Nahoana No Tsy Tokony Avela Tsy Hisazy Ny Hala-bato Ao Okraina

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Fifandraisana Iraisampirenena & Fandriampahalemana.

Mpikatrka mafàna fo avy amin'ny mpanohitra sy ireo mpanohana azy nifamory teo ivelan'ny Kaomisiona Foiben'ny fifidianana tao Kiev. Saryavy amin'ny ukrafoto ukrainian news, fizakà-manana© Demotix (5/11/12)

Pourquoi les fraudes électorales en Ukraine ne doivent pas être ignorées

Ny fifidianana parlemantera natao ny 28 Oktobra 2012 tao Okraina no toa hotsaroana tsara tsy isalasalàna ho fifidianana fanoherana niely patrana indrindra, fanisàm-bato toy ny tsy hitsahatra tany amin'ireo distrika tena niadiana fatratra, fiahiahiana hala-bato ary hatraminà hetsi-bahoaka motramotraka tao Kiev. Kanefa, betsaka tatitra avy amin'ireo median'olon-tsotra, fampitàna mivantana tety anaty aterineto ary hetsika hafa ho fanarahamaso no nahatonga ity fifidianana ity – raha tsy hitanisa ireo fandikàn-dalàna nitranga tany aloha, nandritra sy taorian'ny fifidianana – ho fitadidy. Araka izay nanamarihan’[uk] ilay mpanao gazety Kateryna Avramchuk  avy amin'ny Ukrainska Pravda tao amin'ny Twitter ny teo-javatra nisy tao amin'ny distrika iray izay nifamaliana mafy tokoa resaka vaton-pifidianana :

@avramchuk_katya: Misy ny fampitàna mivantana ny mikasika ny fangalàrana ny vatontsika […] Dia ny andrasanareo dia hoe mba tsy ho leo politika ny olona aorian'izany ve?

Mpanao hetsi-panoherana ao Kiev nadritra ny Revolisiona Orange tamin'ny 2004. Sary avy amin'i Veronica Khokhlova

Valotaona lasa izay, niteraka hetsi-panoherana izay nanjary fantatra tsara amin'ny hoe Revolisiona Orange ny halatra nandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena natao tamin'ny 2004. Azon'ny mpanohitra avy eo ny fandresena, saingy taoriana kely dia tsy mba nanadihady akory mikasika ireo fandikàn-dalàna marobe sy nanenjika ireo tomponandraikitra. Ho an'ny sasany tamin'ireo voampanga aza dia mbola niafara tamin'ny fandraisany mari-pankasitrahana avy amin'ny fanjakana. Io, ankoatry ny fifandirana anatiny tsy mitsahatra, no mety nampihena betsaka ny fanohanana nasehon'ny vahoaka ny ekipa “Orange”.

Ny fihetsiky ny Okrainiana mpifidy marobe androany dia azo tarafina tsara mihitsy  ao anatin’ity fanehoankevitra tamin'ny Facebook ity [uk]:

…Niteny ny olona fa tsy te-[hanatevin-daharana hetsika an-dalambe intsony] satria efa nandrotsaka ny vatony izy ireo – ary ankehitriny dia hamela irery [ny mpanao politika mpanohitra] hiady amin'ny fitondràna izay ho [seza parlemantera] ho azy….

Ny zava-misy ankehitriny taorian'ny fifidianana dia vokatry ny tsimatimanota sy ny kolikoly tandra vadin-koditra ao Okraina. Fa manome ihany koa ny mpanohitra vintana iray io mba hanonerana ny hadisoany tany aloha.

Mety tsy hiombon-kevitra mikasika izay tetikady lafatra hamerenana ny fahamarinana marina takian'ny mpifidy amin'ny vanim-potoana toy izao ireo mpanao politika sy ny olom-pirenena tsotra ( fifidianana manontolo, na ampahany, na famerenana ny fanisàm-bato any amin'ireo distrika nifanjevoana). Ny betsaka, na izany aza, dia manaiky fa tokony hiray hina ny mpanohitra amin'ity indray mitoraka ity, nanao hetsika mifanaraka amin'ny lalàna hanenjika ireo nanao fandikàn-dalàna tamin'ny fifidianana, ary tsy hiraviravy tànana – fa tsy fotsiny hiresaka mikasika ny tokony hanaovana izany.

Olga Ajvazovska, mpandrindra ny fandaharanasan.pifidianana ao amin'ny Tambajotra Sivily OPORA, dia nanamafy [uk] fa manohitra ny famerenana ny fifidianana any amin'ireo fari-piadidiana nisian'ny fanoherana valim-pifidianana:

[…] Raha tamin'ity herinandro ity izao tontolo izao nahita [polisy mpandrava korontana] “nanisa” vatom-pifidianana sy mpirotsaka hofidiana naka an-keriny lehibenà [kaomisionam-pifidianana any amin'ny distrika] miaraka min'ny fitomboka [ofisialy], avy eo afaka andro aty aoriana [ao anatin'ny fotoana tokony hanaovana ny famerenana fifidianana] mety ho vavolombelona hanatrimaso fifampitifirana isika. […] Tena misy olona ve mihevitra fa ny fampielezan-kevitra iray vaovao dia afaka hiantoka fandresena o an'ireo izay efa nandresysahady tany amin'ireny distrika ireny? […] Resy [noho ny halatra] ireo mpandresy, ary ireo resy no handresy [raha misy ny famerenana fifidianana]. Raha tsy misy iray alefa any am-ponja noho ny fanaovana hosoka, dia efa fantatra mialoha sahady ny vokatr'io fampielezan-kevitra io…..

Mykola Kniazhytsky, tale jeneralin'ny fantsom-pahitalavitra TVi sady mpirotsaka avy amin'ny lafy mpanohitra tamin'ity fifidianana ity, dia niombon-kevitra tamin'i [uk] Ajvazovska :

[…] Azon'ny vahoaka ny fahamendrehana. Raha toa isika hanapa-kevitra hamerina fifidianana, dia tokony ho aorian'ny fampidirana fanenjehana araka ny lalàna atao an'ireo izay nanao hosoka izany vao atao. Raha tsy izany, dia manadio azy ireny sy mandrisika azy hanohy isika

Andriy Parubiy, mpirotsaka iray hafa avy amin'ny mpanohitra, dia nankasitraka ny famerenana fanisàm-bato [uk] miohatra amin'ny famerenana fifidianana ary nanoso-kevitra [uk] hananganana fitànana an-tsoratra manerana ny firenena, ho an'ny daholobe, hiraketana ireo hosoka ara-pifidianana ” avy amin'ny [Filoha Viktor Yanukovych] hatrany amin'ireo lehibe mpitarika [ny kaomisionam-pifidianana isam-paritra]” [uk]

Ny sisa andrasana ho hita, anefa, dia raha hisy amin'ireo tomponandraikitry ny krizy amin'izao fotoana ireo ho toriana sy ho tonga eny anoloan'ny fitsarana.

ISN logoIty lahatsoratra (teny anglisy) ity sy ny dikanteniny amin'ny teny Espaniola, Arabo, Frantsay dia notohanan'ny International Security Network (ISN) ao anatin'ny fiaraha-miasa hikatsahana ny feon'ireo olon-tsotra momba ny olan'ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fandriampahalemana manerantany. Lahatsoratra navoaka voalohany tao amin'ny  bilaogin'ny ISN, jereo ato ny tantara mitovitovy amin'izy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.