- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanavaka ireo Bilaogera sy Mpisera Twitter Mavitrika ao Makedonia ny Fifaninanana Blogirame

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Hevitra, Mediam-bahoaka

Namoaka ny vokatry [1] [mk] ny fifaninanana fanaon-dry zareo isan-taona sy ny lahatsarin'ny [2] [mk] lanonam-panolorana ny loka notontosaina tamin'ny 23 Novambra 2012 ny saha-panangonana bilaogy Makedoniana Blogirame [“mibilaogy isika”].

Araka ny safidin'ny olona:


(Video by @banekoma [10].)

Ahitana ireto indray ny mpandresin'ny Twitter mavitrika isan-tsokajy:

[20]

Angela/@RumShtangla mampiseho ny lokany telo. Nahazoana alalana.

Ny tenifototra nahatratra ny tampony indrindra tamin'ny 2012 dia ny #ЗдравоБоби [21] (Hello Bobby). JovanaTozija manazava [22] [mk] fa izy ity dia miompana amin'ny “taloha, mba hahatonga ny mpilatro iray hiarahaba anao dia mila mandany volabe ianao, ankehitriny ny hany ilainao dia ny Twitter sy ny fanambarana ampahibemaso ny fanirianao hanana firaisana ara-nofo aminy.” Ny tanjon'ity fanentanana miely haingana, nokononkononin'ny [23] [mk] Nixon, Inc., ity dia “ny hampisehoana herin'ny tambajotra sosialy hahazoana valiny avy amin'ny olo-malaza norevirevena.” Nakan-kevitra avy amin'ny zavatra tena nitranga “ity tetikasam-panoratsorata-poana [trolling] nahomby ity”, araka [24] [mk] an'i RubinBT.

Ny sioka [25] nahatratra ny tampony nandritra ny 2012 dia avy amin'i Ina…

 

“Afa-manala azy amin'ny kaontiko ianareo, voasakana [ny kaontiko]!”