Saodiana Mpitsara: “Izay Ampiharina Amin'ny Mpifehy , Tsy Ampiharina Amin'ireo Olom-peheziny”

Vao maraina be androany (24Nov), nanohy ny fakàna am-bavany ireo lehilahy roa mpikatroka mafàna fo manana ny maha-izy azy amin'ny fiarovana zon'olombelona ny Fitsarana Heloka Bevava ao Riyadh, Mohammad Al-Qahtani sy Abdullah Al-Hamid. Tamin'ny fakàna am-bavany farany, nanapa-kevitra hanome tapa-ponala ho an'ireo mpikatroka roa ny mpitsara mba hanomezan'izy ireo valinteny momba ny fiampangàna. Ny fitsarana androany dia fifanatrehan'ny mpitsara sy ny andaniny avy amin'ny mpiaro fotsny ihany, ary tsy niloa-bava mihitsy mpampanoa lalàna. Olona enimpolo dimy amby no nanatrika ny fifanatrehana, nihoatra 20 tamin'ilay teo alohany. Sambany nisy iraka avy amin'ireo fantsom-pahitalavitra roa nanatrika mba hitatitra ilay fifanatrehana: Al Jazeera sy Sky News.

Mohammad al-Qahtani (havanana) sy Abdullah al-Hamid (havia) talohan'ny fotoana, avy amin'i @thumarm

Ny androany no manamarika ny fotoana fahatelo azon'ny rehetra natrehana, ary tahaka ilay fifanatrehana teo alohany, nomena baiko hamela ny findainy tany ivelan'ny trano fitsarana ireo mpanatrika. Tamin'ireo mpanatrika 65, nisy vehivavy roa. Fanampiny, Dr. Mohammed al-Abdulkareem, izay nosamborina tamin'ny 2010 noho ny nanoratany lahatsoratra politika iray, dia sambany nanatevin-daharana ireo tarika nalefa teny amin'ny fitsarana.

Toy ny fotoana teo aloha, resaka finoana no tena nibahan-toerana androany tamin'ny adihevitra:

القاضي:كل ما يشرعه ولي الأمر فهو مطابق للشريعة . رد الحامد:المظاهرات أجازها ولي الأمر بالانضمام الى الميثاق العربي لحقوق الانسان #محاكمة_حسم

@WaleedSulais: Ny mpitsara: Izay rehetra ataon'ny mpitondra dia mifanaraka amin'ny Sharia. al-Hamid: Mamela hanao hetsi-panoherana ny mpitondra rehefa injay izy niditra tao anatin'ny Fanambaràna iraisan'ny Arabo Momba ny Zon'Olombelona.

خلال #محاكمة_حسم الدكتور العبدالكريم: نصوص آيات واحاديث دفع الظلم واضحة على الجميع حاكما ومحكوما. القاضي: لا يقاس ما على المحكوم بالحاكم

@thumarm: Nandritra ny fitsarana ny raharaha ACPRA , Dr. al-Abdulakareem [niteny hoe]: Faran'izay mazava ny antso nataon'i Quran sy Hadith niantso ny tsirairay, ny olom-pehezina sy ny mpifehy, hiady amin'ny tsy rariny. Ny mpitsara: Izay ampiharina amin'ny mpifehy , tsy ampiharina amin'ny olom-peheziny.

Niezaka indray mandeha indray hitàna ny manampahefana ho tomponandraikitra amin'ny fitondràna mitanila ireo mpiaro:

خلال #محاكمة_حسم الحامد: الدولة وقعت اتفاقيات حقوق الانسان الي تنص بكفالة حق التظاهر، فأي شرع نتهم بمخالفته!، الا ان الدولة تخالفه قبلنا!

@thumarm: Nandritra ny fitsaràna ny ACPRA , al-Hamid [niteny hoe]: Nanao sonia ny fanambaràna ireo zon'olombelona ny Fanjakàna, izay miantoka ny zo ho afa-manao hetsi-panoherana. Raha nanosihosy ny lalàna Sharia izahay, dia ny fanjakàna no efa nanao izany talohanay!

Rehefa nangatahan'ny mpitsara ny avy amin'ny mpiaro mba hanaporofo fa hoe misy maherin'ny 30.000 no voafonja tsy amin'antony, dia hoy i Dr. al-Hamid :

نطالب بتشكيل لجنة لتقصي الحقائق في سجون المباحث, المعلومات التي لدينا ليست قطعية وهناك دلائل أنهم أكثر من 30 ألف سجين, تخبط البيانات الرسمية هو السبب

Angatahanay ny hametrahana kaomisiona hanadihady ny zavatra tena nitranga. Tsy tena mazava tsara ny vaovao eto an-tànanay, nosoniavinay fa maherin'ny 30.000 izy ireo noho ny fifanoherana misy amin'ireo tatitra ofisialy samihafa.

Amin'ny Sabotsy ho avy io, 1 Desambra no hatao ny fifanatrehana manaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.