29 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 29 Novambra 2012

Mifanohitra Amin'ny Lalampanorenana Ve ny Fifidianana Ho Avy Any Japana?

  29 Novambra 2012

Nisy vondrona mpisolovava nampakatra tamin'ny Fitsarana Ambony tao amin'ny distrikan'i Tokyo fa tsy mifanaraka amin'ny Lalapanorenana ny fifidianana ankapobeny ho avy. Saingy nolavin'ny Fitsarana ny raharahan'izy ireo tamin'ny 21 Novambra 2012. Nofoanan'ny Praiminsitra Yoshihiko Noda ny Antenimieram-pirenena Japoney tamin'ny 16 Novambra 2012 ka niantso fifidianana ankapobeny indray izy amin'ny 16 Desambra...

Maoritania: Hetsika 25 Febroary Mitsipaka ny [Fibaikoana] Fanaraha-mason'i Frantsa

  29 Novambra 2012

Mandalo vanim-potoana ara-politika tsy ahatsinjovana ny ho avy i Maoritania hatramin'ny nandefasana ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz hotsaboina any Paris rehefa naratran'ny tifi-bala izy tamin'ny 13 oktobra 2012. Mifandamina ny ao Maoritania mandra-piveriny saingy maro ny Maoritaniana no manontany tena amin'ny anjara andraikitr'i Frantsa amin'ny toe-draharaha ankehitriny. Fihetsika nisabakabaka nataon'i Frantsa tamin'ny 2008...

Espaina: Mihantona Ny Fandroahana Hiala Amin'ny Trano Noho Ny Fanerena Ara-tsosialy

  29 Novambra 2012

Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Krizy ao Eoropa ity lahatsoratra ity. Fikambanana sy sehatra miady amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany no nahomby tamin'ny fahazoan'ny Asociación Española de Banca (Fikambanan'ny Banky Espaniola) hampiato ny fandroahana taorian'ny roa taona nitolomana. Nambara fa mandritra ny roa taona izany didim-pitsarana fampiatoana izany, ary...

Sazy Mandra-maty Ho Anà Poeta Qatari Iray Noho Ny Faniratsiràna Emir

Androany i Qatar dia nanameloka an'i Mohamed Bin Rashid Al-Deeb hifonja mandra-maty .. noho ny nanoratany tononkalo iray. Ilay tononkalo, amin'ny teny Arabo, dia lazaina fa manindrahindra ny Lohataona Arabo, manao fampitahana ireo firenena miaina ambany famoretana sy ambany jadona. Araka ny ambaran'ilay Qatari mpanao gazety, Abdulla Al Athbah, ny tononkalon'i Al-Deeb dia maniratsira ny Emir Qatari [mpitondra] no fahitàna azy, ary niantso ny hanonganana ny fanjakany.

Mbola Manaloka Ny Etiopiana Ve Ny Avelon'i Meles Zenawi ?

  29 Novambra 2012

Na dia telo volana aza izao no lasa taorian'ny nanambaràna tamin'ny fomba ofisialy ny nahafatesan'i Meles Zenawi, ilay Praiminisitra Etiopiana nodimandry, ary taorian'ny volana maro nisian'ny resabe mikasika ny momba azy, ny avelony kosa tsy mampiseho marika mihitsy hoe hanaisotra ny vahohony amin'ireo Etiopiana.

Hetsi-panoherana Erantany Ho An'ny Guarani-Kaiowá, Vazimba Teratany Ao Brezila

  29 Novambra 2012

Nihorohoro izy ireo tamin'ny fandrahonana azy ireo hoesorina amin'ny taniny, ny fahapoizinan'ny ranony amin'ny ataon'ireo mpiompy, ary vonona hanohitra hatramin'ny fara-fofon'ainy. Manoloana ireo zavatra mandreraka ireo, dia ny media sosialy sy avy eny an-dalambe no hitan'ny vondrompiarahamonin'ny Guarani-Kaiowá ao Pyelito Kue / Mbarakay, ao amin'ny kaominin'i Iguatemi, Mato Grosso do Sul (MS) hahazoana fanohanana avy amin'ireo mpikatroka mafàna fo erantany.

Mikomy Ireo Gadra Rosiana, Manofahofa Faneva Hoe “Ampio Izahay Azafady,”

Akon  29 Novambra 2012

Nandritra ny herinandro tao amin'ny fonjan'i Kopeysk, eo ivelan'ny tanànan'i Chelyabinsk, gadra eo amin'ny 250 eo no nanomboka nanao fihetsiketsehana teny an-tampon'ny tranobe, nilanja sora-baventy [ru] miangavy hoe “ampio izahay azafady” ary nitaraina momba ny fampijaliana sy ny fanendahana atao azy ireo. Penal Colony 6 (fonjan'ny tanora) (fantatra tsotra amin'ny hoe “shestyorka”) no...