GlobalVoices anaty

Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina

Teknolojia mampangarahara asa Lahatsoratra anisan-ny Teknolojia mampangarahara asa ikarohanay teknolojia mampiroborobo ny fampandraisana andraikitra sy izay hahampikatroka sivika manerantany . Lahatsoratra rehetra

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

English · Latin American Youth Against Corruption
Aymara · Latinoamerican waynanaka jani wali apnaqäwinakxata.
Dansk · Unge latinamerikanere mod korruption
Ελληνικά · Η νεολαία της Λατινικής Αμερικής κατά της διαφθοράς
Português · Jovens latino-americanos unem-se contra a corrupção
polski · Latynoamerykańska młodzież przeciw korupcji
Français · La jeunesse latino-américaine unie contre la corruption
Español · Jóvenes latinoamericanos contra la corrupción

Nandritra ny 5 sy 6 Novambra 2012, tanora mpanao gazety, mpitarika, manam-pahaizana amin’ny media sosialy sy ny fampahalalam-baovao ary ny teknolojian-tserasera (ICTs) mihoatra ny 100 no nandray anjara tamin’ny Third Global Voices Against Corruption Forum (andiany fahatelo amin’ny Sehatra fiandian-kevitry ny Global Voices Miady amin’ny Kolikoly), nokarakarain’ny Global Youth Anti-Corruption Network (GYAC) (Tambajotran’ireo Tanora Eran-tany Miady amin’ny Kolikoly) tany Brasilia, ao Brezila.

Nitatitra mikasika ny fotoana natao ho an’ny tanora ao Amerika Latina mikasika ny Animal Político[es] i Andrea Arzaba, mpiara-miasa amin'ny Global Voices [es]:

Libertad de expresión, falta de unión regional y miedo a hablar de temas en materia de transparencia gubernamental fueron algunos de los temas más discutidos en la sesión juvenil Latinoamericana [...]

En el encuentro se tuvo una visión común en cuanto al poco uso de tecnología para el desarrollo ético de la región y, sobre todo, la falta de capacitación de jóvenes en materia de anticorrupción. También se habló del tema de educación, en donde se discutió la importancia para generar un cambio a través del trabajo con jóvenes, ya que ellos estarán próximamente en puestos importantes de trabajo, vulnerables a la corrupción.

Fahalalahana miteny, tsy fahampian’ny firaisankina any amin’ireo faritra ary tahotra hiresaka momba ny olana misy mikasika ny fangaraharan’ny fanjakana no anisan’ireo lohahevitra noresahana nandritry ny fotoana natao ho an’ny tanora ao Amerika Latina [...]

Ireo mpandray anjara tato anatin’ity fihaonambe ity dia nitovy fijery mikasika ny mahavoafetra ny fampiasana teknolojia ho an’ny fampivoarana ny fitsipi-pitondran’ny faritra ary ambonin’izany, ny tsy fahampian’ny fanazàrana ho an’ny tanora amin’ny ady amin’ny kolikoly. Niresaka mikasika ny fampianarana ihany koa izy ireo, izay niresahany ny fitondrana ny fiovana amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny tanora, satria atsy ho atsy izy ireo dia efa ho tonga aminà toerana izay mora iharan’ny kolikoly.

Nizara lahatsary iray ihany koa I Andrea izay hampisehoany ireo tetikasa vitsivitsy mikendry ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra  notarihan’ny tanoran’i Amerika Latina. Miaraka amin’i Piero Locatelli, niresadresaka tamin’i Margarita Valdés avy ao amin’ny Xpressate [es] (El Salvador), Caio Monteiro avy ao amin’ny Marília Transparente [pt] (Brezila), ary Andrea Benavides avy ao amin’ny Ocasa [es] (Kôlombia) i Andrea:


Afaka manaraka ny GYAC ianao ao amin’ny Facebook sy ny Twitter (@GYACNetwork). Afaka mamaky ireo tatitra sy fihetseham-po nozaraina avy ao amin’io sehatra fiadian-kevitra io ihany koa ianao amin'ny alàlan’ity tenifototra ity #GYACBrasilia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny