Hetsika Nandritra ny “Diabe Maitso” tao Malezia

Olona 70 no nandray anjara tamin'ny fiandohan'ny ‘Diabe Maitso’ tao Malezia tamin'ny 13 Novambra tao Kuantan. Taorian'ny diabe 13 andro sy 300 kilometatra nanavatsava ny firenena, nifarana tao an-drenivohitry ny firenena ny diabe izay olona maherin'ny 15.000 no nandray anjara sy nanohana tamin'izany. Ny vondrona Himpunan Hijau no nikarakara ny ‘diabe lavitr'ezaka’ ho fanoherana ny fananganana orinasa mpitrandraka Lynas ao Gebeng, Pahang.

Ity orinasa ity no fantatra fa orinasa fanadiovana vovo-tany tsy fahita firy goavana indrindra manerantany. Saingy  efa ela no nanohitra ny tetikasa ny mponina sy ny manam-pahaizana momba ny tontolo iainana  noho ny fiantraikany ratsy eo amin'ny fahasalamana, ny fandriampahalemana sy ny tontolo iainan'ny faritra. Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nolavin'ny Fitsarana Ambony ao Malezia ny fitakiana hampitsahatra ny fananganana ilay orinasa izay nahatonga ireo vondrona sy olom-pirenena isan-karazany hikarakara ny “Diabe Maitso”.

Mpandray anjara tamin'ny diabe nivory tao Dataran Merdeka. Sary tao amin'ny Twitter-n'ny @szeming87

Anisan'ny ampahany ao anaty drafitra ny fampahafantarana amin'ny Antenimiera sy ny Praiministra mikasika  ny fitakian'ny vondrona rehefa tonga ao Kuala Lumpur ireo delegasiona. Saingy noraràn'ny polisy tsy hanakaiky ny tranon'ny governemanta ireo mpanao diabe.  Niparitaka milamina avy eo ireo vahoaka tamin'ny Alatsinainy maraina.

Nandefa vaovao farany momba ny diabe nandritra ny herinandro ny ekipa Malaysikini:

 

4.20hariva – Jalan TAR – Avy kely ny orana saingy miha-mitombo hatrany ny olona. Tombana farany: 10.000.

4:53hariva- Dataran Merdeka – nitombo maherin'ny 15.000 ankehitriny ny isan'ireo vahoaka ary mivondrona eo akaikin'ny tendro avaratra indrindra ao Dataran Merdeka izy ireo.

Tan Kai Swee nanatri-maso ny fanohanana tampotampoka ireo mpanao diabe avy amin'ireo olo-tsotra Maleziana:

Mibaribary, nanjary fiainana mahazatra ny Diabe Maitso.

Noraisin'ireo tanàna kely sy tanàn-dehibe nenti-nanavatsava ny lalana 300 km ny Diabe Maitso. Nandray anjara tamin'ny diabe ihany koa ireo Maleziana avy amin'ny faritra maro hafa ao amin'ny firenena. Maro ireo tonga nanome fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana ho an'ireo mpandray anjara.

Fandraisana miezinezina no niarahabana ireo mpitarika ny hetsika tao Dataran Merdeka:

Taorian'ny diabe naharitra 14 andro, izay eo amin'ny 25 kilometra isan'andro eo, na andro tsara na andro ratsy, na rehefa alina hatory, tsara fanahy tokoa ireo olo-tsotra Maleziana nampiantrano ireo mpanao diabe, vita ihany ny Diabe 300km metatra maromaro tsy ahatongavana ao Dataran Merdeka.

Tamin'ny andro faran'ny diabe, olona 20.000 no tonga tao Dataran Merdeka mba hanolotra fandraisana mitalakotroka ho an'i Wong Tack, lehiben'ny Diabe Maitso 300km .

Ity ambany ity ny lahatsary ahitana ny fijoroana vavolombelona avy amin'ireo mpandray anjara sasany tamin'ny diabe:

HeeJW, izany nandray anjara sy nibilaogy momba ny diabe, nanome alalana ny Global Voices hamoaka ireto sary nandritra ny Diabe Maitso ireto.

Nitangorona tao amin'ny tempoly avokoa ireo mpandray anjara tamin'ny Diabe Maitso. Sary tao amin'ny bilaogin'i HeeJW

Mpanao diabe mandalo ao amin'ny arabe ao Karak , iray amin'ireo arabe  hitrangàna lozam-pifamoivozana  matetika ao amin'ny firenena.  Sary tao amin'ny bilaogin'i HeeJW

“Diabe lavitr'ezaka” miala ao Kuantan ho an'ny Kuala Lumpur. Sary tao amin'ny bilaogin'i HeeJW

Tsy manakana ireo mpanao diabe tsy ho tonga ao an-tanànan'i Mentakab ny orana. Sary tao amin'ny bilaogin'i HeeJW

Fivoriamben'ny Diabe Maitso.  Sary tao amin'ny pejy  Facebook n'ny mpikarakara

Tamin'ny alalan'ny tenifototra hoe #greenwalk (diabemaitso) sy #himpunanhijau, naneho hevitra momba ny diabe Maitso ny mpiserasera Maleziana:

@szeming87 Nanome tsiny ny #Greenwalk ny olona noho ny fitohanan'ny fiara naterany androany maraina. Aoka kosa e, ny haterena ataon'ny governemanta no mampihitsoka ny kianjan'i merdeka, fa tsy ny vahoaka!

@danleemz Misy olona mahita vaovao momba ny #greenwalk #himpunanhijau amin'ny fampahalalam-baovao amin'ny fahitalavitra ve izao? Tsy mahita mihitsy aho na iray aza. Angamba satria nilamina ilay izy dia tsy notaterin'izy ireo?

@sicfallacy Raha milaza ianao fa mahasolotena ny maro ny isa namonjy ny #GreenWalk, matahotra aho fa mety mpanakanto Kpop ny ho Praiminisitra antsika amin'ny hoavy.

@seademon Fiaraha-miasa adalan”ny #GreenWalk mampiasa finday sy solosaina vita amin'ny vy vovo-tany tsy fahita firy

@j_rubis Nahafinaritra ny “fihaonan-dalana-fiviliana” tamin'ny #GreenWalk. Mahafinaritra ny mahita ireo fianakaviana marobe. Faly aho fa afaka nandray anjara. Nahavita nahatratra azy ireo tao Taman Melewar ihany koa tamin'ny alina.

@VersedAnggerik Tsarovy i Mahatma Ghandi sy ny Diaben'ny Sirany? Tena tahaka izany mihitsy ny #GreenWalk. Manao hetsi-panoherana ny tsy rariny amin'ny tontolo iainana izahay.

@JustineMeiErn Manaja an-dry zalahy #GreenWalk tanteraka tamin'ny nahavitany dia an-tongotra mihoatra ny herinandro. Eny na zaza na zoliolona. Nampandroso tsara azy ireo tamin'ny efatra folakandro tao Dataran Merdeka!

@anonVG Satria namonjy sy nanohana ny #HimpunanHijau ny sasany tamin'ireo mpanohitra mpanao politika, ka mahatonga ny anton'ny hetsika tsy azo ekena izany?

@edmundbon Nitondratena tsara ny polisy androany. Tsy nisy polisy nanara-maso ny fitohanan'ny fiara (izay tokony nataony) saingy tsaratsara kokoa nanakana ny mpandeha an-tongotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.