Mipetraka Ho Tantaran'ny Football Boliviana Ilay ‘Dakan'ny Maingoka’ Nataon'ilay Lohalaharana

Nacional Potosí, ekipa tsy dia manao ahoana loatra amin'ny diviziona voalohany avy ao Bolivia, no nanomboka ny taom-pilalaovana 2012 raha nifaninana tamin'ny Matanjaka indrindra any amin'ny taniny. Nandritra ny fizaram-potoana faharoan'ny lalao, nahavita ‘dakan'ny Maingoka’ hatreny ivelan'ny faritra tsy azo ivalozana i Gastón Mealla, lohalaharan'ny Nacional Potosí 24 taona, ka tafiditra ny baolina.

Nofantenin'ny FIFA ho ao amin'ny baolina tafiditra folo tsara indrindra amin'ny Loka 2012 Puskás ny baolina tafiditr'i ; saingy tsy fafiditra ho ao anatin'ny 3 miady ny famaranana.

Skrileks, mpisera YouTube monina ao Frantsa, no nanao heviteny tao amin'ny fantsona YouTube FIFA:

Tsy azoko mihitsy hoe maninona ny olona no mifidy ny ‘bisikileta’ roa ao anatin'ny faritra tsy azo ivalozana nefa ianao tsy mbola nahita ‘dakan'ny maingoka’ avy eny ivelan'ny faritra tsy azo ivalozana hatramin'izay.
Mendrika tahaka ny daka taekwondo an'i Zlatan [Ibrahimovic] iny. Mahafinarita, mahery, matanjaka ary tsy mbola nisy nahavita dakan'ny maingoka atao tifi-davitra sahala amin'iny.

Nanoratra ihany koa i PickleKunAMV, mpisera YouTube hafa:

Kolombiana aho ary ùankafy [Radamel] Falcao [izay tafidirta ao amin'ny telo tsara indrindra ny baolina tafidiny] saingy ity no tokony mahazo ny Puskas.

Roberto Acosta (@btoae) [es], mpanao gazety ara-panatanjahantena mavitrika sady mpisera Twitter monina any La Paz, nandresy lahatra fa tsy mahazo ny safidy betsaka indrindra ny baolina tafiditra mahavalalanina tahaka ireny satria,

@btoae: Hay una sola toma del gol, quizá le quita algo de espectacularidad, la LFPB no se caracteriza por la calidad en transmisiones ni pensar en HD.

@btoae: Tifitra iray tafiditra ihany no nitranga, angamba mety ho nahavalalanina iny any an-kafa, HD na kalitao tsara izany tsy ao mba asongadin'ny LFPB [Figin'ny Football Matihanina Boliviana].

Napetrak'i Roberto Acosta ihany koa ankoatra izay fa natao hirona ho an'ny amin'ny kalazan'ny football [fandakabaolina] ny loka tahaka ireny:

@btoae: El Balon de Oro 2012 de FIFA es como los Oscar para Blatter, es dificil imaginar una pelicula de bajo presupuesto en una terna.

@btoae: Ny Baolina Volamena 2012 an'ny FIFA dia tahaka ny Oscars ho an'i [Joseph] Blatter, sarotra ny mieritreritra hoe hofantenina izany sarimihetsika kely tetibola izany.

Na dia tsy tafiditra tao anatin'ny baolina tafiditra 3 tsara indrindran'ny taona aza ny baolina mahatalanjona tafiditr'i Gastón Mealla, saingy noraketina tamina fakantsary ambany karazana dia hitoetra ho iray amin'ny baolina tsara sy mampitolagaga eo amin'ny tantaran'ny football Boliviana ilay dakan'ny maingoka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.