26 Novambra 2012

Tantara tamin'ny 26 Novambra 2012

Yemen: Fanafihana Nandritra Ny Ashoura Tao Sanaa

Ny 24 Novambra no andron'ny Ashoura, ary io no andro iray izay sady ankalazain'ny sekta Shiita sy Sionita ao anatin'ny tontolo Miozolmana manerantany. Kanefa, ao Yemen, andro nahitan-doza izy io satria olona efatra no maty ary ampolony no naratra taminà fipoahana iray izay nikendrena Fety Shiita Fankalazàna ny Ashoura tao Sanaa renivohitra. Io no fandarohana baomba voalohany indrindra namelezana sekta nitranga tao Sanaa, fivoaran-draharaha mampiahiahy miaraka amin'ny tanjona mazava handrehitra ady ao amin'ny samy sekta ao Yemen

Na dia Eo Aza Ny Mpitarika Vaovao, Mbola Marefo ny Hoavin'i Shina

  26 Novambra 2012

Nandritra ny herinandro no nanatontosàna ny faha-18 ny Kongresy Nasionalin'ny Antoko Komonista Sinoa ary nifarana tamin'ny 14 Novambra 2012 teo. Taranaka mpitarika vaovao, izay tarihin'i Xi Jinping sy Li Keqiang, no nisolo toerana ny ekipa mpitarika teo aloha izay notarihin'i Hu Jintao sy Wen Jiabao. Raha tonga teo amin'ny fahefana i Hu sy Wen folo taona lasa izay, nihevitra...

Hetsi-panoherana Tao Phulbari Hanoherana Ny Tetikasa Fitrandrahana Arintany Manao Tafo Lanitra

  26 Novambra 2012

Tao Phulbari, 350 km avaratra-atsinanan'i Dhaka renivohitr'i Bangladesh, tonga niaraka daholo ireo vondrom-piarahamonina samihafa mba hanandratra ny feon-dry zareo manohitra ilay tetikasa fitrandrahana arintany manao tafo lanitra. Ilay tetikasa, raha tafapetraka manontolo, dia haka tanàna maherin'ny 100000 ao anatin'ny faritra mirefy 59 Km² manodidina ary hamindràna toerana mponina an-jatony maro sy hisy fiantraikany maharitra eo amin'ny tontolo iainana

Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra

  26 Novambra 2012

Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.