Desambra, 2012

Tantara tamin'ny Desambra, 2012

Italia : #iostoconmarco, Miaraka Amin'i Marco Pannella Manohitra Ireo Fonja Tsy Manaja Ny Maha-Olona

  31 Desambra 2012

Tanjon'ny fitokonana tsy hihinan-kanina sy tsy hisotro rano nataon'ilay mpitarika ny radikaly italiana ny hiampangàna ny fepetra iainan'ireo voafonja any amin'ireo fonja italiana, ny hitakiana ny hampihenana ny isan'ireo voafonja ary hanomezana azy ireo ny zo ho afaka hifidy. Lohahevitra izay tokony ho hita any anaty fandaharan'asam-pifidianan'ireo antoko politka hiatrehana ny fifidianana voatondro ho amin'ny Febroary 2013.

Bangladesh: Tolotra Finday Ikarakarana Ny Fahasalaman'ny Ho Renim-pianakaviana Sy Ny Tera-bao

  30 Desambra 2012

Samy nilatsaka ny taha-pahafatesan'ny Reny sy ny zanaka any Bangladesh. Amin'ny andaniny dia manakaiky ny 66% ny fidiran'ny finday ary maro amin'ireo mpampiasa azy no vehivavy. Aponjon, tolotra fitandroana ny fahasalaman'ny reny izay mmampiasa ny finday dia natomboka vao haingana hikendrena ireo ho renim-pianakaviana sy ireo tera-bao any Bangladesh mba hampihenana ny aretina sy ny fahafatesan'ny reny sy ny zaza menavava.

Etazonia: Mitsangana Hanarina Ny Faharavana Ny Occupy Sandy

  30 Desambra 2012

Iray volana izay no nisian'ilay tafio-drivotra Sandy nandravarava tao Avaratra-Atsinanan'i Etazonia; na dia izany aza, mbola mitohy foana ny ezaka famonjena taorian'ity loza voajanahary ity. Raha nitady famonjena ho an'ireo fianakaviana an-jato an'arivony ny fanampiana federaly sy ny kaonseritra tahaka ny 12.12.12 nokarakarain'i Bruce Springsteen, nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny hetsika tahaka...

Nosakanana ny Fandefasana Mivantana Ny Kaonferansa Nokarakarain'ny Firenena Mikambana

GV Mpisolovava  30 Desambra 2012

Araka ny filazan'ireo mpikatroka ao Bahrain, nosakanana ny fandefasana mivantana ny Filankevitry ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'olombelona.   Nosakanan'ny manampahefana ao #Bahrain  ny fidirana ao amin'ny habaky #UN amin'ny fandefasana mivantana noho ny fanelanelanako ao amin'ny #HRC21twitpic.com/aucktm — Mohammed Al-Maskati(@MohdMaskati) 14 Septambra 2012 Mohamed Al-Maskati, filohan'ny Fikambanan'ny Tanora Bahrainita miaro ny Zon'olombelona, niresaka momba...

Vonoin'izy ireo Ny Hazo Any Ejipta

Misaona ny fandringanana ireo hazo sy ny fandrodanana ireo tranobe ntaolo any amin'ny zanavohitr'i Heliopolis any Caire i Michael Hanna, Ejiptiana mpitoraka bilaogy sady mpitana trano fivarotam-panafody. Jereo ny zavatra nanjo ilay hazo rofia izay mety ho ny ntaolo indrindra ao amin'ny faritra.

Aza Manasaritaka Ny Vehivavy Ejipsiana!

Maryanne Gabbani, Kanadiana nivoaka an-tanindrazana sady bilaogera, namoaka lahatsoratra bilaogy vaovao nitondra ny lohateny hoe “Aza Manasaritaka ny Vehivavy Ejipsiana” hanaovany fanamarihana tantara roa henony vao haingana, izay nitranga tao amin'ny tanàna kely onenany. Nanomboka ny tantarany tamin'ny fijeriny ny vehivavy tao an-tanàna izy: Feno fanajàna ny vehivavy eto amin'ny...

Nifarana ny Fihainoana teny amin'ny Fitsarana ireo Mpikatroka Saodiana

Notontosaina ny andron'ny 29 desambra 2012 tao amin'ny Fitsarana ady heloka bevava tao Riyadh, nandritra ny fitsarana ampahibemaso izay vitsy dia vitsy ao amin'ity firenena ity, ny fihainoana farany ireo mpikatroky ny zon'olombelona Saodiana roa malaza i Mohammad Al-Qahtani sy i Abdullah Al-Hamid. Tamin'ny fotoam-pihainoana farany [mg], nanontanian'ny mpitsara ny mpiaro, ary nitohy izany...