- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kim Kardashian, Baomba Mandatsa-dranomaso Ary Milkshake any Bahrain

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika

Tany Bahrain omaly ilay Amerikana tsy maoty sady kintan'ny seho anaty fahitalavitra, Kim Kardashian hanokatra ny fivarotany “milkshake”. Nanohitra [1] ny fitsidihany ireo Salafista “extremistes” – ary naparitaky ny mpitandro filaminana.

Na talohan'ny fitsidihany aza, namory vahoaka avy teny amin'ny pilipitran'ny Maoske ireo mpitandrina mba hanoherana izany. Tamin'ny Zoma, nibitsika avy any amin'ny fotoam-pivavahana fanao isaky ny Zoma i Suhail Algosaibi [ar]:

الخطيب ينتقد زيارة كيم كرداشيان الى #البحرين و يصفها بالعاهرة…

@SuhailAlgosaibi: [2] Nitsikera ny fitsidihan'i Kim Kardashian an'i Bahrain ny mpitandrina ary niantso azy hoe mpivaro-tena

A screen shot of @khalidalkhalifa's RT of Kim Kardashian

Fideràna an'i Bahrain: Sarin'ny RT nataon'i @khalidalkhalifa [3] an'i Kim Kardashian

Maro ireo nahita ny mpitandro filaminan'ny fitondràna nanapoaka grenady mamparenina [4] – ny tatitra sasany milaza fa baomba mandatsa-dranomaso – tany amin'ireo Salafista, izay niray hina tamin'ny fitondràna  tamin'ny fanindriany ireo mpitolona ho an'ny demokrasia, eny e, mampihomehy. Mi-tweet i Saudi Ali Mohammed :

ههههههههههههههههه اجل متظاهرين ضد كيم كردشيان ورموا عليهم غاز مسيل ، أحد قال لكم تطلعون على ولي أمركم وتفسرون حكمته غلط !؟ #البحرين

@alahlawy29 [5]: hahaha! Tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso ireo mpanohitra an'i Kim Kardashian. Iza no niteny anareo fa mahazo manohitra ny mpiantoka (mpitondra) anareo ianareo  sady manao dika vilana ny fitsaràny?

Mandritra izay, ny mpikarakara ny fitsidihan'i Kardashian, Sheeraz Hasan, izay ahitàna toy izao ny kaontiny Twitter : “Sheeraz, Inc dia manana ny fahefàna hitondra raharaha tsara sy fampiasam-bola avy amin'izao tontolo izao mba haseho mivantana amin'ny Fianakavian'ny Andrian'i Qatar sy Bahrain,” dia manilika ireo fanoherana ka mibitsika hoe:

@sheerazhasan [6]: LAHATSARY VAOVAO: FANOHERANA INONA?? Kim Kardashian tian'ny vahoakan'i Bahrain & ary te-hiverina!! http://youtu.be/aE36X2lV85o

Manome rohy mankany amin'ity dokambarotra ao amin'ny YouTube ity izy, izay mampiseho ireo mpankafy nihorakoraka tao amin'ny fanokafana ilay fivarotana “milkshake” :

Ilay mafana fo, Maryam Al Khawajah koa dia nanoratra taratasy misokatra [7] ho an'i Kardashian, manasa azy hihaona amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona rehefa any Bahrain ihany.

Wafa Alsayed dia nitsikera izany fanasàna an'i Kardashian hifangaro amin'ny politika izany, ary milaza fa:


@WafaAlsayed
: Aza tezitra, fa ny fangatahana an'i Kim kardashian hiresaka momba ny raharaha ara-politika dia tahaka ny mangataka amin'ny “écureuil” hanomana sakafo maimam-poana ho an'olona telo

Kardashian, ny lazan'i Bahrain maneran-tany amin'ny fampiasàna baomba mandatsa-dranomaso diso tafahoatra sy ny “milkshake” dia niteraka hehy madinika tamin'ny tenifototra #TearGasMilkShake [8].

Mi-tweet i Ethan Zuckerman :

@EthanZ [9]: Ny zava-pisotro nasionalin'i Bahrain vaovao: Milkshake-n'i @KimKardashian misy tsirona baomba mandatsa-dranomaso. Andramo anie! http://www.dailymail.co.uk/news/article-2241568/Kim-Kardashian-starts-riot-Police-officers-Bahrain-tear-gas-protestors-angry-reality-TV-stars-presence-Gulf-kingdom.html?ito=feeds-newsxml … #TearGasMilkShake

Kim Kardashian posing with camels in Bahrain [10]

Kim Kardashian maka sary miaraka amin'ireo rameva any Bahrain. Sary nozarain'i @KimKardashian tao amin'ny Twitter

Raha tany Bahrain, nandany fotoana kely tamin'ny Twitter i Kardashian namoaka ny sariny niaraka tamin'ireo rameva tany an-tany efitra. Nibitsika koa izy nidera an'i Bahrain – nilaza azy ho “toerana mahafinaritra indrindra eto an-tany,” dia avy eo nofafàny [jereo ny sarin'ny RT nataon'i Khalid Alkhalifa [3], Minisitry ny Raharaham-bahiny any Bahrain tamin'ilay tweet voalohany].

Ary toa mbola manidina ambony ihany ireo afisin'i Kardashian any Riffa. Mibitsika ny fanoherany i Dr Basem Amer:

بعد الانتهاء من حفلة رمز الإباحية #كيم_كارديشان ما زالت صورها معلقة في شوارع الرفاع جهاراً نهاراً ألا تراعون مشاعرنا كمسلمين ؟ #البحرين


@BASEMAAMER
: Taorian'ny nahavitan'ny fetin'i Kim Kardashian, mariky ny fanaovam-betaveta, dia mbola miraikitra eny an-dàlan'i Riffa amin'ny andro antoandro be nanahary, hitan'ny rehetra foana ireo sariny. Tsy mba misy fanajàna anay amin'ny maha-Silamo anay mihitsy ve ianareo?

Te-hamaky bebe kokoa:

TSY VOATAPAKA: Nahoana i Kim Kardashian no mankany Bahrain? [11]