06 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 06 Desambra 2012

Mirongatra ny andiam-balala ary manambana Kere ny faritra Atsimon'i Madagasikara

  06 Desambra 2012

Namoaka fambaraloza ny governemanta Malagasy [fr]: Le Gouvernement malgache a la déclaré l'etat d'ALERTE NATIONALE suite à une invasion de criquets dans le sud qui ravagent les cultures et menace la sécurité alimentaire “Namoaka fambaraloza ny governemanta Malagasy taorian'ny firongatr'ireo valala any amin'ny faritra Atsimon'ny nosy, izay manambana ny fanjariam-pambolena...

Costa Rica: Nanasonia Ny Fanambarana Fahalalahan'ny Aterineto Ny Filoha

GV Mpisolovava  06 Desambra 2012

Nanao sonia [en] tao amin'ny habaky ny Fanambarana ny Fahafahan'ny Aterineto [mg] ny Filoha araka ny Lalampanorenana ao Costa Rica Rtoa Laura Chinchilla ary hiantso ny mpitondra amin'izao tontolo izao " hiaraka amintsika hitandro sy hamelona sy hiaro izany fisokafana sy fahafahana azo anorenana ny hoavy mamirapiratra izany"

Fahazoana Vaovaom-Panjakana: Zonao izany!

  06 Desambra 2012

Tsy hoe mora lalandava ny mahazo ny vaovao, angon-drakitra ary antontan-taratasy any amin'ireo sampan-draharaham-panjakana, na dia marina aza fa an'ny olom-pirenena ihany ireo vaovao sy angona eny an-tanan-dry zareo. Izany no antony anankiray nandrisika ireo fikambanan'ny sosaity sivily sasany, izay manokan-tena ho amin'ny fikatrohana hisian'ny mangarahara, nanangana karazana vovonana an-tserasera hahafahan'ny olona mangataka ireo karazam-baovao avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana.

Maoritania: Fahatsiarovana Ny Famonoana Ny Miaramila Mainty tao Inal

  06 Desambra 2012

Tokony ho androm-pifaliana ho an'ny Maoritaniana ny andron'ny 28 Novambra satria io no manamarika ny fahaleovantenany nisintaka tamin'i Frantsa. Saingy, mampitamberina tsiaro mampalahelo nandatsahan-drà [en] ihany koa io andro io rehefa mampahatsiahy azy ireo fa tamin'io andro io tamin'ny taona 1990, dia nisy fanadiovana ara-poko natao tao anatin'ny tafika maoritaniana.

Tena Niala An'i Goma, RDC Tokoa Va Re Ny Mpihoko M23?

  06 Desambra 2012

Tohanan'ny governemanta Roande, ny mpihoko M23 no mifehy ny tanànan'i Goma ao amin'ny faritr'i Kivu, akaikin'ny sisintany Roande. Na eo aza ireo tatitra hoe nanaiky ny hisintaka an'i Goma ireo mpihoko, dia toa mbola misy hatrany ny fisalasalàana goavana mikasika ny hoe rahoviana izy ireo no tena hanao izany tokoa.

Fampiasa Nandresy Tamin'ny Hackaton Goavana Indrindra Ao Amerika Latina

  06 Desambra 2012

Nalefa voalohany tao amin'ny engine room ny lahatsoratra Desarrollando America Latina [es], karazana fifaninanana erantany ho an'ireo mpanao hacking ao Amerika Latina, no hotontosaina mandritra ity herinandro ity manerana ny firenena 8 ao Amerika Atsimo sy Afovoany. Rehefa tafahaona tao an'efitra ireo mpahay teknolojia miaraka amin'ny angon-drakitra misokatra (open data) sy hiresaka momba...