- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andro 1 Amin'ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Bolivia, Brezila, Costa Rica, Meksika, Orogoay, Però, Shily, Mediam-bahoaka, Teknolojia mampangarahara asa

[Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy ankoatra izay marihana manokana]

Indro fa nanomboka tamin'ny 1 Desambra ihany ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012 [1] (#DAL2012). Tamin'ity taona ity ny hackathon rezionaly nomanin'ny Ciudadano Inteligente (Olompirenena Maranitra) Foundation [2] [en] dia nentina tany amin'ny [3] [en] firenena Amerikana Latinina 8: Arzentina, Bolivia, Brezila, Chile, Costa Rica, Meksika, Però ary Orogoay.

Chile, firenena misy ny Foiben-toeran'ny Fikambanana Ciudadano Inteligente, dia efa nahitana ireo karazana haino aman-jery samihafa nandrakotra ny lohahevitra. Ohatra, nitatitra [4] ny tranonkalan'ny radio Cooperativa:

La iniciativa que busca la creación de aplicaciones que intenten solucionar problemas sociales, se realiza a esta hora en Santiago, Viña del Mar y Temuco, ciudades donde desarrolladores web, periodistas y diseñadores son los creativos encargados de crear la mejor aplicación al servicio del desarrollo social del país y la región.

Ny fandraisana an-tanana, izay mitady ny hamoronana fampiasa mikendry ny hamahana olana ara-tsosialy, no entina ao Santiago, Viña del Mar ary Temuco amin'izao fotoana izao; tanàna ivorian'ireo ireo mpampandroso ny web [web developers], mpanao gazety ary mpahaibika eo am-pamoronana ny fampiasa [application] tsara indrindra enti-mampiasa ny fampandrosoana ara-tsosialy ao amin'ny renim-paritra sy eo amin'ny firenena.

[5]

Ekipa-na mpampandroso web. Foibe #DAL2012 ao Lima . Sary nozarain'i Escuelab ao amin'ny Facebook.

Ny raharaha roa lehibe indrindra mampiavaka ireo ora voalohany mandritra ny andro dia ny fandaminana sy ny fampitovian-dokanga tsara ny ekipa mpandray anjara, sy ny fampirantiana ireo manampahaizana manokana eo amin'ny sehatra samihafa, tahaka ny fitateram-bahoaka, fanabeazana, tetibola sy ny singa ara-teknika tahaka ny fanaovana sarintany an-tserasera [6] ary ny fizakàna angona ankoatra ny zavatra hafa maro.

Ao Escuelab, foiben'ny hackathon ao Però, ireto ny sasany amin'ireny nandray fitenenana [7] nandray anjara betsaka amin'ny fizàran-draharaha sy tamin'ny soso-kevitra:

1.- Cynthia Yamamoto avy amin'ny www.transitemos.org [8] 2.- Rosa Gutierrez avy amin'ny www.las3renmiaula.com [9] 3.- Victor Luyo avy amin'ny Fiadidiana ny tanànan'i Lima, mpitantana lefitra amin'ny kajimirindra 4.- Javier Casas avy amin'ny www.sumaciudadana.org [10] sy www.llenametuagenda.pe [11] 5.- Camila Bustamante, La Factura sy Datea.pe 6.- Yannick Warnier avy amin'ny Fikambanana Chamilo

[12]

Ekipa-na mpampandroso web. #DAL2012 Foibe La Paz. Sary nozarain'ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina -Bolivia ao amin'ny Facebook

Tao Buenos Aires, Wingu, fikambanana miandraikitra ny #DAL2012, no miteny [13]:

@desdewingu: [14]Estamos terminando de presentar las ideas, 26 ideas y todas muy buenas!, ahora a armar los equipos!! #DAL2012 [15]

@desdewingu: [14]Vitanay izay ny fanolorana ny hevitra. Hevitra 26 ary tsara daholo! Ankehitriny eo am-pamondronana ny ekipa!! #DAL2012 [15]

