgyz Malaza

Nanipy adihevitra ilay solombavambahoaka Kyrgyzy tao Kyrgyzstan, mikasika ny hoe: rehefa inona ny mpanao gazety no afaka manatsonga sioka amin'ny Twitter ho halefany vaovao na tsia. Nivinitra i Shirin Aimatova, mpikambana ao amin'ny Antoko Ata-Meken amin'izao fotoana izao raha namoaka ny siokany nandritra ny olan'ny antenimiera farany teo ny bilaogim-baovao ao an-toerana sy ny vavahadim-baovao Kloop.kg. Nanambara i Aitmatova fa nampiasaina tsy nahazoan-dalana ny siokany ary nalaina tao amin'ny kaontiny “manokana” ary ankehitriny niato ny kaonty Twitter @thelostroom.

Shirin Aitmatova, solombavambahoakan'i Kyrgyzstan. Nahazoan-dalana avy aminy ny famoahana ny sariny.

Fanta-daza amin'ny fandefasana sioka maro mivantana avy ao amin'ny antenimiera i Aitmatova, saingy toa mifantina ireo izay afaka sy tsy afaka mizara ny siokany kosa izy. Olona maherin'ny 1.200 no mpanaraka ny kaonty “tsy ofisialy” sy “manokana” an'i  Aitmatova, mbola tsy nihaona taminy mivantana avokoa ny sasany tamin'ireo mpanaraka azy. Amin'izany indrindra, mikasika ny mety ho firodanan'ny governemanta atsy ho atsy ao amin'ny firenena ireo siokany.

Namaly [ru] ny fitarainan'i Shirin Aitmatova tamin'ny valinteny ofisialy ny ekipa mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny kloop.kg. Nilaza ny valintenin'ilay mpanoratra Bektour Iskender, fa toy ny mpanao politika Kyrgyzy rehetra i Shirin Aitmatova, ka azo sokajiana ho olo-malaza. Vokatr'izany, azo raisina ho toy ny mahasoa ny vahoaka ireo vaovao avoakany amin'ny alalan'ny kaonty twitter-ny, indrindra raha mahakasika ny fiainam-pirenena izany fa tsy ny fiainany manokana. Iskender nanasongadina hoe [ru]:

Интернет — это всего лишь новая плоскость в коммуникациях, и правила и законы в нём остаются такими же, как в оффлайновом мире.

Sehatry ny fifandraisana amin'ny endriny vaovao ny Aterineto, mitovy amin'ny fifandraisana ivelan'ny tsy misy serasera “offline” ihany ny fitsipika sy ny lalàna amin'izany.

“Famakian-trano’

Fantatry ny mpiserasera Kyrgyzy anefa ny fifandirana misy eo amin'ity fampahalalam-baovao malaza ity sy ilay solombavambahoaka mamim-bahoaka tao amin'ny aterineto. Nizara roa ny hevitry ny olona, somary mifamaly momba ny fihenjanana eo amin'ny andraikitry ny mpanao gazety amin'ny tombotsoam-pirenena sy ny zon'ny olo-malaza amin'ny fanajana ny fiainany manokana.

Mpaneho hevitra iray, J.S., nanao fampitahana masiatsika [ru] ny fihetsiky ny Kloop amin'ny famakian-trano.

Публикация Kloop — вульгарное вторжение в частную жизнь, а предложение редакции к открытию дискуссии по своему проступку — равносильно поиску оправдания кражи вещи из дома, в который вы были вхожи, как гость.

Fitsabahana fahatany amin'ny fiainan'olona manokana ny famoahana ampahibemaso nataon'ny Kloop, ary toy ny fikasana te-hanamarintena fotsiny noho ny fangalaran-javatra tao an-trano nivahiniananao ny antso atao amin'ny fisokafan'ny adihevitra.

Tsy niombo-kevitra [ru] tamin'izany anefa i Reclaim Specialist  :

Правильно, если написали то дело журналиста опубликовать это

Marina izany, raha nisy zavatra nosoratana, andraikitry ny mpanao gazety no mamoaka izany.

Erica Marat, mpandalina politika ao Kyrgyztan sy manam-pahaizana momba ny olana aram-piarovana ao Azia Afovoana  nanao antso [ru] tao amin'ny Twitter mba handanjalanja ny tati-baovao havoaka:

Мне кажется, что Клооп переборщил с твиттером Айтматовой. Хорошая журналистика не может строиться только на твитах закрытого аккаунта.

Hitako fa tafahoatra ny ataon'ny Kloop manoloana ny twitter an'i Aitmatova. Tsy tokony hifototra amin'ny sioka aminà kaonty tokana mikatona ny tena asa fanaovan-gazety.

Amin'ny zava-mitranga, ahitana zavatra tafahoatra fa tsy ny siokan'i Aitmatova ihany ny fitantarana nataon'ny Kloop momba ny firodanan'ny fitondrana atsy ho atsy. Kanefa ny ampitso, mbola nitohy niteraka adihevitra be ny momba ny asa fanaovan-gazety amin'ny Twitter, tsy mahagaga, nahitana vinavina mahaliana amin'ny teny anglisy avy amin'i @linarzairov , @bektour sy @skyblue_kate tao amin'ny Twitter.

Ivelan'ny Twitter

Ary tamin'ny 5 Desambra, raha mbola liana ireo mpiserasera marobe,  nofafan'i [ru] Aitmatova ny kaonty Twitter-ny, nilaza izy fa “leo” ny tolotra fibilaogevana bitika, tsy namela intsony ireo mpiserasera Kyrgyzy hanaraka vaovao mivantana avy ao amin'ny antenimiera.

Na dia izany aza, na dia sokajiana ho solombavam-bahoaka mivantambata-piteny, mpiaro ny zon'ny ankizy sy zanaka vavin'ilay mpanoratra malaza indrindra ao Kyrgyzstan aza i Aitmatova , tsy dia malaza loatra amin'ny fahaiza-maneho hevitra izy. Tamin'ny 29 Novambra, ohatra, @azat25 nizara [ru] ny siokany momba ny fanapaha-keviny handao ny antokony ao amin'ny antenimiera Ata-Meken:

вчера я поняла, что несмотря на мое уважение и фанатизм к персоне Текебаева, я не могу оставаться во фракции

Omaly, mazava tamiko fa na dia teo aza ny fanajako sy ny fitiavako tafahoatra an'i [lehiben'antoko] Tekebayev, Tsy afaka mijanona ao amin'ny antoko aho [Ata-Meken].

Ny ampitso, nanambara [ru] i Aitmatova: “lasa aloha loatra ny fanambarako ny fialako ao amin'ny antoko”.

Manantena ny mpiserasera fa hiverina tsy ho ela ao amin'ny Twitter-ny izy. Lazat Takyrbashova, ohatra, iray amin'ireo mpiserasera maro nanoro-hevitra [ru] fa ny fiankinan-doha amin'ny tambajotra sosialy no hampiverina azy amin'ny Twitter.

тож думаю, скоро вернется. Долго не сможет…

Mino aho fa hiverina tsy hoe ela izy. Tsy haharitra ela izy…

Anisan'ny Tetikasam-piofanana an'ny GV Azia Afovoany ao amin'ny Oniversite Amerikana ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.