28 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 28 Novambra 2012

Ireo fehin-dalàna any Madagasikara dia tsy mahafehy ny fampanjariana volabe amin'ny fitrandrahana ny harena akibon'ny tany

  28 Novambra 2012

Ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana “Bemolanga-Total watch” no mitatitra fanamarihan'ireo mpahay lalàna any Madagasikara [fr]: le code minier malgache et la loi sur les grands investissements miniers (LGIM) ne sont pas appropriés pour englober tous les paramètres d'un contrat d'Etat de la dimension du projet “ireo fehin-dalàna Malagasy mikasika...

Hain-trano-na Orinasa Nahafaty Olona Tao Bangladesh Mampiseho Ny Fampiasana Mpiasa Tsy Ara-drariny

  28 Novambra 2012

Nampametra-panontaniana marobe ny hain-trano mahatsiravina izay nahafatesana mpiasa maherin'ny 110 tao amin'ny orinasa fanenonan-damba ao Tazreen Fashions Ltd, tranobe rihana faha-sivy ao Nischintapur, Ashulia (akaikin'ny renivohitra Dhaka). Na dia manana fitaovana mpamono afo 335 sy mpiasa 300 nampiofanina momba ny famonoana afo raha sendra misy ny firehetana aza ilay orinasa, tsy nisy akory izay...

Bolgaria: Revolisiona Voatabia

  28 Novambra 2012

Nanao famoriam-bahoaka teo anoloan'ny Antenimiera Bolgariana ny vahoaka tamin'ny 24 Novambra, ary nampahafantatra tamin'ny fomba ofisialy ilay fantatra amin'ny anarana hoe” Revolisiona Voatabia”. Mandrahona ny Antenimiera ny voatabia Tamin'ny 9 Novambra, namoaka ny sarin’ [bg] ny lapan'ny Antenimiera feno saosy voatabia ny fampahalalam-baovao tsy miankina OFFNews. Tsy fantatra izay olona nanao izany sy...

Hetsika Nandritra ny “Diabe Maitso” tao Malezia

  28 Novambra 2012

Olona 70 no nandray anjara tamin'ny fiandohan'ny ‘Diabe Maitso’ tao Malezia tamin'ny 13 Novambra tao Kuantan. Taorian'ny diabe 13 andro sy 300 kilometatra nanavatsava ny firenena, nifarana tao an-drenivohitry ny firenena ny diabe izay olona maherin'ny 15.000 no nandray anjara sy nanohana tamin'izany. Ny vondrona Himpunan Hijau no nikarakara ny ‘diabe lavitr'ezaka’ ho fanoherana...

Miha-mananosarotra Ny Sivana Ao Angola

  28 Novambra 2012

Tsy nahitàna taratra ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety mihitsy ny fankalazàna ny faha-37 taona nahazoan'i Angola fahaleovantena tato ho ato. Ny mifanohitra amin'izay aza, ny lasitra sivana Angole dia mananosarotra isak'izay mandeha. Ny fanohintohinana akaiky indrindra izao dia ny nanjo ny “Semanário Angolense”, voasazy noho ny namoahany ny kabary feno fanakianan'ny filohan'ny UNITA, Isaías Samakuva .

India : Lahatsoratra Facebook Nahatonga Fisamborana

  28 Novambra 2012

Mahatonga ahiahy ao India (jereo Tatitry ny Global Voices [mg]) ny fihetsehiky ny tao an-tanànan'i Mumbai taorian'ny nahafatesan'i Blasaheb Keshav Thackeray, mpanorina ny Hindou antoko ankavanana ao amin'ny Shiv Sena ao Inda. Nikatona avokoa ireo toera-pivarotana, fijerena sinema, fitateram-bahoaka sy orinasa hafa ao Mumbai noho ny na ny mari-panajana na tahotra amin'ny...

Mandoa Hetra Be Lavitra Noho Ny Orinasa Iasany Ve Ireo Zambiana Mpiasa Amin'ny Fitrandrahana Harena Ankibon'ny Tany?

  28 Novambra 2012

Podcast iray (Taxcast) avy amin'ny tambajotra Tax Justice nomeny lohateny hoe Zambian miners paying more tax than mining company, na "Mandoa hetra betsaka kokoa noho ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany ireo Zambiana mpitrandraka" no navoaka tety anaty aterineto nanindry fa hoe mandoa be lavitra hetra avy amin'ny karamany ireo mpiasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany miohatra amin'ireo hetra fandoan'ny orinasa iasàn-dry zareo.

Bilaogy Mampifandray An'i Afganistana Sy Pakistana: ‘Fifankahazoan'ny Mpifanolo-bodirindrina’

  28 Novambra 2012

Tamin'ny fandaharan'asa fanomezana vatsim-pianarana io, indroa niatrika fihaonambe ireo mpanao gazety 22 avy any Afghanistan sy Pakistana, ny iray tany Islamabad ary ny faharoa tany Kabola mba hisian'ny fifankahazoana sy fifampizaràna ny zava-tsoa ary hifanakalo kolontsaina. Nosoratany ireo traikefa ireo ary nampitondrainy ny lohateny hoe 'fifankahazoan'ny mpifanolo-bodirindrina' ary vVonona hanao fanamby ry zareo hanohitra ireo fitantaràna am-polo taona voapetraka mikasika ireo mpifanolo-bodirindrina aminy.

Revon'ny ‘Daidougei'n'i Japana – Zava-kanto An-Dàlambe

  28 Novambra 2012

Voasodokan'ny “Daidougei”, karazana fampisehoana an-dàlambe, nandany taona maro naka sary ny bikan'ilay Kanto ny olon-tsotra iray mpaka sary. Izao no lohatenin'ny bilaoginy “ Tsy nitifitra afa-tsy ny sarin'ny Daidougei aho, izaho aza tsy mahalala hoe nahoana.” Andao hijery ity sangan'asa ity isika.