GlobalVoices anaty

Niverina Nandeha Indray ny Aterineto ao Siria

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Français · La Syrie à nouveau connectée à Internet
Español · Siria vuelve a estar en internet
বাংলা · অনলাইনে ফিরে এলো সিরিয়া
русский · Сирия снова онлайн
Aymara · Siria markax wasitampiw Internet-anixi
Shqip · Siria rikthehet në internet
English · Syria is Back Online

Niverina nandeha indray ny aterineto ao Siria – na farafaharatsiny amin'ny faritra sasany, araka ny voalazan'ireo Siriana any ivelany, izay niezaka fatratra te-hifandray amin'ireo hava-tsy foy nandritra izay telo andro nahatapahan'ny fifandraisana sy ny aterineto izay.

Rime Allaf dia nilaza ireo vaovao tamin'ny Twitter:

@rallaf: Namana Siriana maro no niverina niserasera avy ao Damaskosy, tonga soa indray! #Siria

Ilay Mpiblaogy Razan Ghazzawi nihiaka hoe:

@RedRazan: Tena mahatalanjona ny mitranga ao amin'ny FB [Facebook] amin'izao fotoana izao: efa miresaka ireo namako izao, mampiasa ny facebook am-pifaliana izao izahay. #InternetBackinSyria #Syria

Tsy nanafina ny hafaliany izy:

@RedRazan: Eo am-piresahana amin'ireo namako mipetraka any Damaskosy aho izao. Ohatra ireny ankizy ireny izahay ka tena faly tsotra izao aho! #InternetBackInSyria #Syria

Ary hoy izy nanampy:

@RedRazan: “Eritrereto anie ny hafalianay raha midoboka eo Assad e,” izany no resahin'ireo Siriana maro ao anaty Facebook amin'izao fotoana izao #InternetBackInSyria #Syria

Etsy an-danin'izany, Brian Whitaker nananihany:

@Brian_Whit: Asabotsy androany, ary te-hividy entana an-tserasera i Asma #syria

Asma Al Assad, vadin'ilay Siriana Bashar Al Assad mpanao didy jadona, dia malaza fa mpividy entana maro amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny