Tena Niala An'i Goma, RDC Tokoa Va Re Ny Mpihoko M23?

Nikiky tsikelikely ny fototra ara-politika, sosialy ary toekarena teny anivon'ny fiarahamonina ireo herisetra niverimberina tao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo nandritra ny am-polontaona maro. Ny faritra atsinanana no tena mbola malemin'ny fifandonana mitsitaitaika eo amin'ireo mpihoko sy ny tafika Kongole izay nipoaka indray ny taona 2012.

Ny fifandonana ao amin'ny Faritr'i Kivus tamin'ity taona ity dia fitohizan'ny ady iray teo amin'ny mpihoko M23, izay amin'ny ampahany betsaka, ireo Tutsi miaramila niala an-daharana no mandrafitra azy, sy ny tafika Kongole izay Hutu no betsaka ao. Tohanan'ny governemanta Roande, ny mpihoko M23 no mifehy ny tanànan'i Goma ao amin'ny faritr'i Kivu, akaikin'ny sisintany Roande.

Na eo aza ireo tatitra hoe nanaiky ny hisintaka an'i Goma ireo mpihoko, dia toa mbola misy hatrany ny fisalasalàana goavana mikasika ny hoe rahoviana izy ireo no tena hanao izany tokoa, sy ny mety mbola hiverenan'izy ireo. Mitatitra ny momba ny fanjavozavoana tanteraka manodidina ilay tetiandrom-pisintahana [angl] i Melanie Gouby avy amin'ny Associated Press :

Ilay fahataràna dia mahatonga hieritreritra hoe mety tsy te-hiala amin'ireo tanàna nofeheziny tamin'ny herinandro lasa  ireo mpihoko M23, mahatonga koa hino ny fanambaràn'ny manampahaizana iray avy amin'y Firenena Mikambana manao hoe i Roandà eo akaiky eo dia mampiasa ireo mpihoko ho mpikarama an'ady hanjanàhana ny faritra manan-karena ankibon'ny tany ao atsinanan'i Kongo. Niteny ny mpitondra teny iray avy amin'ny M23 tamin'ny Zoma maraina fa noho ny antony “ara-pitantanana” dia mila 48 ora fanampiny ny mpihoko mba hisintahany tanteraka, nampanantena fa hiala an'i Goma ireo mpiadiny hatramin'ny Alahady.

M23 rebels on a truck in the streets of Goma, after they captured it in November 2012

mpihoko M23 eny ambony fiara ao an-dalamben'i Goma, taorian'ny nahazoan-dry zareo azy (29 Novambra 2012) Ny Feon'i Amerika (VOA) nandalo tamin'ny Wikimedia Commons, Sehatra ho an'ny daholobe

Tatitra iray fanaraha-maso azy io no milaza fa nanomboka nisintaka ireo mpihoko ary efa kely sisa dia ho tapitra tanteraka izay fisintahana izay :

Brig. Jeffrey Muheesi, Ogande, izay isan'ny iraka nalefan'ireo mpitarika any amin'ny faritra mba hijery akaiky ny fisintahan'ireo mpihoko, niteny fa vita tanteraka ny fialàn'ireo mpihoko an'i Goma. “Niala an'i Sake sy Goma izy ireo, ary amin'izao fotoana dia ny polisy avy amin'ny governemanta Kongole no mifehy ny banky foibe, ny biraon'ny governora ary ny biraon'ny sisintany,” hoy izy avy any ambanivohitr'i Goma.

Ireo vavolombelona mahita maso dia miteny fa raha mbola tao Goma ireo mpihoko M23 dia nandroba ny tanàna, niditra an-keriny any an-trano sy toeram-pivarotana ka mangalatra fiara, finday ary vola. Mitatitra ny [fr] Radio Okapi :

Les rebelles du M23 ont pillé plusieurs habitations et bâtiments de Goma le jeudi 29 novembre dans la journée. Ce butin aurait été acheminé vers Kibumba, futur quartier général du M23, à près de 30 Km de Goma. Ce sont notamment les quartiers Katindo, Katoyi et Keshero qui ont été pillés par ces hommes en uniforme. La plupart des édifices publics, par contre, ont été épargnés puisque gardés par les forces de la Mission des Nations unies en RDC (Monusco) à Goma.

Niditra an-keriny nandroba tranon'olona sy ireo tranobe tao Goma ireo mpihoko avy amin'ny M23 tamin'ny Alakamisy 29 Novambra. Nentin-dry zareo nankany Kibumba ny rembin-dry zareo, foiben-toerany any amin'ny 30 km miala an'i Goma. Ny fandrobana dia notarihan'ireo lehilahy manao fanamiana, izay ny ankamaroany dia notanterahany tany  Katindo, Katoyi sy Keshero. Ireo biraom-pandraharahana no hany sisa tavela ny ankamaroany noho ny tafiky ny UN MONUSCO niaro azy ireny.

Vahaolana maharitra amin'ity fifandonana ity no tena tadiavina mazava loatra. Hatreto, ny International Crisis Group (ICG) dia mametraka ireto fepetra manaraka ireto :

  • famerenana amin'ny asany ny rafitra fanaraha-maso mahomby sy maharitra any amin'ny sisintany iraisan'ny RDC sy Roanda,  eo ambany fitantanan'ny ICGLR, izay tokony hatolotra miaraka amin'ny tohana ara-tekninka sy ara-olona araka izay ilaina;
  • ny fampidirana ireo olona sy vondron'olona nanohana ny M23 ary ireo vondrona mitam-piadiana hafa ho ao anatin'ny lisitry ny famaizan'ny Firenena Mikambana ary ny fandinihana ny fahirano amin'ny varotra fitaovam-piadiana mankany Roandà
  • ny fanombohana fandraisan'andraikitra am-pilaminana   eny an-toerana, avy amin'ny governemanta sy ny MONUSCO any amin'ny faritra Walikale, Masisi, Shabunda sy Kalehe izay ambony be tokoa ny fifankahalàna ara-poko

Raha raisina ny fanohanan'ny Roande ny M23 ary na eo aza ny fepetra avy amin'ny Firenena Mikambana hoe ny M23 misintaka an'i Goma, tsy mbola mazava na hiala tanteraka ny tanàna ny M23 na tsia.

Mandritra izany, voakipily tety anaty Facebook ny M23 tamin'ny herinandro lasa teo. Talohan'izany dia nanontany tena i Gabriella Mulligan ao amin'ny Humanipo hoe mandra-pahoviana ny vondrana mpihoko iray no hahazo alàlana hanangona olona sy hananihany ny governemanta Kongele ety anaty tambajotra sosialy, ary Trésor Kibungula ao amin'ny Jeune Afrique dia nanaingo ny fivoaran'ny media sosialin-dry zareo [fr]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.