Nanavaka ireo Bilaogera sy Mpisera Twitter Mavitrika ao Makedonia ny Fifaninanana Blogirame

Namoaka ny vokatry [mk] ny fifaninanana fanaon-dry zareo isan-taona sy ny lahatsarin'ny [mk] lanonam-panolorana ny loka notontosaina tamin'ny 23 Novambra 2012 ny saha-panangonana bilaogy Makedoniana Blogirame [“mibilaogy isika”].

Araka ny safidin'ny olona:


(Video by @banekoma.)

Ahitana ireto indray ny mpandresin'ny Twitter mavitrika isan-tsokajy:

  • RumStangla – dingam-panombohana sy vehivavy tsara indrindra;
  • OffNetMk – fikambanana/orinasa tsara indrindra;
  • BatmanSaysT – nandroso haingana dia haingana indrindra;
  • Sead93 – ilaina/manandanja indrindra;
  • Mekica – sarintava tsara indrindra;
  • Sulimanovic – mpisera Twitter ara-panahy indrindra;
  • IrenaXXXX – mpisera aorian'ny ora vitsivitsy tsara indrindra antsoina hoe “fahatelon'asa” (#третасмена);
  • SkDeeyasporah – mpikambana any am-pielezana mavitrika indrindra.

Angela/@RumShtangla mampiseho ny lokany telo. Nahazoana alalana.

Ny tenifototra nahatratra ny tampony indrindra tamin'ny 2012 dia ny #ЗдравоБоби (Hello Bobby). JovanaTozija manazava [mk] fa izy ity dia miompana amin'ny “taloha, mba hahatonga ny mpilatro iray hiarahaba anao dia mila mandany volabe ianao, ankehitriny ny hany ilainao dia ny Twitter sy ny fanambarana ampahibemaso ny fanirianao hanana firaisana ara-nofo aminy.” Ny tanjon'ity fanentanana miely haingana, nokononkononin'ny [mk] Nixon, Inc., ity dia “ny hampisehoana herin'ny tambajotra sosialy hahazoana valiny avy amin'ny olo-malaza norevirevena.” Nakan-kevitra avy amin'ny zavatra tena nitranga “ity tetikasam-panoratsorata-poana [trolling] nahomby ity”, araka [mk] an'i RubinBT.

Ny sioka nahatratra ny tampony nandritra ny 2012 dia avy amin'i Ina…

 

“Afa-manala azy amin'ny kaontiko ianareo, voasakana [ny kaontiko]!”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.