Costa Rica: Nanasonia Ny Fanambarana Fahalalahan'ny Aterineto Ny Filoha

Nanao sonia [en] tao amin'ny habaky ny Fanambarana ny Fahafahan'ny Aterineto [mg] ny Filoha araka ny Lalampanorenana ao Costa Rica Rtoa Laura Chinchilla.

Hoy ny nambarany teo ampanaovana sonia ny fanambarana:

Nahatratra dingam-pamokarana vaovao tamin'ny alalan'ny fanavaozana sy ny famoronana ny aterineto. Mino aho fa tontosa izany noho ny toetra malalaka sy misokatra ananan'ny aterineto hatramin'izao. […]

Na dia mbola mangotatana aza ny elanelana nomerika manerana ny tany, tsy maintsy mametraka politika isika hanakekezana ireo elanelana ireo, izay hany mitranga ao anatin'ny tontolo misokatra sy malalaka irery ihany.

Faly aho noho izany ny mametraka ny soniako amin'ny Fanambarana ny Fahafahan'ny Aterineto, ary manantena fa hiaraka amintsika hitandro sy hamelona sy hiaro izany fisokafana sy fahafahana azo anorenana ny hoavy mamirapiratra izany ny mpitondra eto amin'izao tontolo izao.

Filoha Laura Chinchilla. Sary avy amin'ny Prezidansa ao  Costa Rica eo ambany lisansa Creative Commons Attribution Non Commercial Share Alike.

Heverina ho Zon'olombelona ao Costa Rica ny fahafahana miditra ao amin'ny aterineto. Nefa vao nametraka andinin-dalàna mametra ny Fahafahana ato amin'ny aterineto indrindra ny Kongresy. Antenaina fa hanaja ny teniny sy ny faniriany ny Filoha, manomboka izao, havitrika amin'ny fanentanana ho amin'ny Fahafahan'ny Aterineto, hikatroka any amin'ny tambajotra rehetra azony resena lahatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.