- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila Manao Veloma Farany An'i Niemeyer, Revolisioneran'ny Maritrano Maoderina

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

[Ny rohy rehetra dia mankany amin'y pejy miteny Portioge rehefa tsy misy fanamarihana.]

Tsaroana voalohany indrindra amin'ny maha-mpahay maritrano azy nandrafitra ny endriky ny renivohitr”i Brezila, Brasilia [1] [en], ary tamin'ny fijoroany tamin'ny idealy kaomionista nandritra ny fiainany manontolo, nodimandry i Oscar Niemeyer [2] [en] ny alin'ny 5 Desambra taorian'ny aretin'ny taova fisefoana nahazo azy. 104 taona izy izay lasa izay.

Nomem-boninahitra taorian'ny nahafatesany, tany anaty gazety maro nanerana ny tany [3], ho ny lehilahy nampivoatra ny maritrano maoderina tamin'ny nampidirany ny endrika mibiloka sy mahavariana amin'ireo asa fananganana sy fanorenan-trano taminà tetikasam-panorenana an-jatony nampiasàna maritrano [4] tao Brezila sy tany ivelany. Tamin'ny faha-100 taonany, ny 15 Desambra 2007, ny Global Voices dia nanao jeritodika [5] [en] ny sasany tamin'ireo asa fanorenany isan'ny niavaka teo amin'ny androm-piainany.

Oscar Niemeyer

Oscar Niemeyer tao amin'ny bilaogy ofisialin'ny governemanta Breziliana, eo ambanin'ny lisansa Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0).

Fa ny toa nanosika fatratra ireny fanomezam-boninahitra marobe ireny dia ny hafanam-pon'i Niemeyer, tsy hoe fotsiny niarovany ny asa famoronany, fa koa ny kaominisma, niaraka tamin'ny fomba fijeriny ny tontolo mpandàla ny maha-olona – tsy mino ny fisian'Andriamanitra. Tsy mora foana akory ny  fijoroany tamin'ny fomba fijeriny, indrindra fa izy dia nahita maso ny fiovàna goavan'ny taonjato faha-20 teo amin'ny fiainany, toy ireo ady lehibe roa, ny fitondràna jadona miaramila tao Brezila ary ny Ady Mangatsiaka. Novidiany lafo ny fomba fisainany; tsy nomena fahazoan-dàlana ho any Etazonia izy ary nanapa-kevitra ny hifindra monina ho any Eoropa noho ny zara raha fisianà tolotr'asa ho azy tao Brezila teo ambany fitantànana miaramila.

Tsy dia nisy lanjany ho an'i Niemeyer ny asa miroborobo fotsiny, izy izay nino fa “zava-dehibe kokoa noho ny fahaizana maritrano ny fahavononana hanao hetsi-panoherana sy midina an-dalambe,”  izay nambàrany tao anaty fanadihadiana iray “A vida é um sopro [6]” (Fofon'aina tokana ny Aina, 2007), teo ambany fitantànan'i Fabiano Maciel :

NY fahelàna velona nanànan'i Niemeyer koa dia zavatra izay niraikitra tao an-tsain'ny vahoaka. Ny tumblr [7] “Coisas mais novas que Oscar Niemeyer” [Zavatra Tanora Kokoa Noho i Oscar Niemeyer”] dia manome lisitr'ireo zavatra fampiasa isanandro voaforona taorian'ny nahaterahan'ilay mpahay maritrano tao Rio de Janeiro tamin'ny 1907. Omaly, ho fanamarihana ny andro nahafatesany, namoaka [8] iray tamin'ireo maritrano nataon'i Niemeyer ilay bilaogy, narahan'ny fehezanteny hoe  “Ary ankehitriny ny sisa ananantsika dia ny hoavy.”

