Fahadisoam-Pamakiana Ny Magnitsky & Kongresy Amerikana Avy Any Rosia

Dibo-kafaliana ireo bilaogera mpanohitra Rosiana tamin'ny Asabotsy, taorian'ny fandanian'ny Antenimieram-pirenena Amerikana ilay lalàna antsoina hoe “Lalàna Magnitsky” nahazo fanohanana avy amin'ny Antenimiera roa tonta tamin'ny 16 Novembra 2012. Manilika ny Fanitsian-dalàna Jackson-Vanik ihany koa ny ampahany amin'ny lalàna, ary mandrara tsy hahazo hiditra amin'ny faritr'i Etazonia ireo manampahefana ao amin'ny governemanta tafiditra tamin'ny famonoana an'i Sergey Magnitsky, mpisolovava Rosiana namoy ny ainy tany am-ponja, izay heverina noho ny fampijaliana azy. Midika ho famaizana ireo manampahefana ilay lalàna, rehefa tsy nanaovan'ny fitondrana Rosiana famotorana mazava izany tranga izany. Valinteny manindrona no nataon'ny fitondrana Rosiana amin'ny fitsikerana izao “fitsabahana” ataon'i Etazonia amin'ny raharahan-tokantranony izao.

 

Senatera Amerikana John McCain niresaka momba ny Magnitsky nandritra ny vovonana OSCE. Pikantsarin'ny YouTube. 17 Novambra 2012.

Aza miraharaha izay valitenin'ireo manampahefana — nitantara momba ny fandaniana ny lalàna izay tahaka ny efa nampiharina ny bilaogera Rosiana. Ohatra, lehiben'ny mpanohitra Boris Nemtsov (izay niaraka tamin'ilay manam-pahaizana momba ny tantara Vladimir Kara-Murza navitrika tamin'ny fanaovana “lobbying”” [ru] mikasika ny fampiharana ny lalàna Magnitsky ) nibilaogy hoe [ru]:

Закон этот принят только потому что в России уничтожено независимое правосудие. Когда оно будет восстановлено, я буду первым, кто будет настаивать на отмене Закона Магнитского.

Nolaniana fotsiny ity lalàna ity satria tsy manana fitsarana mahaleotena i Rosia. Rehefa tafaverina indray izany, izaho no voalohany hangataka ny fanafoanana izany.

Oleg Kozyrev nibilaogy [ru] tahaka izany ihany koa:

Все же у нас есть страна-друг. Это США. Конгресс США принял закон имени Магнитского. Европейские страны также должны дальше продвинуться в принятии этого закона, если действительно разделяют демократические ценности. Страны, не принявшие этого или подобного закона, не могут называть себя друзьями России, ибо друг слушает народ России, а недруг – только российских коррупционеров и отморозков из числа силовиков.

Toa tahaka ny manana firenena namana isika. Etazonia izany. Nolanian'ny Kongresy Amerikana ny lalàna Magnitsky. Tokony hanao dingana ihany koa ny firenena Eoropeana ka handany izany lalàna izany, raha tena mizara ny soatoavin'ny demokrasia tokoa izy ireo. Tsy afaka milaza tena ho firenena naman'i Rosia ireo firenena tsy nandany izany na lalàna izany na ny lalàna mitovitovy aminy, rehefa mihaino ny vahoakan'i Rosia ny namany, fa ny fahavalo kosa – manao kolikoly amin'ireo manampahefana Rosiana sy jiolahim-boto ao amin'ny mpitandro ny filaminana.

Mpisera Twitter @uumich somary mivatambantana [ru]:

Палата представителей конгресса США приняла Закон Магнитского!!! Ну что, бляди, доигрались? И это только начало…

Nandany ny lalàna Magnitsky ny Antenimieram-pirenana Amerikana!!! Eny, ry alika, azonao izany izay tianao? Ary vao fanombohana fotsiny izao…

Indrisy mantsy ho an'ireo Rosiana mpanohana ilay Lalàna, mbola ho ela vao tena ho lalàna izany. Angamba, ny tsy fahafantarana ny fomba sy ny dingana amin'ny fandanian-dalàna ao Etazonia no mahatonga ireo hevi-diso mikasika ny fandaniana ny Lalàna ankehitriny.” Na izany aza, tsy afaka miankina amin'ny rafitra Rosiana fotsiny ny bilaogera Rosiana amin'ny fampitahana ataony, ary ny antenimiera Rosiana kosa dia tokana ihany ny lohany sy ny rafitra ao anatiny.

Raha iverenana ny ao Etazonia, natolotra tao amin'ny Antenimieran-doholona ny lalàna Magnitsky mba hankatòavina, na dia taterin'ny Komity misahana ny tetibola ao amin'ny Antenimieran-doholona ho tsara aza izany, mety mbola hopotsipotserina senatora iray izany raha vao mahatratra ny rihana. Na dia lany ao amin'ny antenimieran-doholona aza ilay lalàna, dia tsy maintsy ampitovian-dokanga amin'ny hevitry ny Antenimieram-pirenena. Aorian'izany, mandalo ao amin'ny biraon'ny Filoha indray ireo hevitra — izay mbola manan-jò hitsipaka (veto) ny tolo-dalàna rehetra.

Na nolanian'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny vato 365 miohatra amin'ny 43 aza ny lalàna dia tena mbola bitika izany eo amin'ny fanohanan'ny roa tonta. Niezaka nanao izay handaniana amin'ity lalàna ity hatry ny ela ireo Repoblikana ao amin'ny Kongresy, raha toa kosa ka tsy manana fironana na fitsipahana momba azy ny fitantanana Demokraty. Hatramin'izay nifehezan'ny Repoblikana ny Antenimieram-pirenena izay, tsy misy holazaina afa-tsy hoe voaantoka ny fandaniana ny lalàna. Nanampy izany ihany koa fa tamin'ny tsy nanasarotana ny fandaniana ny lalàna no fomba tsy andaniam-bola hanaovana fanambarana politika. (Amin'ny ankapobeny, raha mahazo ny fanohanana ilaina ny lalàna hahalany azy dia matetika no be noho izay atondron'ny fanohanana voarakitra ny nandany azy, satria miezaka miaro ny eny amin'ny fototra (mpikambana na mpanohana azy ireo) ny mpikambana ao amin'ny Kongresy.)

Hatramin'izay nifehezan'ny Demokraty ny Antenimieran-doholona sy ny fiadidian'ny filoha, mbola maro ireo madilana hotentenina ao amin'ny lalàna Magnitsky, satria manohy ny politikany tsy te-hifanandrina amin'i Kremlin ny fitondrana ao Etazonia.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.