05 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 05 Desambra 2012

Lavin'ireo Mpikatroka Mafàna Fo Ilay Fanambarana Momba ny Zon'Olombelona Any Azia Atsimo Atsinanana

  05 Desambra 2012

Fikambanana mpiaro zon'olombelona maherin'ny 50 avy any Azia Atsimo Atsinanana no namoaka fanambaràna iray manakiana ny fanabaribariana ilay Fanambaràna momba ny Zon'Olombelona novolavolain'ireo firenena folo ao anatin'ny Fikambanan'ireo Firenena Any Azia Atsimo Atsinanana. Nony navoaka ho fanta-bahoaka ilay fanambaràna tamin'ity volana ity, dia nolavin'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona any amin'ny faritra avy hatrany noho izy nambara ho miaty andàlana mandiso ny zo iraisana erantany amin'ny resaka fiarovana zon'olombelona

Noafahana ilay Bilaogera Ekoateriana Paúl Moreno

  05 Desambra 2012

Ny folakandron'ny 3 desambra i Paúl Moreno, ilay Bilaogera Ekoateriana nosamborina fa hoe niditra an-tsokosoko amin'ny firafitry ny solosaina sy ny antonta-kevitra ao aminy no noafahana. Noporofoin'i Moreno manko fa tsy manana ny firafi-piarovana sahaza azy ny tranonkalan'ny governemanta datoseguro.gov.ec [es] hahazoana antontan-kevitra momba ny olom-pireneny.

Mampiray An'i Hongria Ny Fanoherana Ny Fankahalàna Jiosy

  05 Desambra 2012

Hongroà an'arivony no nijoro niray hina hanohitra ny fankahalàna Jiosy tamin'ny hetsika iray natao tao Budapest. Teny koa ireo mpanao politika avy amin'ny antoko eo aminy fitondràna sy ny mpanohitra. Nisokatra indray ny fifanakalozan-dresaky ny olona mikasika ny fiakaran'ny fanohanana azon'ny antoko farany havanana any Hongria - ary, raha hitarina, nampitambatra ny firenena Hongroà io

Kiobà: Votsotra i Rodiles Mpisolovava Ny Demaokrasia; Mbola Voatàna ilay Bilaogera Diversent

  05 Desambra 2012

Antonio Rodiles, kaomisera avy amin'ny seha-pifanakalozan-kevitr'ireo manampahaizana miasa tena Estado de SATS [es], dia nafàhana tao Havana tamin'ny Alarobia teo taoran'ny niaretany famonjana nandritra ny telo herinandro. Ny 7 Novembre i Rodiles no navotsotra, niaraka taminà bilaogera maro hafa sy mpisolovava sivily tao amin'ilay nosy, ahitàna an'i Laritza Diversent, bilaogera fanta-bahoaka sy mpisolovava, mpanoratra ny bilaogy Jurisconsulto de Cuba [es] (Mpanolotsaina Momba ny Lalàna Kiobana). Tsy nisy vaovao mihitsy mikasika ny famotsorana an'i Diversent hatramin'ny 3 Desambra 2012.