- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

May Ny Hazo 99 Malaza Ao Amin'Ilay Toera-Malazan'ny Baobab eto Madagasikara

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana, Tsidika, Vaovao Mafana, Voina
 Avenue of the Baobabs, Morondava, Madagascar [1]

Lalamben'ny Baobab akaikin'i Morondava, Madagasikara nopihan'i Gavinevans hita Wikipedia CC license-BY-2.0. 99 Nolazaina fa may ireo Baobab (jereo ny sary manaraka)

Burnt baobab [2]

Sarin'ireo Baobab may navoakan'i Njiva Tahiry via Twitter.

Nitatitra ny ONG Fanamby fa Hazo Baobab 99 vao nambolena no main’  [3][fr] ny afo tsy voafehy tamin'ny asabotsy lasa teo. Ny Allée de Baobab [4] no iray amin'ny toerana eto Madagasikara be mpitsidika indrindra sy efa nalahatra ho rehareham-pirenena.