Andro 1 Amin'ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012

[Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy ankoatra izay marihana manokana]

Indro fa nanomboka tamin'ny 1 Desambra ihany ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina 2012 (#DAL2012). Tamin'ity taona ity ny hackathon rezionaly nomanin'ny Ciudadano Inteligente (Olompirenena Maranitra) Foundation [en] dia nentina tany amin'ny [en] firenena Amerikana Latinina 8: Arzentina, Bolivia, Brezila, Chile, Costa Rica, Meksika, Però ary Orogoay.

Chile, firenena misy ny Foiben-toeran'ny Fikambanana Ciudadano Inteligente, dia efa nahitana ireo karazana haino aman-jery samihafa nandrakotra ny lohahevitra. Ohatra, nitatitra ny tranonkalan'ny radio Cooperativa:

La iniciativa que busca la creación de aplicaciones que intenten solucionar problemas sociales, se realiza a esta hora en Santiago, Viña del Mar y Temuco, ciudades donde desarrolladores web, periodistas y diseñadores son los creativos encargados de crear la mejor aplicación al servicio del desarrollo social del país y la región.

Ny fandraisana an-tanana, izay mitady ny hamoronana fampiasa mikendry ny hamahana olana ara-tsosialy, no entina ao Santiago, Viña del Mar ary Temuco amin'izao fotoana izao; tanàna ivorian'ireo ireo mpampandroso ny web [web developers], mpanao gazety ary mpahaibika eo am-pamoronana ny fampiasa [application] tsara indrindra enti-mampiasa ny fampandrosoana ara-tsosialy ao amin'ny renim-paritra sy eo amin'ny firenena.

Ekipa-na mpampandroso web. Foibe #DAL2012 ao Lima . Sary nozarain'i Escuelab ao amin'ny Facebook.

Ny raharaha roa lehibe indrindra mampiavaka ireo ora voalohany mandritra ny andro dia ny fandaminana sy ny fampitovian-dokanga tsara ny ekipa mpandray anjara, sy ny fampirantiana ireo manampahaizana manokana eo amin'ny sehatra samihafa, tahaka ny fitateram-bahoaka, fanabeazana, tetibola sy ny singa ara-teknika tahaka ny fanaovana sarintany an-tserasera ary ny fizakàna angona ankoatra ny zavatra hafa maro.

Ao Escuelab, foiben'ny hackathon ao Però, ireto ny sasany amin'ireny nandray fitenenana nandray anjara betsaka amin'ny fizàran-draharaha sy tamin'ny soso-kevitra:

1.- Cynthia Yamamoto avy amin'ny www.transitemos.org 2.- Rosa Gutierrez avy amin'ny www.las3renmiaula.com 3.- Victor Luyo avy amin'ny Fiadidiana ny tanànan'i Lima, mpitantana lefitra amin'ny kajimirindra 4.- Javier Casas avy amin'ny www.sumaciudadana.org sy www.llenametuagenda.pe 5.- Camila Bustamante, La Factura sy Datea.pe 6.- Yannick Warnier avy amin'ny Fikambanana Chamilo

Ekipa-na mpampandroso web. #DAL2012 Foibe La Paz. Sary nozarain'ny Fampandrosoana an'i Amerika Latinina -Bolivia ao amin'ny Facebook

Tao Buenos Aires, Wingu, fikambanana miandraikitra ny #DAL2012, no miteny:

@desdewingu: Estamos terminando de presentar las ideas, 26 ideas y todas muy buenas!, ahora a armar los equipos!! #DAL2012

@desdewingu: Vitanay izay ny fanolorana ny hevitra. Hevitra 26 ary tsara daholo! Ankehitriny eo am-pamondronana ny ekipa!! #DAL2012

Avy any Orogoay hita Twitter, DATA (@DataUY) mitatitra ny asan'ny isan'ekipa:

@DataUY: 5 equipos: defensa del consumidor, servicios publicos, derechos infantil, seguridad y medio ambiente los temas elegidos en #DAL2012 #Uruguay

@DataUY: ekipa 5: Mpiaro ny Mpanjifa, Sampan-draharaham-panjakana, Zon'ny Ankizy, Fiarovana ary ny Tontolo Iainana no lohahevitra noraisana amin'ny #DAL2012 #Uruguay

Foibe #DAL2012 Sao Paulo. Sary nozarain'i Desarrollando América Latina hita Flickr

Ary any Chile Anca Matioc [en](@AncaMatioc) avy amin'ny Ciudadano Inteligente no naneho hevitra:

@AncaMatioc Excelente turnout en #DAL2012 #Chile Más de 13 equipos hasta ahora y todavída siguen llegando! Vamos!

@AncaMatioc Fihodinana tena tsara tamin'ny #DAL2012 #Chile Efa mihoatra ny 13 ny ekipa hatramin'izao ary mbola misy olona tonga hatrany! Andao!

Nanampy vaovao i Maikol Porras avy any Costa Rica (@maikolporras) raha vao nanomboka folaka ny andro:

@maikolporras: Cae la tarde en Costa Rica y los equipos siguen desarrollando y avanzan con sus aplicaciones sociales #OpenData #DAL2012

@maikolporras: Efa tolakandro sahady eto Costa Rica ary dia mbola mitohy ny amin'ny famolavolana sy ny fampandrosoana ny fampiasa ara-tsosialy avy ny ekipa #OpenData #DAL2012

Taoriana kelin'izany, nifandimbiasana ny fanaovana tatitra, miresaka ny fomba fiasan'ny ekipa tsirairay isaky ny foibe. Atao eto ho ohatra, ny tatitra avy any Meksika amin'ny alalan'i Juan Manuel Casanueva:

Video streaming by Ustream

OpenDataMx mizara ny fehin'izay mitranga ao amin'ny foibe ao Meksika. Misy fantina sioka sy sarin'ny hetsika nandritra ny andro azo jerena ato.

Hamaranana azy, handao anao izahay amin'ny alalan'ny sioka avy amin'i @sotojuanjo any Chile izay mamehy ny votoatin'ny #DAL2012:

@sotojuanjo: #dal2012 es muuucho mas que apps, es una red latinoamericana de profesionales buscando soluciones a problemas comunes

@sotojuanjo: #dal2012 aloha dia mihoatra lavitra noho ny fampiasa [apps] fotsiny, tambajotra-na Amerikana Latinina manampahaizana mitady vahaolana amin'ny olana iraisana io

Ho avy tsy ho ela izahay hitondra vaovao hafa sy valin'ny fifaninanana avy amin'ny #DAL2012!

Lahatsoratra hafa mifandraika aminy: [All in English unless otherwise noted]

Developing Latin America 2012 [en] 
Inona Marina Ny Hackathon? Ary Inona Ny Angon-Drakitra Misokatra? [mg]
Hackathon Ho an'ny Daholobe: Ahoana ny Fanomanana Hackathon? [mg]
Miha-antomotra ny Hackaton Developing Latin America! [en]
Inona ny Manao an-tsarintany an-tserasera [web mapping]? [es]
Brezila : Mangataka Fivoaran'ny Fanadiovana Ny Mponina Ao Rio [mg]
CManeho an-tsarintany ifandrimbonana ny ranon'ny vazimba teratany Peroviana [mg]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.