27 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 27 Novambra 2012

Miala An-daharana ilay Mpirotsaka Ho Filoham-pirenena Mamim-Bahoaka Tao Korea Atsimo

  27 Novambra 2012

Miaraka amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hatao afaka iray volana, hagagàna ny an'ireo Koreana Tatsimo nony niala an-daharana tampoka tamin'ilay hazakazaka ilay lohalaharana amin'ny fandaharana an'ireo mpirotsaka ho fidiana. Ity hetsika ara-politka tsy mbola nisy toa azy ity dia ilay Koreana Tatsimo mpandraharaha mamim-bahoaka lasa nanao politika no nanao azy, Ahn Cheol-soo, izay be no nahita azy ho toy ny kandida tsy mpanao politika sy tsy mpanao kolikoly indrindra teo amin'ny tantara politikan'ny firenena.

Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena

  27 Novambra 2012

Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena io firenena io tamin'ny lalao Olympique ary faharoa izao teo amin'ny tantara izay isaorana manokana an'i Keshorn Walcott nohon'ny ezaka nataony teo amin'ny fanipazana lefona.

Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina

  27 Novambra 2012

Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.

Israeliana Maneho Hevitra Amin'ny Fisintahan'i Barak Tsy Hanao Politika Intsony

Fanambaràna nahazendana no nisy nandritra ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Minisitry ny Fiarovana Israeliana, Ehud Barak, izay nitàna ny toeran'ny Praiminisitra tao Israely teo aloha (1999-2001) sy Filoha mpitarika ny IDF (1991-1995), tamin'ny nilazàny ny faniriany hisintaka ny sehatra politika ka hanokana betsaka amin'ny fotoanany ho an'ny fianakaviany. Naneho hevitra tamin'io fisintahany io ireo Israeliana mpiserasera anaty aterineto.

Novonoina Tany India Ilay Mpampihorohoro Tao Mumbai, Nefa Hitondra Fitoniana Ve Izany?

  27 Novambra 2012

Ny 21 Novambra 2012 no novonoina i Mohammed Ajmal Amir Kasab, Pakistane mpikatroka avy amin'ny Lashkar-e-Taiba sady ilay hany mpampihorohoro tratra velona taorian'ny fanafihana tao Mumbai tamin'ny 2008.Namelona indray koa ny adihevitra momba ny fanamelohana ho faty any India ny famonoana azy, sy ny hoe natao handresen-dahatra sa natao hiantsiana ny mety ho fanafihana mpampihorohoro amin'ny ho avy izy iny.