Mbola Manaloka Ny Etiopiana Ve Ny Avelon'i Meles Zenawi ?

Telo volana izay no lasa hatramin'ny nanambaràna tamin'ny fomba ofisialy ny nahafatesan'i Meles Zenawi, Praiminisitra Etiopiana teo aloha, teo amin'ny faha-57 taonany taorian'ny volana maro nanaovana honohono mikasika izay teo-pahasalamany. Kanefa, ny avelon'i Meles Zenawi dia mampiseho marika foana amin'ny fifikirany tsy hisaraka amin'ireo Etiopiana, amin'ny alàlan'ireo saribeny eny an-dalambe ao Addis Ababa sy saika amin'ireo tanàn-dehibe rehetra, na an-drenivohitra na ambanivohitra.

Satria mbola resabe hatramin'izao ny fandovàna azy eny anaty fampahalalam-baovao iraisampirenena samihafa eny, ny Etiopiana kosa naka ny media sosialy toy ny Facebook sy Twitter mba hisaintsainana momba ny fandovàna izay lova navelany.

Ny firesahana ireo zava-bita tsy dia mamely loatra; lova navelan'i Zenawi, manontany tena i Kirubel Teshome ny amin'ny antony tsy ahavitan'ny Etiopiana mametraka ny fandimbiasan-toerana an'i Zenawi hifanaraka amin'ny vanim-potoana misy eny ankianja.

Portrait of the late Meles Zenawi at Meskel Square in Addis Ababa, Ethiopia. Photo courtesy of Endalk, used with permission.

Sarin'itompokolahy Meles Zenawi ao amin'ny Kianja Meskel ao Addis Ababa, Etiopia. Sary natolotr'i Endalk, nahazoana alàlana ny fampiasana azy.

Kirube manoratra hoe:

Nahazatra ahy ny nanontany tena mikasika ireo olona nankahala an'i Genet Zewde fony izy Minisitry ny Fanabeazana sy tia an'i Meles, ireo  olona mankahala an'i Bereket Simon ary midera an'i Meles, ireo mankahala ny Fahitalavitra Etiopiana ary manao teny mamy amin'i Meles, ireo manamaivana ny  Telecom Etiopiana sy manindrahindra an'i Meles. Ankehitriny efa maty izy dia lazaina amintsika fa hoe izy no mpisaintsaina sy olon'ny asa mitaha amin'ireo mpandraharaha rehetra eto amin'ny firenena tato anatin'ny efa ho roapolo taona, farafaharatsiny, mba azonao atao ve ny hanana fanajàna ny maha-olona ka hangataka amin-dry zareo sy hanatsiny izay olona ao an-damosin'izao tsy fandehanan-javatra rehetra izao sady hitanisa ny lova natsangany? Raha toa lasany daholo ny dera sy laza rehetra, tsy tokony ho izy irery ihany koa va re no hitaty ny kiana rehetra?

Ao amin'ny iray amin'ireo toko tena isan'ny mahasorena indrindra amin'ny lova navelan'i Zenawi, Abiye Teklemariam manoratra hoe :

Vao avy nanameloka an'i Bekele Garba, Olbana Lellisa ary hafa maro ho nanao asa fampihorohoroana ny fitsarana Etiopiana iray. Ity aloha no firenena ananantsika, ity no firenena ananantsika! Azoko antoka fa marobe amin'ireo olona izay nihira nidera ny Praiminisitrantsika teo aloha no tsy mahafantatra akory an'ireny olona ireny taorian'ny nahafatesany.

Kanefa, ny sasany mandray an'i Meles Zenawi ho mpitarika nahatsinjo ny hoavy sady mino fa ny lova navelany dia tokony hotehirizina. Ao aminà lahatsoratra iray ao amin'ny Facebook, Jossy Romanat dia mitantara fifanakalozan-dresaka iray nifanaovany tamin'ny nàmany momba ny lova napetrak'i Meles Zenawi :

Resadresaka indray Alahady teo amiko ME sy ny namako iray (MF).

MF: Heverinao ve fa mpitarika lehibe iray ny PM. Meles Zenawi?
ME: Eny mihitsy! Mpitarika lehibe izy ary angamba ny tsara indrindra nananan'i Etiopia hatreto. Na izany aza, tsy midika izany fa hoe tsy azo soloina izy, tahaka izay heverinareo mandrakariva.

MF:- Raha heverinao fa mpitarika lehibe ny PM. Meles, tohananao ve ny hevitra hoe hanome ny anarany ho anà andrim-panjakana sasantsasany? Tahaka ny “tohodranon'ny fahateraham-baovao” homena ny anarana “tohodrano Meles Zenawi” ary ny sariny hoe hasongadina ao anatin'ny vola taratasy 100 Birr?