Hita teny anaty tambajotra sosialy ihany koa i Niemeyer teo ambany anarana sandoka [9] izay nanome lanja ihany koa ny fahelàny velona. Tao amin'ny Twitter, betsaka ireo mpampiasa nanerana ny tany no nanome voninahitra azy.

Tiago Bicalho (@TiagoMG13 [10]) mampahatsiahy ireo hevitra nijoroan'ilay mpahay maritrano:

Niemeyer desenhava certo por linhas tortas. Queria um país mais igualitário. Viveu até ver o Brasil se transformar nas mão de Lula e Dilma

Rangodrangotra no fomba fanaon'i Niemeyer sary. Naniry firenena iray isian'ny fitoviana izy. Niaina ela izy mandra-pahitany an'i Brezila niova teo an-tànan'i Lula sy Dilma.

Gracynha Lóppez (@GracynhaLoppez [11]) manindry ny fomba fisainany mitsinjo lavitra:

Oscar Ribeiro de Almeida de Niemeyer Soares – Um dos maiores brasileiros ! Até seus pensamentos possuíam linhas com perspectivas no futuro.

Oscar Ribeiro de Almeida de Niemeyer Soares – Iray amin'ireo Breziliana goavana ! Na dia ireo fomba fisainany aza dia efa nahitàna taratra ny tsipika misy ny vinavinana mankamin'ny hoavy.

Mandritra izany i Dougal Marwick (@dougalm [12]) [en] avy any Edinburgh dia mampifandray ireo tranobe zava-bitan'i Niemeyer aminà fahatsiarovana mahafinaritra manokana avy aminy.

Ny fandalovana eto anoloan'ity miaraka amin'ny vadiko, eny an-dàlana ho any Le Parc des Buttes Chaumont dia iray amin'ireo fahatsiarovana mamiko indrindra. Mandria am-piadanana ry Niemeyer. http://www.flickr.com/photos/atelier_flir/3671978939/ [13]

Gunar Almeida (@gunaralmeida [14]) naneho tsy dia fahatokisana loatra an'ilay vaovao momba ny fahafatesan'ilay mpahay maritrano efa feno zato taona:

As emissoras de TV têm falado tanto que eu tô começando a acreditar que Oscar Niemeyer morreu mesmo.

Niresaka be loatra azy ity ireo foibem-pahitalavitra ka nahatonga ahy nanomboka nino fa tena maty marina tokoa i Oscar Niemeyer.

Ary Rafa Peres (@red_bird [15]) dia nanosoka ny fomba tsara indrindra hanomezam-boninahitra an'i Oscar Niemeyer:

Pessoas q fazem homenagens pro Niemeyer… o cara era simples. Conselho: ajude a fazer um mundo mais justo q ele apoiaria.

Ianareo rehetra izay nanome voninahitra an'i Niemeyer… bandy tsotra izy iny. Torohevitra kely: ampio mba hanangana tontolo ara-drariny kokoa satria izay no zavatra niriany.

Araka ny nambaran'ny UNESCO, sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana momba ny Fanabeazana, ny Siansa ary ny Kolontsaina, mendrika an'i Niemeyer koa ny ho tolorana ny anaram-boninahitry ny mpahaikanton'izao tonotlo izao, hoy ny fanambaràna iray [16] nataon'ny Tale Jeneraliny Irina Bokova:

Apaixonado por seu trabalho, ele estava convencido de que a arquitetura tem que fazer mais do que belos edifícios: tem que contribuir para melhorar a vida na cidade como um todo e incorporar os valores de inclusão, solidariedade e cooperação.

Liana tamin'ny asa izy ary resy lahatra fa ny fahaizana maritrano, talohan'ny naha-zavakanto azy, dia tsy maintsy nandray anjara mivaingana tamin'ny firindràn'ny fiainan'ny mpiaramonina teny an-tanàna ary tsy maintsy mampiseho amin'ny endrika hita maso ny soatoavin'ny fiaraha-mientana, ny firaisankina ary ny fiaraha-miasa.