Avy any Orogoay hita Twitter, DATA (@DataUY [16]) mitatitra ny asan'ny isan'ekipa:

@DataUY: [17]5 equipos: defensa del consumidor, servicios publicos, derechos infantil, seguridad y medio ambiente los temas elegidos en #DAL2012 [15] #Uruguay [18]

@DataUY: [17]ekipa 5: Mpiaro ny Mpanjifa, Sampan-draharaham-panjakana, Zon'ny Ankizy, Fiarovana ary ny Tontolo Iainana no lohahevitra noraisana amin'ny #DAL2012 [15] #Uruguay [18]

Foibe #DAL2012 Sao Paulo. Sary nozarain'i Desarrollando América Latina hita Flickr

Ary any Chile Anca Matioc [19] [en](@AncaMatioc [20]) avy amin'ny Ciudadano Inteligente no naneho hevitra:

@AncaMatioc [21]Excelente turnout en #DAL2012 [15] #Chile [22] Más de 13 equipos hasta ahora y todavída siguen llegando! Vamos!

@AncaMatioc [21]Fihodinana tena tsara tamin'ny #DAL2012 [15] #Chile [22] Efa mihoatra ny 13 ny ekipa hatramin'izao ary mbola misy olona tonga hatrany! Andao!

Nanampy vaovao i Maikol Porras avy any Costa Rica (@maikolporras) [23]raha vao nanomboka folaka ny andro:

@maikolporras: [24]Cae la tarde en Costa Rica y los equipos siguen desarrollando y avanzan con sus aplicaciones sociales #OpenData [25] #DAL2012 [15]

@maikolporras: [24]Efa tolakandro sahady eto Costa Rica ary dia mbola mitohy ny amin'ny famolavolana sy ny fampandrosoana ny fampiasa ara-tsosialy avy ny ekipa #OpenData [25] #DAL2012 [15]

Taoriana kelin'izany, nifandimbiasana ny fanaovana tatitra, miresaka ny fomba fiasan'ny ekipa tsirairay isaky ny foibe. Atao eto ho ohatra, ny tatitra avy any Meksika amin'ny alalan'i Juan Manuel Casanueva [26]:

Video streaming by Ustream [27]

OpenDataMx mizara [28] ny fehin'izay mitranga ao amin'ny foibe ao Meksika. Misy fantina sioka sy sarin'ny hetsika nandritra ny andro azo jerena ato [29].

Hamaranana azy, handao anao izahay amin'ny alalan'ny sioka [30] avy amin'i @sotojuanjo [31]any Chile izay mamehy ny votoatin'ny #DAL2012:

@sotojuanjo: [30]#dal2012 [32] es muuucho mas que apps, es una red latinoamericana de profesionales buscando soluciones a problemas comunes

@sotojuanjo: [30]#dal2012 [32] aloha dia mihoatra lavitra noho ny fampiasa [apps] fotsiny, tambajotra-na Amerikana Latinina manampahaizana mitady vahaolana amin'ny olana iraisana io

Ho avy tsy ho ela izahay hitondra vaovao hafa sy valin'ny fifaninanana avy amin'ny #DAL2012!

Lahatsoratra hafa mifandraika aminy: [All in English unless otherwise noted]

Developing Latin America 2012 [en]  [3]
Inona Marina Ny Hackathon? Ary Inona Ny Angon-Drakitra Misokatra? [33][mg]
Hackathon Ho an'ny Daholobe: Ahoana ny Fanomanana Hackathon? [34][mg]
Miha-antomotra ny Hackaton Developing Latin America! [35][en]
Inona ny Manao an-tsarintany an-tserasera [web mapping]? [6][es]
Brezila : Mangataka Fivoaran'ny Fanadiovana Ny Mponina Ao Rio [36][mg]
CManeho an-tsarintany ifandrimbonana ny ranon'ny vazimba teratany Peroviana [37][mg]