Fanadihadiana Feno Endrika Politika Mitarika Ny Mpianatra Avy Any Tibet Hanao Hetsi-panoherana Ao Shina

Ny 26 Novambra 2012 dia nanodidina ny arivo ireo Tibetàna mpianatra any Shina no nanao hetsi-panoherana tao amin'ny Kaominin'i Chabcha, Prefektiora Mizakatenan'i Qinghai Tibetàna (na Tsolho amin'ny fanonona azy amin'ny teny Tibetàna) hanoherany ny fanadihadiana iray feno endrika politika tao aminà toeram-ponenan'ny mpianatra ao amin'ny Sekoly Fiofanana ho mpitsabo. Araka ny ambaran'ny VOA Tibetàna, nandritra ilay hetsika ireo mpianatra dia nihiaka “teny faneva mitaky fitovian'ny zom-pirenena, ny fahalalahana mampiasa ny teniny, fanajàna ny marina sy fametrahana fomba fitantanana vaovao ” . Maherin'ny 20 ireo mpianatra no naratra ary efatra no tena voa mafy atahorana. Araka ny mpanome vaovao avy ety ivelany dia nakatona ny sekoly. Ny lahatsary eto ambany dia mampiseho ny zava-nisy teny amin'ny  hetsika:

Araka ny Ivontoerana Tibetàna momba ny Zon'Olombelona sy  ny Demaokrasia / Tibetan Center for Human Rights and Democracy (TCHRD), ilay hetsi-panoherana dia nateraky ny fanadihadiana iray nozarain'ny manampahefana tamin'ireo mpianatra mba ho enti-manaramaso ny fitoniana, hono. Nadikan'ny TCHRD ilay antontan-taratasy :

Ilay fanadihadiana feno endrika politika izay niteraka ny hetsi-panoherana ny 26 Novambra 2012. Sary avy amin'i Dossier Tibet mpampiasa Facebook 

1. Tokony hifototra amin'ny inona ny fampandrosoana ara-toekarena eto Tsolho?
1. Voaaro sy mivoatra ve ny kolontsaina Tibetàna?
2. Mifanohitra ve ny fiarovana ara-tontolo iainana sy  ny asa fanorenana an-tanàn-dehibe?
3. Midika famotehana ny tenin'ny vitsy an'isa ve ny fampiasàna teny roa amin'ny fampianarana?
4. Iza amin'ny manampahefana no tsy manao na inona na inona mba hiantohana ny fitovian'ny zom-pirenena?
5. Inona no antony ao ambadik'ireo hetsi-panoherana fandoroana tena?
6. Inona no voka-dratsy ateraky ny hetsi-bahoaka tsy nahazo alàlana?
7. Iza no manetsiketsika fisamantsamahana sy miteraka korontana?
8. Ahoana no fomba hahatakarana ny fametrahana am-pahendrena sy amin'ny fomba mety ny politikan'ny fahalalahàna ara-pinoana?
9. Anaty firindràna tsara ve ny tontolon'ny fampandrosoana amin'izao fotoana, tsy zavatra tokony holalàina ve?

Misy sombintsombim-baovao sy sary mikasika ilay hetsika ao amin'ny Facebook sy Twitter

Dossier Tibet dia nandika iray tamin'ireo sorabaventin'ny teny fanevan'ny hetsika : “Tsy azonareo atao ny misambotra ny rahalahiko sy mamono ny namako!”

Iray tamin'ireo sorabaventin'ny teny fanevan'ny hetsika : “Tsy azonareo atao ny misambotra ny rahalahiko sy mamono ny namako!” Sary avy amin'i Dossier Tibet, mpampiasa Facebook

Lhase Sonam dia nampakatra saripika misy ireo mpianatra naratra ho ao amin'ny pejiny Facebook :

Tibetàna mpianatra telo naratra mafy nandritra ny hetsi-panoherana. Sary avy amin'i Lhase Sonam, mpampiasa Facebook

Tsy ity no voalohany nanaovan'ny Tibetàna mpianatra ao Qinghai hetsika hanoherana ny politikan'ny governemanta Shinoa. Tany amin'ny Oktobra 2010, nanodidina ny 8000 ireo mpianatra nanao hetsi-panoherana tao Tsolho nanohitra ny politikan'ny teny tany an-tsekoly. Ireo Tibetàna mpianatra dia matahotra hoe hihen-danja be hatrany hatrany ny kolontsainy, ny teniny ary ny maha-izy azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.