Mandoa Hetra Be Lavitra Noho Ny Orinasa Iasany Ve Ireo Zambiana Mpiasa Amin'ny Fitrandrahana Harena Ankibon'ny Tany?

Podcast iray (Taxcast) avy amin'ny tambajotra Tax Justice Network nomeny lohateny hoe Zambian miners paying more tax than mining company, na “Mandoa hetra betsaka kokoa noho ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany ireo Zambiana mpitrandraka” no navoaka tety anaty aterineto nanindry fa hoe mandoa hetra be lavitra avy amin'ny karamany ireo mpiasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany miohatra amin'ireo hetra fandoan'ny orinasa mitrandraka harena ankibon'ny tany.

Manampahefana iray avy amin'ny Foibe Ho an'ny Politikan'ny Varotra sy  ny Fampandrosoana, Saviour Mwambwa, no manamafy fa orinasa iray mpitrandraka harena ankibon'ny tany tsy mandoa ny hetrany dia efa fatiantoka eo amin'ny 50 tapitrisa livres ho an'ny governemanta Zambiana mandritra ny taom-pamokarana iray, mihoatra lavitra noho ny fanampiana ataon'ny governemanta Britanika ho an'ny firenena.

Sarintanin'i Zambia maneho ny faritra fitrandrahana varahina ao Zambia. Sary navoakan'ny mpampiasa Wikipedia,  Acntx, mampiasa  ny Creative Commons (CC BY-SA 3.0)

Hoy i Mwambwa tao anatin'ilay podcast:

Ilay orinasa narahanay manokana, iray monja, nandritra ny fe-taona roa, dia inoanay fa tsy latsaky ny 50 tapitrisa livres (80 tapitrisa dolara Amerikana) no verin'ny governemanta Zambiana amin'io orinasa io amin'ny fandosirana hetra… Be lavitra izany noho izay omen'ny governemanta Britanika ho an'i Zambia amin'ny resaka fanampiana mandritra io fe-potoana io ihany.

Ireo antony aroson'i Mwambwa:

Ny ankamaroan'ireo firenena, ka isan'ireny i Zambia, dia tsy mila fanampiana loatra raha toa ireny orinasa ireny nandoa ireo karazana hetra tokony ho naloany. Noho izany, tombontsoan'ireo firenena Eoropeana ihany koa sy ireo teratany Eoropeana ny miantoka ny hanaovan'ireo governemantan-dry zareo izay rehetra azony atao, raha toa ka matotra i Eoropa amin'ireo resabe sy fotokeviny manohitra ny kolikoly, tokony hiadian-dry zareo ny zavatra toy ny fandosirana hetra.

Manampahefanna iray avy amin'ny Action Aid no voatanisa ao anatin'io podcast io ho nilaza hoe :

Misy ireo toeram-pitrandrahana izay ny orinasa maro rantsana manerantany no tompony. Mahazo vola be tsy hita isa izy ireny ho an'ireo mpampiasa vola avy any Soisa sy Angletera. Satria ry zareo afaka manilika ny tombom-barotra hivoaka an'i Zambia sy any an-kafa rehetra any alohan'ny hahavoan'ny hetra azy ireo, matetika voaaron'ny tsiambaratelon'ireo ‘paradisan-ketra’, na ny marina ‘paradisa tsy mampandoa hetra’ araka ny fanaon-dry zareo …

Any ampiandohan'ilay podcast, Dr Mathias Mpande, manampahaizana iray amin'ny resaka fitrandrahana harena ankibon'ny tany sady minisitra taloha tao amin'ny governemanta Zambiana niteny hoe :

Ry zareo mpahay toekarena miteny ity [Zambia] ity ho toekarena haingam-pivoatra indrindra laharana faha-10 saingy ity no firenena mahantra indrindra aorian'i Niger… Faran'izay mahantra ireo tondro sosialy ao Zambia. Tsy maintsy mamorona renivola ampy tsara isika izay azontsika ampiasaina amin'ny fotodrafitrasa sy tolotra ho an'ny vahoaka. Jereo ny habetsahan'ny harena natsangan'i Soeda sy Norvezy avy amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany? Izany no tokony izorantsika.

Eo amin'ny fampidirana ilay podcast, Tax Research UK manoratra hoe:

Nandre ny mikasika ireo mpiasa mpitrandraka arintany ao Zambia ve ianareo, izay mandoa hetra be lavitra noho ireo orinasa maro rantsana iraisampirenena mpitrandraka harena ankibon'ny tany mampiasa azy ireo?

Fa ahoana no ataon'ireny orinasa ireny no ahafahany mandositra hetra toy izao? Ary ahoana no fiantraikan'izany amin'ny fiainan'ireo Zambiana tsotra?

Ity ny tatitra manokana avy amin'ny Taxcast, ny podcast 15 minitra fandefany isam-bolana avy amin'ny tambajotra Tax Justice Network.

Ny Tax Justice Network dia fikambanana mahaleotena natomboka tany amin'ny antenimieran-doholona Britanika tamin'ny 2003. Ny fiaraha-mientan'ireo mpikaroka sy mpikatroka mafana fo an-dry zareo dia manohana ny fangaraharàna sy ny fisokafana manodidina ny olan'ny hetra any amin'ireo firenena an-dalampandrosoana amin'ny filazana fa ny ireo ‘paradisa tsy mampandoa hetra no miteraka ny fahantràna :

Ny Tax Justice Network dia mandrisika ny fangaraharàna eo amin'ny fitantanam-bola iraisampirenena ary mandà ny fisian'ny tsiambaratelo. Tohananay ny sehatra rehetra amin'ny fandoavan-ketra ary toherinay ny kitapo loaka sy ny fibolilàna amin'ny resaka hetra ary ny fandrindràna, ary izay fanararaotana mety aterak'izy ireny. Amporisihanay ny fandoavan-ketra ary toherinay ny fandosiran-ketra, ny fanalefahana, ary izay rafitra rehetra ahafahan'ireo tompony sy ireo mpifehy ny harena mandositra ny andraikiny eo amin'ny fiarahamonina misy azy sy iankinan'ny hareny. Ireo paradisa tsy andoavan-ketra, na ny didim-pitondrana mifehy ny tsiambaratelo araka izay iantsoantsika azy no mitoetra ho ivon'ny fahasahiranan-tsainay, ary toherinay ireny.

Ity podcast ity dia tonga manara-dia ilay fanadihadiana Zambia: Good Copper, Bad Copper (Zambia: Varahina Tsara, Varahin-doza) izay nipoitra tao amin'ny YouTube tany ampiandohan'ity taona ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.