08 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 08 Desambra 2012

Fifidianana 2012 Ghana, Avy Eny Amin'ny Vatam-Pifidianana

  08 Desambra 2012

Namonjy ny biraom-pifidianana ny Ghaneana ny andron'ny 7 Desambra 2012, hifidy filoha sy parlemanta vaovao. Ireo tena mpifaninana lehibe hofidiana ho filoha moa dia ny filoha ankehitriny John Dramani Mahama misolo ten ny antoko mitondra ny National Democratic Congress (NDC = Kongresy Demokratika Nasionaly) sy Nana Akufo-Addo avy amin'ny mpanohitra avy...

Tsy Misy Maniry Ilay Lalàna ‘Monsato’ Mandòndona Ao Arzantina

  08 Desambra 2012

Niteraka resabe teny anatysehatra samihafa izay milaza fa mety ho very ny fizakantenan' i Arzantina ara-tsakafo raha mandeha lavitra ilay lalàna, ny tolo-dalàna iray avy amin'ny Ministeran'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono ao Arzantina mikasika ireo masomboly nasiam-panovàna. Miantso fanaovana hetsika ireo fikambanana sosialy mba hanoherana ilay lalàna.

Miantso Fanairana Ny WCIT: Fotoana Hamelarana Ny Adihevitra Momba Ny Fitantanana Ny Aterineto

GV Mpisolovava  08 Desambra 2012

Nivory tany Dubai ireo mpitondra manerana izao tontolo izao tamin'ity herinandro ity mba hamonjy ny Kaonferansa Manerantany Momba ny Fifandraisandavitra Iraisampirenena (WCIT), ary miankina amin'izay vinavina hiseho, mety hisy voka-dratsy eo amin'ny hoavin'ny Aterineto araky ny fantatsika izany. Tao anatin'izay volana vitsy izay, nandefa fanairana noho ny antony mitombina amin'izay mety ho vokatry...

Miresaka Fahamarinana: Feo Manohitra Ny Tsimatimanota

GV Mpisolovava  08 Desambra 2012

Tamin'ny 23 Novambra 2009, olona 58, anisan'izany ireo mpanao gazety 30 no nalaina an-keriny sy novonoina tamin'ny fomba feno habibiana raha niara-dia niaraka tamin'ireo mpanohana mpanao politika ao an-toerana. Nitranga tao amin'ny faritra Atsimon'i Maguindanao izany, ao Filipina. Araka ny filazan'ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety (CPJ), zava-nitranga nahafaty olona be indrindra teo amin'ny...

Mipetraka Ho Tantaran'ny Football Boliviana Ilay ‘Dakan'ny Maingoka’ Nataon'ilay Lohalaharana

  08 Desambra 2012

Nahavita 'dakan'ny Maingoka' hatreny ivelan'ny faritra tsy azo ivalozana i Gastón Mealla, lohalaharan'ny Nacional Potosí 24 taona, ka tafiditra ny baolina. Na dia tsy tafiditra tao anatin'ny baolina tafiditra 3 tsara indrindran'ny taona aza ny baolina mahatalanjona tafiditr'i Gastón Mealla dia hitoetra ho iray amin'ny baolina tsara sy mampitolagaga eo amin'ny tantaran'ny football Boliviana ilay dakan'ny maingoka.