“La Calle Loíza”, Làlana Manan-tantara Nanita-dàlana Tao Amin'ny Aterineto

Nisy fiatoana vaovao ny fitsangatsanganana any amin'ny làlana mikintaontaona indrindra ao amin'ny renivohitr'i Porto Rico,San Juan, ka amin'ny aterineto izany. Calle Loíza, any afovoan'ny tanàna manan-tantara any Santurce, dia fifangaroana trano miloko Karibeana maro maha-te honina sy ny manara-damaody. Tanikely mahaleotena ho an'ny mpifindra-monina, izay niveloman'ny fiaraha-monina avy amin'ny Repoblika Dominikàna nandritra ny taona am-polony maro, izy ity dia làlana izay ihaonan'ny  fivarotam-boankazo tafo lanitra, lamba tonta, ary toeram-pivarotana kojakoja vaovao maro mangirangirana ho anà bisikileta. Nanomboka nifindra tany amin'ny tanàna manodidina ireo mpanakanto sy tanora manampahaizana tato anatin'ny folo taona farany teo, ka nentiny niaraka taminy ny toeram-pisakafoanana sy kafe tsara haingo. Mba hitehirizana azy rehetra, natsangana ny vohikala Espaniola iray vaovao:

lacalleloiza.com dia mikendry ny hizara vaovao, tsikera ary ny zava-mitranga any Santurce, maka ohatra amin'ny làlana mampalaza azy indrindra.

“Izy ity dia tetikasa azo ampitahaina amina gazetim-paritra, fa amin'ny endriny virtoaly,” hoy Mariana Reyes, mpamorona ny vohikala. “Hafaliana lehibe foana ny manoratra ho an'ny sy mikasika vondrom-piarahamonina iray; mifototra amin'ny eo an-toerana avokoa rahateo ny fanaovan-gazety rehetra” hoy izy manampy ao amin'ny vohikala, izay nalefa tamin'ny faran'ny Oktobra ary havaozina isan-kerinandro.

An image from La Calle Loíza in Puerto Rico. Used with permission from the creators of the hyperlocal news site lacalleloiza.com

Sary avy any La Calle Loíza any Porto Rico. Nahazoana alalana avy amin'ny mpamorona ny vohikalam-baovaom-paritra lacalleloiza.com ny fampiasàna azy

Ny topi-maso malaky ao amin'ny lacalleloiza.com dia ahitàna fa taloha dia nanana asa goavana io làlana io: nampifandray an'i San Juan tamin'ireo morontsiraka any atsinanana izay Isla Verde sy Piñones amin'izao fotoana, distrikam-pizahantany ary, ankoatr'izay, faritra hitahirizana harena nolovaina tamin'ireo Afrikana. Ny fahalalàna ara-tantara tahaka izany dia aseho miaraka amin'ny lahatsoratra miresaka momba ny tetikasa fampivoaran‘ireo roa mpilatsaka hofidiana ben'ny tanàna, hitsaràna trano fisakafoanana sy tantara tsangana (fanambaràna feno: Mandray anjara amin'ny resaka sakafo sy kolontsaina ato amin'ny vohikala aho), ary fizaràna iray misy lahatsary fohy manasongadina ny fiainan'ireo Cangrejeros miavaka, noho ny mponin'ny barrio fantatra ara-bakoka. Manome fandaharam-potoanan'ireo hetsika isan-kerinandro, bilaogy iray fahanan'i Reyes amin'ny eritreriny momba ny tanàna mpifanolo-bodirindrina, ary sarintany iray miaraka amin'ny fanondroana ireo toerana voalaza tanatin'ireo lahatsoratra.

“Mety mbola be noho ny any amin'ny ankabeazan'ny toerana any Porto Rico ny zava-mitranga ao Santurce,” hoy Reyes, mpanao gazety za-draharaha niasa tany amin'ireo fampielezam-baovao Latino any New York sy tany amin'ilay nosy. Ny hevitra ho an'ny vohikala dia avy amin'ny fitiavana lalim-paka ny toerana izay nonenany nandritra ny taona maro. Raha niresaka momba ny akon'ireo loharanom-baovaom-paritra hafa tahaka ny Brownstoner any Brooklyn i Reyes dia manasongadina ny endrika mahaleo tena ananan'ny tetikasany.

“Fototra iaingàna ity, ezaka amin'ny endrika ady anaty akata,” hoy izy. “Tsy manana tetibola izahay. Na dia voafetra ihany aza ireo fitaovana, dia ahafahanay mijery lalindalina kokoa ny tanàna izay tsy dia misy idiran'ny resa-barotra na kely aza.”

Ampahan'ny tetika ny fandanjalanjàna ny fiovaovan'ny toetran'i Santurce, izay olana tsy mitsahatra mitombo ny fivezivezen'ny sarangan'ny mpiasa monina ao.  “Tsy azo ialàna ny fanambonian-tena, jereo Williamsburg sy ny Lower East Side any New York,” hoy Reyes. “Sady misy toerana ho an'ireo vao tonga no misy ihany koa ho an'ireo efa tao nandritra ny taona am-polony maro.”

Raha ny momba ny fomba fitantanany ny vaovaom-paritra indray, nasongadin'ny mpamorona ny lacalleloiza.com avy hatrany ireo tombontsoan'ny aterineto.  “Saika eo noho eo ny asa. Afaka manangona vaovao, manoratra lahatsoratra ary mamoaka izany anatin'ny tolakandro iray ianao. Amin'ny lafiny iray, manampy betsaka ihany koa ny fahafahan'ny olona maromaro kokoa miasa amin'ny vohikala na dia avy any lavitra aza. Afaka mandefa ny lahatsorany izy na aiza na aiza no miasa.”

Teo ihany koa ireo vohikalam-baovaom-paritra hafa niasa nandritra ny fotoana naharitraritra. ¡Mayagüez sabe a Mangó!, ohatra, dia mifantoka amin'ny tanàna lehibe indrindra any amin'ny ilany andrefan'ny nosy. Raha iverenana kosa ny ao an-drenivohitra, Loíza Street dia ahitàna fifamoivoizana sy fihetsiketsehana mafàna lalandava. Ho an'ireo monina sy milalao any Santurce, ny vohikala mitondra ny anarany dia nisafidy ny hifantoka amin'ny fahavitrihana andavanandro hita amin'io làlana io.

Orígenes avy ao La Loíza ao amin'ny Vimeo.

Ato amin'ity lahatsary ity (amin'ny teny espaniola), nahazoana alàlana tamin'ny lacalleloiza.com, manazava ny tantaran'ny firaisa-monin'ny mpifanolo-bodirindrina i Lester Ivan Nurse Allende, mpahay tantara sady Cangrejero hatramin'izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.