04 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 04 Desambra 2012

Miatrika Fanamby Vaovao Ny Politikam-Pifindra-monina Breziliana

  04 Desambra 2012

Raha efa ela no niadian-kevitra tany Eoropa sy Etazonia ity resaka ity dia vao haingana kosa vao niha-nalaza ny lohahevitra momba ny fifindra-monina mankany Brezila. Efa fantatra ho firenena mpandray vahiny mandra-pahatonga ny fotoana vitsivitsy izay, ny zavamisy vaovao izay niainan'ny firenena tao anatin'ny fotoana vitsivitsy izay no mametraka fanamby...

Nofoanana noho ny Hetsi-Panoherana Azy ny Fampisehoana Saika Hotontosain'i Chris Brown

  04 Desambra 2012

Iray volana mahery izay, naneho ny tsy fahafaliany momba ny fampisehoana hataon'i Chris Brown tao an-drenivohitry ny firenena ny bilaogera Goyaney satria voalaza fa manohana ny governemanta no nanohana izany fampisehoana izany. Maro tamin'ireo adihevitra no misy ifandraisany tamin'ny darok'ity mpihira ity ny sakaizany tamin'ny taona 2009, Rihanna ilay sakaizany, mpihira teratany Barbadiana, sy...

Mivoaka Ny Trano Fidiovana: Haiti Sy Ny Andro Manerantany Ho An'ny Lavapiringa

  04 Desambra 2012

Andro iraisam-pirenena amin'ny fampiasana lavapiringa ny 19 novambra. Ao anatin'ny mponina eran-tany 7 lavitrisa, 2.5 lavitrisan'ny olona no tsy afaka mampiasa lavapiringa madio - zany dia eo ho eo amin'ny olona 1 amin'ny 3. Ny sasany amin'izy ireo mipetraka any Karaiba; maro amin'izy ireo no mipetraka any Haiti - ary ny tsy fisian'ity zo fototra mahaolona momba ny fidiovana ity no mbola mampirongatra ny aretina sy ny fahafatesana amin'ny tsy antony.

Resaky ny Mpisera Shinoa: Nohosen'ny The Onion ny People’s Daily

  04 Desambra 2012

Efa tapitra ny amin'ity vaovao ity ankehitriny: Namingana ny tenany ihany ny gazety Shinoa People’s Daily tamin'ny herinandro raha nitatitra tamim-pahamatorana fa ny mpitarika koreana tavaratra Kim Jong-un no lehilahy manaitra-manintona indrindra mbola velona araka ny fanondroan'ny The Onion, gazety mpananihany iray avy any Etazonia. Rehefa tonga an-tserasera ny resaka dia...

Taratasy Misokatra: Ho An'ireo Mpampiasa Aterineto Any Sina, Avy amin'ny Mpampiasa Aterineto Any Pakistana

GV Mpisolovava  04 Desambra 2012

Ho an'ny ezaka firaisankina eo amin'ireo vahoaka misedra olana iray mitovy amin'ny aterineto, manao fanentanana ireo mafana fo Pakistane mba hiresahana amin'ireo Shinoa mitovy aminy. Noho ny governemanta Pakistane maka tàhaka amin'ny fepetra Shinoa mba hifehezana ny aterineto, Sana Saleem, Pakistane mpampiasa aterineto sady mpandray anjara amin'ny Global Voices, dia mandefa taratasy misokatra ho an'ireo Shinoa mpampiasa aterineto.

Aostralia: Ny Tenintsika Momba an'i India, Demokrasia Lehibe Indrindra Eran-tany

  04 Desambra 2012

Hoavy manao ahoana ny an'i India, izay tsy demokrasia lehibe indrindra eran-tany ihany fa hanana mponina betsaka ihany koa atsy ho atsy? Afaka mandray anjara amin'ny adihevitra momba ny Demokrasia lehibe indrindra eran-tany ao amin'ny tambajotra sosialy ao Aostralia, OurSay, ianao. Io no fisantaran'andraikitra nivoaka farany amin'ny demokrasia fampandraisana anjara an-tserasera: Manazava ny...

Mitohy Manakoako Manerana An'i Paragoay Ilay Fifandonana Nahafaty Olona Tao Curuguaty

  04 Desambra 2012

Mitohy manao atsimo sy avaratra ny fijerin'ny rehetra mikasika ilay bemidina nataon'ny polisy tao Curuguaty izay niafara tamin'ny fahafatesanà pilisy enina sy tantsaha iraika ambinifolo. Ny fanadihadiana momba ilay bemidina, izay nikendrena hanalàna ireo mponina tsy ara-dalàna ao amin'ny tahirin'ala iray, dia mbola mitohy sy iandrasana porofo matanjaka mikasika ny hoe iza no diso.