ME: – Tsy dia misy olana loatra ny fanomezana ny anaranà mpitarika goavana iray ho an-javatra. Ohatra, nahafaly ahy ny nahita ny Anjerimanontolo Mekelle ,nanome anarana ny tobiny vaovao ao Quiha ho “Ivon-toerana Meles Zenawi ho an'ny teknolojia”.  Nandre ihany koa aho tantara mitovy amin'izany avy amin'ny Anjerimanontolo Jigjiga. Ary avy eo, tahaka ny hoe Anjerimanontolo, birao, tanàn-dehibe sy tanàna madinika marobe no mikofokofoka hanome anarana “Meles” izay zavatra rehetra ananany. Ny fihaino azy dia toy ny hoe an-dalam-pahafantarana izay hahazo ny “lalao” natao ho anà andro iray ry zareo, ary mbola mety ho lasa lavitra aza izany. Ohatra, omaly aho nandre fa ny iray amin'ireo sekoly tranainy indrindra ao Tigray (izay nomena anarana Etiopiana mahefy fo iray fahiny) dia novàna ho  “Sekoly ambony Meles Zenawi” – Raha marina io, dia mahatsikaiky sy mampietry ny PM. Meles. Etsy ankilany, tsy manana mahery fo hafa avy eto an-toerana ve isika azontsika eto an-toerana tolorana fankasitrahana, farafaharatsiny? Tsy azontsika atao ve ny manome izay tiantsika homena ireo vaovao sy mitazona ny efa eo ho amin'ny efa misy azy. Mikasika ny tohodranon'ny fahateraham-baovao, dia inoako fa mety kokoa ny manome anarana ilay tohodrano hoe “Meles” amin'ny naha-tetikasa goavana noketrehiny azy io sy nanontonany ny angovony ho fanatanterahana azy io. Saingy avy eo, matahotra aho sao hifanohitra amin'izay noheverin'i Meles izany satria fony izy nanapa-kevitra ny hanome anarana ilay izy ho “tohodranon'ny fahateraham-baovao”  dia nanana ny antony azy mazava tsara izy nanaovany izany . Nefa mbola manohana tanteraka koa ny eritreritra hisian'ny “tohodrano Meles Zenawi” aho. Ary raha ny fanasongadinana ny sarin'i  Meles amin'ny vola taratasy ao Etiopia, heveriko fa tsy dia hevitra tsara loatra izany.

Ny antoko Etiopiana EPRDF, eo amin'ny fitondràna, dia tsy maintsy niaritra sivana tsy nisy farany tamin'ny fampiasàna ny anarana sy sarin'i Meles Zenawi mba hampivondronana ny firenena ho araka ny fijeriny. Kanefa, ny olona sasany mahatsapa fa manararaotra araka izay tratra ny anaran'ilay mpitarika teo aloha efa nodimandry ilay antoko.

Anaty hafatra misokatra iray, mangataka amin'ny vady navelan'i Meles Zenawi i Kirubel Teshome mba hampiato ny fideraderana fahatany ny anaran'itompokolahy vadiny:

Hafatra misokatra ho an'i W/ro Azeb Mesfin: Mba azonao atao ve, azafady, azafady, azafady, ny miteny amin'ny mpitantana ny tanànan'i Addis Ababa  mba hampiato ny fanitsakitsahana ny fanirian'itompokolahy PM. Nilaza ampahibemaso tamin'ny Etipiana ianao fa tsy mba isan'ireo olona nikatsaka ny hampahalaza na hanadra-tena i Meles. Novakianao bantsilana ny mety tsy ho fankasitrahany raha mahita ireny sariny rehetra amin'ny taratasy mameno ny tanàna ireny. Azoko antoka, ankehitriny, fa mety ho efa tsikaritrao ny fomba ataon'ny fitantànana ny tanàna miasa tsy mikely soroka  mamafa mialoha ny lova napetrany amin'ny alàlan'ny fandokoana ny tanàna amin'ny sarin'Itompokolahy PM. Mampanontany tena ahy  ny tsy hamelan-dry zareo azy mba hanam-pitsaharana amin'izay, farafaharatsiny taorian'ny nahafatesany? Mifanohitra amin'ny lova napetrany ihany koa ny mahita Addis madio sy maitso. Mba azonao atao ve ny mangataka ny fanangonana ireo sariny eny amin'ireo rindrina, tamboho ary tranobe eto Addis? Mety ho fihetsika tsy ho adinoin'ireo mponin'i Addis izany!

Hatramin'ny nahafatesany, noderaina foana noho ny fisandratan'i Etiopia ara-toekarena nambara fa azo tato anatin'ny taom-polo roa farany ilay Praiminisitra nodimandry. Amin'izay ihany, voatsikera ihany koa izy tamin'ny fampidirana am-ponja ireo mpikatroka mafàna fo sy mpanao gazety, tamin'ny fampiasàna tsy mazava ny famaritana ny hoe heloka noho ny asa fampihorohoroana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.