Ravan'i Pablo Tafio-drivomahery Tropikaly Mahery Ny Tapany Atsimon'i Filipina

Namela marikanà faharavana ny rivodoza tropikaly Pablo (anarana iraisam-pirenena: Bopha) tany amin'ireo faritra samihafa any amin'ireo nosy any atsimon'i Filipina,  Mindanao, Leyte, Cebu, ary Negros taorian'ny nidirany ny firenena ny 4 Desambra lasa teo. Pablo no rivodoza mafy indrindra nandona an'i Mindanao, namela  faharavàna izay nifaninana tamin'ilay loza goavana nateraky ny Rivomahery Sendong tany amin'io nosy io izay mbola Desambra ihany koa tamin'ny taona lasa. Amin'izao fotoana izao (10/12/2012) dia an-jatony kilometatra miala ny morontsiraky ny nosy Palawan i Pablo ary manohy misintaka ny firenena. Tahaka ny nitranga ny 7 Desambra, namela maty tsy latsaky ny 418 , maratra 445 ary olona tsy hita 383 ny Pablo.

Voakapoka mafy tamin'ireo rivomahery, orana mikija, tany mihotsaka sy tondradrano ireo mpamboly mahantra tamin'ny làlana nodiavin'ilay rivomahery Pablo, izay very fonenana sy fidiram-bola. Ireo faritanin'i Surigao del Sur, Davao Tatsinanana sy ny lohasahan'i Compostela any Mindanao no tena voa mafy tamin'izany. Tany amin'ny tanànan'i New Bataan, mponina 101 no maty rehefa nitondra rano sy fotaka nisosa avy amin'ireo tendrombohitra mitanjaky ny lohasahan'i Compostela i Pablo .

Tahaka ny tamin'ireo loza voajanahary tato ho ato sahala amin'ny Sendong, maro ireo manipy ny tsiny noho ny fiakaran'ny fiharatsian'ny fahasimbana naterak'ireo loza voajanahary ho any amin'ny tsy fahombiazana mitohitohin'ny governemanta Filipiana amin'ny fampiatoana ny fanimbana ny tontolo iainana ataon'ireo orinasa avy any ivelany mpitrandraka harena an-kibon'ny tany , ireo mpitrandraka ala, sy ireo mpiara-miasa ara-barotra amin-dry zareo avy ao an-toerana. Milaza ny Bilaogin'ny Quierosaber:

Mampivanaka tokoa ny fitovian'ny vokatr'ireo rivomahery Sendong tamin'ny 2011 sy Pablo tamin'ny 2012. Noho ny tondradrano sy fihotsahan'ny tany naterak'ireo orana mikija nandritra ny ora maro ny ankamaroan'ireo fahafatesana…

mbola tsy nahita ny sarin'ireo faharavàna naterak'ireo ala miboridana noho ny fanapahan-kazo tsy ara-dalàna ve isika? Inona no azon'ny olona tenenina momba ireo fanapahan-kazo tsy hita isa sy amin'ny endriny ary habeany maro milatsaka any anaty ony sy ranon-trambo mandritra ireo orana mikija ka mandrava izay rehetra tojo ny làlany? Inona no azontsika ambara momba ireo sarinà foto-kazo tavela eny an-tampon'ireo tendrombohitra izay nikorotsahan'ireo vatan-kazo  noho ny rotsak'orana nikija?

Mandritra izay fotoana izay ihany, lasa zava-miseho mahazatra ny fampiasàna ny media sosialy vaovao mba hanaraha-maso ny fiantraikan'ilay rivomahery sy handrindràna ireo ezaka vonjy aina sy ny fanampiana ho an'ireo tra-boina. Nametaka ny loharanon'ireo sarintany mikasika ilay rivomahery hita tao anaty aterineto i 4253.

Nanao ezaka hanangonana ireo bitsika manan-danja momba ny Rivomahery Pablo ny Firenena Mikambana ho fanohanana ireo ezaka atao manoloana ny loza. Tafiditra anatin'izany ny famantarana ireo sary sy lahatsary nozaraina tanatin'ireny bitsika ireny, sy ny famantarana ny toerana niaviany, ny ora, ary ny fanasokajiana ny voalazany.

Ho fanampiana amin'ny fanenàna ny fiantraikan'ireo loza, nampahafantatra Ny Volavolan-dalàna 5660 na ny Lalàna mikasika ny Fanairana amin'ny alàlan'ny Finday ilay mpanao lalàna, Teddy Casino. Raha voapetraka izany lalàna izany, dia hodidiana  ireo orinasa mpamokatra finday hanome fanairana amin'ny alalan'ny simaiso maimaim-poana ho an'ireo mponina any amin'ireo faritra voadonan'ny loza voajanahary.

Ireto misy sary sy bitsika vitsivitsy hafa mikasika ny Rivomahery  Pablo:

A damaged bridge in Caraga region

Tetezana iray simba any amin'ny faritr'i Caraga. Sary avy amin'i @itsmecelinee

evacuation in mindanao

Olona 40.000 no nifindra ho any amin'ireo toby fialofana any Mindanao. Sary an'i @robertolaprade

Strong winds batter Negros Island

Namely ny Nosin'i Negros ny Rivomahery. Sary an'i @bbeejjee

Impact of the storm in Compostela Valley

Fiantraikan'ny tafio-drivo-mahery tany amin'ny Lohasahan'i Compostela. Sary an'i Len Marcelo Jingco navoaka tao amin'ny pejy Facebookin'i Maayong Buntag Mindanao

Ireto misy fihetseham-po vitsivitsy tao amin'ny twitter mikasika ilay tafio-drivomahery :

@natashya_g: Tsy mbola nahita tahaka ireo zava-nitranga tany ComVal aho hatramin'izay nahitako masoandro. Tsy mbola. Vata-mangatsika eny ambonin'ireo hazo, tranobe mirodana. Mahonena.

@iamsuperbianca: Mivavaka ho an'ireo niharam-boina tamin'ny #PabloPH mba hampafana azy ireo, hahamaina, ho velon'aina soa aman-tsara, sy ho salama amin'izao alina izao.

@venzie: Sa mga kababayang binayo ng trahedya at pagsubok, nawa'y maging kalinga ng pagdadamayan at sama-samang pagkilos! Mahigpit na yakap po!

@venzie:Ho an'ireo olom-pirenena rehetra niharan'ity loza sy fitsapana ity, enga anie ireo firaisan-kina sy hetsika iraisana hitondra fialofana ho anareo! Fihina mamibe!

Afaka arahana amin'ny alalan'ny tenifototra #PabloPH ireo vaovao farany sy fampahalalana manan-danja mikasika ny Rivomahery Pablo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.