Fampiasa Nandresy Tamin'ny Hackaton Goavana Indrindra Ao Amerika Latina

Nalefa voalohany tao amin'ny engine room ny lahatsoratra Desarrollando America Latina [es], karazana fifaninanana erantany ho an'ireo mpanao hacking ao Amerika Latina, no hotontosaina mandritra ity herinandro ity manerana ny firenena 8 ao Amerika Atsimo sy Afovoany. Rehefa tafahaona tao an'efitra ireo mpahay teknolojia miaraka amin'ny angon-drakitra misokatra (open data) sy hiresaka momba ny olana ara-tsosialy, maro ireo zavatra mety hitranga. Indreto sasany tamin'ireo tsanga-kevitra nandresy.

1. Codeando Mexico [es]: Nahoana ny hackathon no tokony ho voafetra amin'ny fotoana? Codeando Mexico dia sehatra antserasera ho an'ny hackathon izay mateti-mpitranga. Sehatra iray ahafahan'ny olona miasa amin'ny olana ara-tsosialy ny tetikasa mba handefa hevitra momba ireo zavatra tian'izy ireo atao amina angon-drakitra misokatra, ary mamorona teboka fidirana mba handraisan'ireo mpahay teknolojia anjara. 10% amin'izany hevitra izany no momba ny kaody ary 90% kosa momba ny “fananganam-piarahamonina (community building)”, saingy toerana goavana hitarihana ny tetikasa i Meksika.  (Meksika)

2. AlertaCiudad [es]: Ahafahan'ny olona mahita vaovao momba ny zava-misy ao amin'ny tanànany tahaka ny hopitaly akaiky indrindra, ny tompon'ny fiara (laharan'ny fiara, ny fivarota-panafody mora indrindra, ny tobin'ny polisy sy ny mpamonjy voina akaiky indrindra. Sms 100% avokoa no anaovana izany, ary afaka ampiasain'ny olona rehetra izay liana amin'izany ny kaody (nampiasa Python tao amin'ny Linux ny mpijirika mba hametraka fandefasana sms). (Però)

Desarrollando América Latina

Desarrollando América Latina

3. Ciclas Rutas [es]: Fampiharana ho an'ny mpitondra bisikileta mba hizara ny làlana tian'izy ireo indrindra mba ahafahan'ny mpitantan-draharahan'ny tanàna handray fanapahan-kevitra amin'izany ka handefa ny mombamomba ny làlana izay tian'ny olona indrindra rehefa manambotra làlan-kafa ho an'ny bisikileta izy ireo. (Chili)

4. FondoxDiabetes [es]: Mikendry ny hanazava ny olana momba ny zava-pisotra mamy sy ny diabeta ao Meksika amin'ny alalan'ny famoronana karazana fandatsaha-bato jeografika ho an'ny olona mba hanehoany ny heviny momba ny hetra 20% [es] alaina amin'ny zava-pisotra tahak'izany. (Meksika)

5. Mapa de Asistencia a la Víctima [es] (Saritany Fanampiana ho an'ireo Niharam-boina): Manamora izany ho an'ny Arzantiniana mba hahitany fiarahamonina manome fanampiana ara-pitsarana sy karazana fanohanana hafa ho an'ireo niharam-boina noho ny fiampangana tsy mitombiina noho ny antony ara-politika. (Arzantina)

6. LimaiO [es]: Karazana rindrambaiko manangom-baovao momba ny tontolo ianany ity, tahaka ny rivotra iainana sy ny hafanana ary mampiasa ny aterinetony manokana mba handefasana izany vaovao izany ho an'ny olom-pirenena. Toa tahaka ny hoe tsotra izany (araka ny fahita azy) saingy nanapa-kevitra ny mpamorona azy fa mila olona tokony hanangom-baovao momba ny fiovan'ny tontolo iainana. (Però)

7. Grandes Problemas, Pequeñas Acciones [es] (Olana lehibe, Hetsika vitsy): Noho ny antontan'isa momba ny olana manerantany izay manempotra ny olona, nisafidy ny hamorona fitaovana ity ekipa ity mba hamoriana ireo olona sy hamorona fisantaran'andraikitra bitika eo amin'ny fiarahamonina ary avy eo jerena ny fomba hitantanan'ny fiarahamonina ilay fisantaran'andraikitra izay mifandraika amin'ny olana manerantany tahaka ny fiovaovan'ny toetr'andro. (Arzantina)

8. Seu Lixo [pt]: Manaramaso ny habetsahan'ny fako isan'andro ao Brezila, mba hampisehoana ny fiantraikany ao an-tanàndehibe mikasina ny fivangonan'ny fako ao  amin'ny firenena. (Brezila)

9. Friendly Food [es]: Fitaovana smartphone ahafahan'ny olona manombana haingana ny sakafo rehefa ao anatin'ny magazay lehibe ao an-toerana izy ireo ka afaka misafidy izay sakafo ara-pahasalamana indrindra izy ireo avy eo. (Chili)

10. InfoAgua [es]: Fampiasa ho an'ny olona mba hianatra bebe kokoa momba ny fifandraisana eo amin'ny fitomboan'ny mponina sy ny hadion'ny rano isaky ny distrika. (Meksika)

Nisy ireo 14 hafa nandresy ihany koa – 3 isaky ny firenena– vitsy ireo mpifaninana, anisan'izany:

Seg3 [es] avy ao Chili, manamora ny fanarahan'ny olona ny toe-pahasalamany rehefa miha-antitra izy ireo ary mihetsiketsika mba hisorohana ny fahasimban'ny vatana sy ny saina.

Escuadrón Salud [es], ekipa avy ao Kosta Rikà, izay manentana sy manome vaovao momba ny olana ara-pahasalaman'ny vahoaka ary manome sosokevitra mba hisorohana ny areti-mifindra.

EducaYa! [es], sehatra an-tserasera fianarana ho an'ny mpianatra ao Però izay maka ny loharanm-pahalalàna misy [es] avy amin'ny Ministeran'ny fampianarana ary manamora ny fampiasa azy. Ny antony tokana tsy nahatonga anay nampiditra ity farany ity tao anatin'ny folo voalohany dia noho ny fifandraisana aterineto ambany be ao Però, izay manasarotra dia sarotra ny fidirana amin'ny sehatra an-tserasera fianarana.

Raha te-hahafantatra bebe kokoa ireo izay nandresy tao Orogoay ianao, miresaha amin'ny DATA (@DataUY) [es]. Raha liana amin'ny fampiasa ao Bolivia ianao, jereo ny anaran'ireo nandresy: sarintany antsoina hoe SeguriMapas [es]. Manana herinandro ny ekipa mpandresy hanatsarana ny hevitr'izy ireo alohan'ny hitondrana azy ireo any amin'ny sehatry ny renim-paritra. Ekipa telo no handresy amin'izany fifaninana izany, ary hahazo fampianarana manokana izy ireo avy amin'ny Movistar’s innovation lab [es].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.